politique

KMF/CNOE FANABEAZANA OLOM-PIRENENA: Mitaky ny hanitsiana ny lalam-panorenana sy fanatsarana ny lalam-pifidianana


“Tonga izao no fotoana hanaovana fanatsarana ny rafi-pifidianana na “système électoral” malagasy mba hanamafisana kokoa ny fahefan’ny olom-pirenena”, hoy ny fanambarana nataon’ny KMF/CNOE – Fanabeazana olom-pirenena, ny 20 jona 2024, teny Antanimena. Tsy ho tanteraka anefa izany raha tsy misy ny fanatsiana ny lalam-panorenana amin’ireto andiany ireto: 3, 5, 24, 46, 55, 70, 72, 114, toko II manontolo, 161, 162, 166 ary ny 168. Tazonina kosa ny dingana tsara efa vita, ohatra ny andininy faha-163. Manampy izany ny fanatsarana ny lalàna mifehy ny fifidianana  sy ny fitsapa-kevi-bahoaka, ny lalàna momba CENI, ny HCC, ny lalàm-pifidianana. Mila hatsaraina ihany koa ny lalàna mifehy ny antoko politika, araka ny fanambarana nataon’ny KMF/CNOE hatrany. Mitaky ny hanasaziana ireo voarohirohy tamin’ny raharaha momba ny fifidianana solombavambahoaka farany teo, ny 29 mey 2024 sy ny fanajana ny safidi-bahoaka ihany koa ny fikambanana. “Miandrandra fitoniana hatrany ny fikambanana ary manizingizina fa mba ho hajaina  lalandava ny safidin’ny olom-pirenena. Miantso hatrany ny HCC mba hamoaka ny voka-pifidianana ankalalahana, araka ny tena marina sy ny lalàna”. Miantso ny kandida tsy miankina ihany koa ny fikambanana mba hanaja ny safidin’ny olom-pirenena ka tsy iadany amin’ny vondrona IRMAR na vondron’ny mpanohitra Kolektifa na Firaisankina. Famitahana ny olona nifidy anareo izany fiadaniana amin’ny vondrona politika izany , indrindra ireo mikasa hanao izany”.

 Nanambara ny KMF/CNOE fa tranga nisongadina tamin’ny fifidianana solombavambahoaka teo fa resy foana ny antoko mpanohana ny fitondrana tamin’ny vokatra voalohany nivoaka avy amin’ireo tanan-dehibe maro fa manova ny fironany ny fahatongavan’ny vokatra  avy any ivelan’ireo renivohitra  isan’ambaratongany. Nitombo ihany koa ny taham-pahavitrihana ivelan’ny tanan-dehibe. Tsy niomana  tamin’ny fifidianana ny mpanao politika maro (tsy nanana fitaovana, tsy nanana delege ny ankamaroany). Tsy manana etika ny mpanao politika maro, rehefa tsy natolotry ny vondrona dia lasa nahaleo tena ka nariany hatramin’ny antokony.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *