Sport

KARATE-DO : Mankalaza ny faha-50 taona ny AKKA


Fifaninanana fankalazana ny faha-50 taona ny AKKA, karaté-do style Wado Ryu. Noho izany dia hisy amboara hozaraina. Roa andro ny fifaninana izay atao ny 14 sy 15 septembre 2024 eny amin’ny kianja mitafon’i Imahamasina.  « Hanasana ireo mpikatroka karaté sy ireo mpanohana ny AKKA sy te hiaraka hifety aminay. Betsaka ny combat satria hanasana ny rehetra. Efa nomena fanasana avokoa ny klioba misy. Hifarana amin’ny 30 aogositra 2024 kosa ny faran’ny fisoratana anarana », hoy Seinsei RAKOTONIRINA Marcel. Nambarany fa ahitana ny sokajy manomboka amin’ny ankizy kely ka hatramin’ny ela netezana na ny veteran ity fifaninana ka hisy  ny kata sy kumité. Ny mampiavaka azy dia izay ekipa eo dia hisolo tenan’ny école misy eto Madagasikara. Kumité no atao amin’izany, misy amin’ny lahy sy vavy, hoy izy.  «Tsy misy ny droit d’engagement amin’ity fifaninananaity. Tsy mbola nisy teto madagasikara na erak’izao tontolo izao izany fifaninana ka tsy nisy droit d’engagement », hoy Shihan Christian RAJAONARISON, mpikambana ao amin’ny federasiona. Nanao ny fifantenana ny biraon’ny wado Ryu natao ny alahady 25 aogositra 2024 mba hifantenana ny école wado ryu hiatrika ny fifaninana 4 style (styles Wado Ryu, Gojo Ryu, Shotokan Ryu , Shito Ryu) amin’io fotoana io.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *