Socio-eco

JÔKÔSÔ –FESTIVAL DU RIRE 2023 : Mpanao hatsikana 32 hampihomehy mandritra ny 4 andro sy hizara traikefa ho an’ireo tanora tia manao hatsikana


Marobe ny vokatsoa avy amin’ny fihomezana raha amin’ny lafiny fahasalamana. Mampitombo ny hery fiarovana, manatsara ny fahasalamana, mampihena raritsaina, manatsara ny fahasalaman’ny  fo sy ny hozatra ary ny fitaovam-pisefoana fa indrindra miady amin’ny fanaintainana ny hehy, raha fikarohana nataon’ireo manam-pahaizana avy ivelany. “Rigologie” no iantsoana ny fitsaboana amin’ny alalan’ny hehy.  Nanomboka tany amin’ny taonjato faha XVI  no nampiasaina io karazana fitsaboana amin’ny alalan’ny hehy io.  Efa manomboka mivelatra ny sehatry ny hatsikana, indrindra ny “Stand-up” raha eto Madagasikara. Efa maro ihany koa ny tanora manan-talenta amin’ny “Stand-up”.  Ho fanomezana azy ireo sehatra bebe kokoa no mahatonga ny Gasy Stand-uppers sy ny Be-Tige  mikarakara ny Jôkôsô, festival du rire. Hotanterahina ny 11 ka hatramin’ny 14 oktobra 2023 ny andiany fahatelo. Mpanao hatsikana efa fantan-daza  sy vao misandatra miisa 32 no handray anjara amin’ny hetsika mandritra ny efatra andro. 20 taona ny zandriny indrindra amin’ireo mpandray anjara ary vavitokana. Dadavy kosa no zokiny indrindra.

Mampiavaka ity andiany ity ny fizarana fanomezana ho an’ireo ankizy taizana eny amin’ny Akany Felanamaitso Ambohibao Antehiroka. Hanokafana ny hetsika, ny 11 oktobra 2023, ny fizarana fitaovam-pianarana sy kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro (PPN) ary sakafo ho an’ireo ankizy miisa 70. Ho arahina seho hatsikana natao ho an’ny ankizy izany ny tapak’andro hariva. Hanankarena fizarana traikefa kosa ny 12 oktobra 2023. Nanasa mpanao hatsikana avy atsy La Réunion ny mpikarakara. Hanome fampiofanana (Master class) maimaim-poana ho an’ireo tanora te hisehatra amin’ny hatsikana i Fafa sy Océane Vonwertas. Ao amin’ny IKM Antsahavola no hanaovana izany fa mila misoratra anarana mialoha. Ny hariva an’io, amin’ny 06 ora ka hatamin’ny 08 ora alina dia  hisy ny hetsika “after work” ao amin’ny Madagascar Undergroung Antsahavola. Fankalazana ny hehy kosa ny 13 oktobra 2023. Hanao atrikasa “ahoana ny hamadihana ny fanaovana hatsikana ho lasa asa,” i Avotcha sy Élodie Arnould. Amin’ny alalan’ny “visio-conférence” no hanatanterahana izany, ao amin’ny CGM Analakely. Seho hatsikana hiarahana amin’ny mpanao hatsikana Malagasy, fantan-daza toa an’i Etsetra Etsetra, Mihora Andrianina, Finengo Mahasaky, Mah, Enjana Hasimbolaniaina sy ny maro hafa  ny hariva (amin’ny 02 ora ka hatramin’ny 05 ora hariva) izay atao ao amin’ny Ivokolo Analakely.  Amin’ny 08 ora alina, hanohy ny seho i Fafa, Océane Vonwertas, Gothlieb, Sombiniaina, Raytra Belaw’yck, Zina Rabedaoro… Ao amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT), Andavamamba no hamaranana ny hetsika. Hizara ny lalana nolalovany i Gothlieb. Ho avy hanao  fampisehoana ao ny tenany miaraka amin’I Francis Turbo, Dadavy, Fohy Hehy, Raytra Belaw’yck, Sombiniaina, Falitiana Kely, Aina Maharavo, Orima Sarobidy, Hery Artiste  ary Lanja Babeine, manomboka amin’ny 02 oa ka hatramin’ny 06 ora hariva. Nambaran’i Raytra Belaw’yck, mpanorina ny Gasy Stand-uppers, fa hanambatra ny mpanao hatsikana malagasy rehetra na eto an-toerana  sy any ivelany, hampahafantatra ny stand up eto Madagasikara sy ireo ankizy mivohy izany no tanjon’ny hetsika. Fahaizana mampihomehy amin’ny alalan’ny hatsikana miaraka amin’ny taim-bava na fantsy ny “Stand-up”, araka ny fanazavany.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *