Sport

ISLAND PADEL CUP: Ny ekipan’i Madagasikara sy Maorisy no hanokatra ny lalao


Mampiantrano ny andiany voalohany  amin’ny  Island Padel Cup i Madagasikara. Hanomboka ny 4 septambra  ka hatramin’ny 7 septambra 2024, eny amin’ny “Soavina Atmosphère” ny fifaninanan’ny nosy, ho an’ny taranja padel. Firenena telo manodidina ny ranomasimbe Indiana no mandray anjara amin’ny lalao: Madagasikara, Maorisy, la Réunion. Hanokatra ny fifaninanana i Madagasikara sy Maorisy, ny 4 septambra.   Hifanandrina amin’ny ekipan’ny la Réunion ry zareo maorisianina ny andro faharoa ary Madagasikara sy la Réunion no hifandona amin’ny andro fahatelo. Ny ekipa roa be isa indrindra no tafiakatra amin’ny lalao famaranana, ny 7 septambra 2024. Ekipa 40 no mandray anjara amin’ny lalao ka ekipa lehilahy ny 24 amin’ireo, 16 ny ekipa vehivavy. Ny Malagasy Pro Padel Tour (MPPTour) no mikarakara ny Island Padel Cup. Ireo mpilalao sangany araka ny fanasokajiana ataon’ny MPTTour , ao anatin’ny Top 7 na manana isa be indrindra no mandrafitra ny ekipa malagasy na lahy na vavy. Miisa ny 7 mpilalao lehilahy ary 7 ihany koa ny vehivavy.  “Zava-dehibe ho anay ny fampiantranoana ny Island Padel Cup satria manana hafatra tiana ampitaina amin’ireo nosy rahavavy izahay:  efa manomboka mahazo laka eto Madagasikara ny taranja padel. Te hampahafantatra ihany koa izahay fa manana ny fahaiza-manaony ny mpilalao malagasy. Vonona hiaro ny voninahim-pireneny  izy ireo”, hoy Gary Ah-Waye,  Talen’ny MPPTour, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, ny 30 aogositra 2024, teny Soavina Atmosphère. Misy ihany koa ny fifanintsanana “Open” izay misokatra ho an’ny mpilalao padel na mpankafy, na inona na inona fahaiza-manao hananany. Nanomboka ny 3 septambra 2024 izany ary tsy hifarana raha tsy ny 7 septambra 2024. Marihina fa tompondakan’i Afrika amin’ny padel, taona 2024, i Madagasikara rehefa avy nandresy an’i Mauritanie.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *