politique

IMBIKI HERILAZA: “Mila vahoaka mpisintona lakolosy isika”


Ho hita taratra mandritra ny fotoam-piasàn’ny filoham-pirenena vaovao, Andry Rajoelina ny fanatanterahan’ireo mpanohana azy ny teny izay nolazain’izy ireo hoe: “manohana tsy misy fepetra”. Nambaran’ny mpahay lalàna, Imbiki Herilaza fa tsy voatery ho ao anatin’ny fitondrana avokoa ireo mpanohana ny filoha Andry Rajoelina. Raha ny heviny, midika ho fikatsahana ny tombontsoa ho an’ny Malagasy ny fanohanana tsy misy fepetra. Nilaza ihany koa izy fa fitaratra ny filoham-pirenena saingy ireo mpiara-miasa aminy no hantanteraka ny programan’asa ary tokony ho tandrovina ny fifidianana ny olona hiara-aminy.

Misintona lakolosy

Araka ny fanehoan-kevitr’ity mpahay lalàna ity hatrany, manana adidy sy andraikitra ny olom-pirenena hamela malalaka ny filoham-pirenena sy ny ekipany hanatanteraka amin’ny antsakany sy andavany ireo programan’asa. “Manana andraikitra ihany koa isika amin’ny fisintonana lakolosy amin’ny fampahafantarana ny zavatra tsy misy na tsy mandeha satria misintona lakolosy ny asan’ny vahoaka na ilay antsoina amin’ny teny Frantsay hoe: devoir citoyen”, hoy i Imbiki Herilaza. Miarahaba ny filoham-pirenena vaovao i Imbiki Herilaza ary maniry ny hitazoman’ny filoha Andry Rajoelina ny teny izay nomeny. “Matoa ny vahoaka nifidy azy dia hinoany fa hanatanteraka ny zavatra lazainy ohatra ny fampidinana ny vidim-piainana, ny fampiakarana ny hari-karena sy ny fahefa-mividy ny Malagasy , ny fitsinjovana ny andavanandrom-piainana, ny fitandroana ny fandriam-pahalemana, ny ady amin’ny kolikoly ary ny famerenana ny fahaizana miara-monina amintsika samy Malagasy”. Miarahaba ny vahoaka Malagasy ihany koa fa nahavita fifidianana tao anatin’ny firahalahiana na dia saika nisy aza fifandonana. Enga anie ka olona ho “tia tanindrazana” tokoa ny handrafitra governemanta vaovao ary hiraradraraka tahaka ny vola nampiasain’ny filoha Andry Rajoelina tamin’ny fampielezan-kevitra ny ho enti-manana hampandrosoana ny firenena.

Lynda A.

Horonan-tsary


One comment on “IMBIKI HERILAZA: “Mila vahoaka mpisintona lakolosy isika”

  1. Pingback: IMBIKI HERILAZA: “Mila vahoaka mpisintona lakolosy isika” - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *