Socio-eco

HOMO FABER 2024 : Voasafidy handray anjara any Venise ny asa tanana vitan’ny «Le Village»


Ho ampirantiana miaraka amin’ireo asa tanana vita eraopeanina sy asiatika ary amerikanina ny vita malagasy.  Voasafidy handray anjara amin’ny HOMO FABER 2024, atao any Venise, ny voalohany ka hatramin’ny 30 septambra 2024 ny asa tanana vitan’ny «Le Village», mpanao asa tanana matihanina amin’ny fanamboarana «maquettes de bateaux».

Ny fanamboarana sambo manana tantara, mitovy tsy misy valaka amin’ny tena izy fa atao amin’ny endriny kely, afaka atao haingontrano na haranty any anaty mozea no tena mampalaza ny orinasa. Miainga amin’ny drafitry ny sambo tena izy no hanamboarana ny «maquette» ary mpanao asa malagasy mahery ny 30 no mifarimbona manao izany. Ankoatra ny sambo manan-tantara toy ny Soleil Royal,  ny  sambon’ ny mpanjakan’i Espagne, Albert sy ny maro tsy voatanisa dia manamboatra sambo entina miasa (sambon’ny mpanjono), sambo entina hanaovana fikarohana,  sambo fanaovana fifaninanana ny «Le Village». Manana  130 modely ny orinasa amin’izao fotoana izao. Nampitolagaga ireo tale misahana ny haikanton’ny Homo Faber 2024, Luca Guadagnino, matihanina momba ny sarimihetsika sy Nicolo Rosmarini, mpahay taotrano, ny asa tanana vitan’ireo mpanao asa tanana malagasy ao amin’ny «Le Village» ka nisafidy «maquette»  efatra ho ampirantiana any Venise izy ireo.

Miompana amin’ny resaka «dia» na «voyage» rahateo ny lohahevitry ny fampirantiana HOMO FABER andiany fahatelo ka anisany antony nisafidianana ny «Le Village» izany. « Ho alefanay any Venise ny sambo Soleil Royal, mirefy 130 sentimetatra, io sambo io no sary famantarana ny Le Village. Ho ampirantiana any ihany koa ny sambo Calypso an’i commandant Cousteau. Handefa modely miresaka momba ny dia izahay, toy ny dia ataon’ny miaramila, momba ny fikarohana na fandehandehana», hoy Gregory Postel, tomponandraikitra voalohany ao amin’ny «Le Village», nanazava ireo sambo ho ampirantiana any Venise, nandritra ny fitsidihana  ny «atelier» an-dry zareo , teny Ambohibao, ny 6 aogositra 2024. Nanamafy i Romy Henintsoa , tomponandraikitry ny famokarana fa miainga amin’ny drafitry ny sambo tena izy  ny «maquettes» vokarin’izy ireo ary avy eto an-toerana ny akora fototra ampiasaina toy ny hazo (anakaraka), ny voaly… «Tahaka ny manamboatra sambo tena izy izahay. Atelier 13 eo vao mahavita sambo raha sambo manan-tantara. Miainga eto amin’ny atelier fanaovana lasitra ny asa rehetra ary ampitaina ao amin’ny atelier momba ny rafitra avy eo. Efitra hafa indray no hanamboarana ny pitsopitsony toy ny tafondrokely, fanjaraina ny voaly sy ny fametahana azy, ny fandokoana…», hoy izy nanazava ny lalana diavina raha hanamboatra sambo iray.

Lalana misokatra ho an’ny mpanao asa tanana malagasy

Tetikasa iray tanterahan’ny Michelangelo Foundation for Creativity and Craftmanship ho fampiroboroboana ny asa tanana tsara kalitao sy miavaka (artisanat d’excellence) ny Homo Faber atao any Venise. Isaky ny roa taona no hanaovana ity hetsika ara-koltoraly iraisam-pirenena ity. Mpanao asa miisa 400  avy amin’ny firenena 50 no nasaina handray anjara amin’ny andiany fahatelo. Noho ny fiarahamiasa tamin’ny Fonds Yavarhoussen no nahafahan’ny Michelangelo Foundation nisafidy ny «Le Village». Manana guide Homo Faber ihany koa  mantsy ny  fikambanana. Sehatra iray hampisehoana ireo asa tanana manana kalitao tsara indrindra sy miavaka fa indrindra ahafahan’ireo mpanao asa tanana mampahafantatra sy ny mivarotra ny  sanganasan’izy ireo io guide io. Mpanao asa tanana efa ho 2600 no efa tafiditra ao anaty tranokala, avy amin’ny firenena eraopeanina, asiatika ary amerikanina. Manana vina hampiditra mpanao asa an-tanana aty amin’ny firenena afrikanina ny Michelangelo Foundation. Taorian’i Zimbabwe dia nitily ireo mpahay asa tanana malagasy manana toetsaina hikatsaka ny tsara indrindra ny fikambanana. Nanampy azy tamin’ny fikarohana izany ny Fonds Yavarhoussen, rafitra iray natsangan’i Yavarhoussen Hasnaine, Tale Jeneralin’ny Filatex hampiroboroboana ny kolontsaina eto Madagasikara. Ambasadaorin’ny Micheangelo Foundation eto Madagasikara noho izany Fonds Yavarhoussen noho ny fiarahamiasan’ny roa tonta. Niantso ireo mpisehatra amin’ny famokarana asa tanana  eto Madagasikara maniry ny ho ampidirina ao anaty guide Homo Faber ny Fonds Yavarhoussen, ny volana febroary 2024. «Mpanao asa tanana malagasy miisa 46 no nanantona azy. «Ateliers» 16 tamin’ireo no nahafeno ny antontan-taratasy ary notsidihina. Nandalo sivana tamin’ny alalan’ny «evaluation tools» napetraky ny Michelangelo Foundation izy ireo. Natolotra ny Fondation ny lisitr’ireo tokony ho tafiditra amin’ny «guide». Ny Fondation no manapa-kevitra farany. Izany indrindra no nahitany ny «Le Village». Mbola manankery hatramin’ny 2025 ny lisitra ka mbola miandry ny fisafidianana izay ho tafiditra anaty guide. Mbola manohy ny fitiliana ireo mpanao asa tanana malagasy any amin’ny faritra ny Fonds Yavarhoussen ka irariana mba  am-polony ireo malagasy tafiditra ao anaty guide», hoy i Razafimandimby Vatosoa, tomponandraikitra ao amin’ny Fonds Yavarhoussen.

Ra-Nirina.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *