Socio-eco

HOMAMIADAN’NY VOZON’NY TRANON-JAZA : Tokony manao fitiliana ny vehivavy raha vao manomboka manao firaisana ara-nofo


Aretina mety mahazo ny vehivavy ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza. Volohany mahafaty ny vehivavy eto Madagasikara ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza, laharana faharoa ny homamiadan’ny nono. Raha ny tarehimarika navoakan’ny firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS) sy ny Observatoire mondiale du cancer ny taona 2022 dia vinavinaina ho 4.000 ireo vehivavy malagasy maty vokatry ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza sy ny homamiadan’ny nono. Tombanana ho 10.000 isan-taona ireo zaza lasa kamboty vokatry ny homamiadana eto Madagasikara. Rehefa voatily mialoha kosa anefa ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza dia azo sitranina tsara. « Raha vao miditra amin’ny firaisana ara-nofo voalohany ny vehivavy dia tokony manao fitiliana ». Azo sitranina amin’ny « cryothérapie » ireo vehivavy tratran’ny homamiadana raha kely ny ratra hita mandritra ny fitiliana. Atao indray mandeha ihany ny fitsaboana. Ho an’ny ratra lehibe kosa dia tsy maintsy  manatona hopitaly kosa ilay vehivavy hotsaboina.

Nikarakara fitiliana maimaimpoana ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka tamin’ny volana oktobra 2024 ity. Anisan’izany ny  CSB II Amba­lavato,  distrikan’An­tsi­rabe . Ho vinavinaina ho 30 ireo vehivavy nanao fitiliana mandritra ny hetsika fitiliana maimaimpoana ity, hoy i Ravelojaona Mbolamasoandro, tomponandraikitry ny minisiteran’ny Fahasalamana sady mpampiofana.

Marihana fa niarahan’ny ministeran’ny fahasalamana sy ireo mpiray miombon’antoka, toy ny MSI, Fondation Akbaraly…

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *