Miompana amin’ny famelomana ny asa soratr’i Emilson Daniel Andriamalala na E.D Andriamalala ny herinandron’ny Havatsa izay karakarain’ny fikambanan’ny poety sy ny mpanoratra Malagasy ary ny HAVATSA- UPEM. Ny 22 oktobra ka hatramin’ny 27 oktobra 2018, misy ny fampirantiana ireo asa sorany eny amin’ny Tahala Rarihasina Analakely. Feno zato taona amin’ny 22 oktobra 2018 ny nahaterahan’ity poety sy mpanoratra ary akademisiana ity (22 oktobra 1918- 22 oktobra 2018). Lohahevitra resahina mandritra lanonam-panokafana amin’ny alatsinainy izao eny akademiam-pirenena malagasy Tsimbazaza ny hoe: “Emilson Daniel Andriamalala sy ny asa sorany”. Hamelabelatra momba izany ny mpampianatra-mpikaroka, Rajaonesy Beby Vololona sy Randriantsimiala Nanoina.
Mpanoratra kalaza nanome aina ny asa-soratra malagasy i E.D Andriamalala. Maro ny tantara nosoratany ka anisan’izany ny « Fofombadiko ». Ankoatra ny tantara dia nanana sangan’asa hafa ihany koa izy toy ny “Harem-pirenena » na « Maty ve Ratsimandrava? »
Lynda A.