Socio-eco

HAVOANA LAND : 60mn Chrono andiany faharoa


Karting vaovao no ampiasaina , Karting RT 10  270CC.  18 ny karting  entina milalao amin’ity 60mn Chrono andiany faharoa ity izay atao ny 05 oktobra 2024 eny amin’ny Havoana Land. Atao ao anatin’ny iray andro  amin’ity taona ity. Amin’ny iray ora tolakandro no mandeha ny fifanintsanana. Vita izay dia mandeha ny demi-final, final ary ny fanolorana ny amboara. Miavaka ny amin’ity andiany faharoa ity satria hisy ny coupe solo. Efa maromaro ny mpilalao irery nisoratra anarana. Hilalao mandritra ny ora iray ka raha tafakatra izy dia lasa adin’ny roa amin’io andro io. Tsy mifidy sokajy ny fifafinana, na tsy matihanina amin’ny familiana karting dia afaka mandray anjara satria lalao izy ity na dia fifaninana aza. Manomboka ny 16 taona dia afaka mandray anjara. Ny ekipa iray dia manomboka olona iray ka hatramin’ny enina. Nanomboka tamin’ny 01 septambra 2024 hifarana ny 4 Octobra 2024 ny fisoratana anarana. Efatra ny sokain’ny amboara ho zaraina dia ny coupe pilote junior, coupe pilote féminine,  coupe pilote mixte, coupe pilote solo. 345.000 ariary ny fandraisana anjaran’ny ekipa iray. Marihana fa tsy voafetra ny mpandray anjara. Manantena ny mpikarakara fa hiakatra noho ny tamin’ny andiany faharoa ireo mpandray anjara.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *