Fomba fiady ahazoana tany manan-tompo an-tsokosoko ny fizaka-manana na “prescription acquisitive”. Vitaina ambony latabatra ny fidinana ifotony tokony hanaovana fitsirihana (constatation mise en valeur). Manan-kery amin’ny fitsarana izany na dia hosoka aza.
Fanontaniana (F): Nafindra tamin’ny anaran’itompokovavy Berthine Razanamalala ny tanànanao ao Soanierana . Manondro izany ny taratasy fanamarinana fandovana sy fanamarinana fananan-tany ankehitriny.Efa fantatrao ve izany?
Pierre Louis Marie Delval (P): Nampanofaina tamin-dramatoa RAZANAMALALA Berthine efa hatramin’ny fotoana ela ny Villa Mathilde. Efa naniry ny hivarotra izany ny reniko fony fahavelony .Tsy manana fahefahana hividy ny tany ry zareo ka novarotany tamin’ny olon-kafa ny tany.
F: Nandroaka ireo mpanofa ve ianareo?
P: Niakatra fitsarana ny raharaha ary resy izy ireo. Nivoaka nanaraka izany ny didy fandroahana azy ireo saingy mbola tsy nety niala satria nanao porofo sandoka sy halatra amin’ny sora-bola izy ireo mba hijanonana amin’ny trano sy tany.
F: Vita hatreo ve izany ny ady ?
P: 10 taona ny faharetan’ny ady. Maty tao anatin’io vanim-potoana io ny reniko. Na dia eo aza izany, vita tanteraka ny ady ka nandresy izahay ary afaka nisitraka ny tany ilay nividy azy.
F: Nahoana ary no mbola azony tamin’ny alalan’ny « prescription acquisitive » ny tany?
P: Tsy mitombina ny nahazoany ny tany tamin’ny alalan’ny « prescription acquisitive » satria izahay nandresy tamin’ny ady.
“Paik’ady hangalarana tany ny fangatahana famindrana ny tany vita titra amin’ny alalan’ny fizaka-manana na prescription acquisitive”. Resaka mikasika ny zon’ny tompon-tany ny 57% ny ady tany eny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany;araka ny tatitry ny fitsarana tamin’ny 2005-2011. Tafiditra anatin’io antontan’isa io ny “prescription acquisitive” na PA, izay anisan’ny betsaka indrindra. Nambaran’ny sampandraharaha misahana ny ady amin’ny kolikoly (BIANCO) fa be mpitaraina ny tany manan-tompo voafindra tamin’olon-kafa noho ny fizaka-manana; kanefa tsy nahafeno ny dingana ahafahana mamono ny zo fitompoana an’ny tompony teo aloha akory izany. Tsy nisy ny fidinana ifotony nanaovana fitsirihana saingy vita soa aman-tsara ny fitanana an-tsoratra (Procès-verbal de constatation). Mamoaka didy ny fitsarana amin’ny alalan’io mba hanoratana ny tany amin’ny mpangataka.
Araka ny lalàna dia sazy ho an’ny tompon-tany tsy mampiasa ny taniny ny fizaka-manana. “Voafafa ny anarany rehefa eken’ny fitsarana ny fangatahana famindrana ny tany nataon’ny olona nanajary izany”, hoy ny Tale Jeneralin’ny Sampandraharahan’ny fananan-tany sy ny fandrefesan-tany, Hasimpirenena Rasolomampionona. Tany vita titra na kadasitra, nilaozan’ny tompony, nohajarian’olon-kafa nandritra ny 20 taona, tsy misy manelingelina ary tsy misy raorao no azo hanaovana PA. Afaka mangataka ny tany ny olona iray na fokonolona nanamainty molaly ny tany tamin’ny alalan’ny fambolena na toeram- ponenana raha mahafeno ireo fepetra ireo. Miroso amin’ny dingana tokony arahina amin’izay ny mpangataka avy eo. Manao rafitsary »plan » an’ilay tany ary mangataka ny fanamarinana fananan-tany na « certificat d’immatriculation et de situation juridique” na CSJ any amin’ny Sampandraharahan’ny Fananan-tany ny mpangataka.
Nanampy fanazavana momba izany ny Talen’ny Fandinihana fananan-tany”Observatoire foncier”, Laza Andriamanjato Raharo. Mangataka amin’ny Fitsarana ny didy ahafahan’ny vaomiera voalazan’ny lalàna hanao ny fitsirihana eny an-toerana (Ordonnance de constatation de mise en valeur) izy. “Talohan’ny taona 2010 dia mpikambana ao anatin’ny vaomiera ny solontenan’ny kaominina sy avy ao amin’ny Ministeran’ny fambolena ary ny avy ao amin’ny Sampandraharahan’ny Fandrefesan-tany. Ny lehiben’ny distrika na ny lefiny kosa no filoha mitarika ny vaomiera”, araka ny vaovao navoakan’ny www.sobika.com.
Niova anefa ankehitriny izany araka ny ny Didim-Panjakana laharana 2010-233 tamin’ny 20 Aprily 2010. Ny avy ao amin’ny Sampandraharahan’ny fananan-tany sisa no mitantana an’io vaomiera io ary mpikambana ireo avy ao amin’ny sampandaharahan’ny fandrefesan-tany sy ny Kaominina ary ny fokontany. Tsy mirotsaka an-tsehatra na midina eny an-toerana io vaomiera io raha tsy misy ny fiantsoana alefan’ny filohany. Misy ny peta-drindrina atao eny an-toerana manambara ny fiavian’ny vaomiera satria tokony hanatrika eo daholo ny tompon’ny tany mifanila amin’ilay tany hotsirihina. Handefasana taratasy fampiantsoana ihany koa ny tompon-tany raha mbola hita ny misy azy. “Alefa amin’ny adiresy farany voasoratra ao anaty CSJ ny fampiantsoana amin’ny alalan’ny taratasy tsy very mandeha “recommandé ”. Nambaran’i Tale Laza Andriamanjato Raharo hatrany fa iray volana mialoha ny fidinana ny fametahana peta-drindrina. Manao fitanana an-tsoratra ny fitsirihana ny fanamaintisa-molaly (« Procès-Verbal de constatation de mise en valeur ») io vaomiera io. Alefan’ny sampandraharahan’ny fananan-tany eny amin’ny Fitsarana ny antontan-taratasy rehetra miaraka amin’ilay fitanana an-tsoratra (« Procès-Verbal ») voalaza etsy aloha. Rehefa tsy hita na tsy nanohana ny tompon-tany dia mamoaka ny didim-pitsarana ny eny anivon’ny tribonaly. Ambara fa lasan’ilay nanamainty molaly izany raha ekena ny fangatahany. Mihatra amin’izay ny didim-pitsarana rehefa raikitra na tapitra ny fe-potoana tokony hanaovan’ny tompon-tany ny fampakarana (appel). Miverina mitondra izany any amin’ny sampandraharahan’ny fananan-tany »Domaines » ny mpangataka mba hanatanterahana didy hanoratana aminy ny tany. Mifanohitra amin’izany anefa ny zava-mitranga.
Nifampiraharaha tamin’ny tompon-tany
“Mitana ny laharana faharoa mahatonga ny ady tany ny tsy fanarahana amin’ny antsipiriany ny fepetra takina ahazoana tany manan-tompo amin’ny alalan’ny fizaka-manana ho an’Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina” hoy ny Talen’ny fandinihana fananan-tany Observatoire Foncier. Voafaritra ao anatin’ny lalàn’ny fananan-tany fa tsy afaka hafindra amin’ny anaran’ olona iray ny tany raha toa ka nanofa ny tany tamin’ny tompon-tany izy. Nanazava izany ny mpisolovava MAKA fa ny tany tsy nahazoana alalana no afaka hanaovana PA. Noho izany,“tsy mitombina ny fangatahana PA raha misy fifanarahana na nahazo alalana tamin’ny tompon-tany ny mpangataka”, hoy izy. Nahitana tranga mifandraika amin’izany ny teny amin’ny fokontany Fiadanana Soanierana, kaominina Antananarivo Renivohitra.
Trano no nampanofaina, voafindra amin’ny anaran’ny mpanofa hatramin’ny tany
Mpitandro filaminana valo niaraka tamin’ny vadin-tany (huissier) no nandroaka tsy misy hataka andro ny tokantrano roa nipetraka tao ambany rihana ny Alatsinainy 04 septambra 2017 tamin’ny dimy ora maraina. Ny mpanofa ny trano tao ambony ihany no nandroaka azy ireo satria lasa misoratra amin’ny anarany ny tany misy ilay trano fonenana. Louise Delval, vazaha vavy nonina teto Madagasikara no tompon’ny tany teo aloha. Nambaran’ny zanakalahin’i Tompokovavy, Pierre Delval fa nanofa ny trano i Berthine Razanamalala. Novarotan’ny reniny tamin’i Yolande Rahantamalala ny tany tamin’ny 17 aogositra 2001 ka nandroaka ny mpanofa tao izy.“Tsy nety niala anefa ry zareo ary niakatra fitsarana misahana ny ady madio ny raharaha. Maty tao anatin’ny ady ny reninay kanefa nandresy ihany izahay ary afaka nisitraka ny tany ilay nividy azy”.
Voasoratra ao anatin’ny tahadika taratasim-pitsarana“grosse”, laharana faha 4396 tamin’ny 10 desambra 2003, ny didim-pitsarana eo amin’ny ny olon-tsotra mifanohitra eo anivon’ny raharaham-pitsarana “jugement civil contradictoire, procedure” laharana 3185/2001 momba ny ady nifanaovan-dramatoa Berthine sy ny ramatoa Yolande Rahantamalala nividy ny tany tamin’ny Louise Delval teny amin’ny fitsarana fa nanomboka nipetraka tao amin’ny “villa Mathilde” etsy Soanierana, fokontany Fiadanana, boriborintany fahefatra i Berthine sy ankohonany ny volana febroary 1978. Voalaza ao anatin’io didy io ihany koa fa rehefa nandao ny trano sy tany ity vazaha ity vao nipetraka tao izy ireo. Nambaran’ny sefo fokontany, Constant Felix RAVALISON sady lahimatoa an’i Berthine no vadin’i Voahanginirina izay mpanofa tao ambany fa nanofa ny trano ny ray aman-dreniny. Izay no nahatonga azy ireo nipetraka tao amin’ny “Villa Mathilde”. Tsy mitombina ny filazana fa nipetraka tsy nifampiraharaha tamin’ny tompon-tany i Berthine. Nahoana àry no voasoratra aminy ny tany?
Hita tao anatin’ny didy ihany koa fa nandà i tompokovavy Berthine fa tsy mpanofa izany na dia nampanaraka antontan-taratasy sivy milaza ny maha mpanofa ny trano azy aza ny mpisolovava an’ i Louise Delval, Ducaud Michel. Tsy nanan-kery teo anatrehan’ny fitsarana anefa izany.
Toerana nohajariana ihany no azo hangatahana
“Ny ampahan-tany nanaovana fanamaintisa-molaly ihany no hanaovana PA araka ny lalàna fa tsy ny velaran-tany iray manontolo. Raha ny zava-misy teny Soanierana dia nifindra tamin’i Berthine daholo ny tany mirefy 18A.55Ca.35Dm2 kanefa ny trano ihany no nipetrahany ary tsy misy fotodrafitrasa hafa ny manodidina fa midadasika .
Niketrika irery
Fepetra takina ahazoana tany manan-tompo kanefa tsy nampiasain’ny tompony ary nisy olon-kafa nanajary ny tsy fisian’ny raorao sy fanelingelenana. Mba hisorohana ny raorao dia niniana tsy nampahafantarina ny mpanofa ny trano sy tany tao ambany rihana fa niroso tamin’ny fangatahana ny tany amin’ny alalan’ny “prescription acquisitive” ny tao ambony. Nifampiraharaha tamin’ny tompon-tany i Alice Razafiniary fa hanofa ny trano ao ambany rihana ary afaka mampiasa ny antsasaky ny tany mitondra ny laharana 32.381 A ny Volana oktobra 1979, heritaona taorian’ny fipetrahan-dRamatoa Berthine sy ny zanany tao amin’ny « villa Mathilde ». Mirefy 18A.55Ca.35Dm2 io tany eny Soanierana io. Voasoratra ao anatin’ny taratasy fifampiraharahana eny am-pelatanan’ny zanany izany. Voalaza tao ihany koa fa natokana ho an’ny mpanofa hafa ny ilan’ny tany sy ny rihana ambony. Samy nipetraka tao amin’ny « Villa Mathilde » na ramatoa Berthine sy ny vady aman-janany na ramatoa Alice sy ny ankohonany. Tsy voalaza tao anatin’ny didim-pitsarana laharana 4396 tamin’ny 10 desambra 2003 izay mandidy ny sampandraharahan’ny fananan-tany hanoratra ny tany amin-dramatoa Berthine ary hamafa ny anaran’ny tompon-tany teo aloha Louise Delval mihitsy fa nisy olon-kafa nanofa ny trano tao ambany rihana. Hita tao anatin’ny fanamarinana fananan-tany (CSJ) fa efa misoratra amin’ny anaran’i Berthine ny tany. Izany no nahafahan’ny zanany nandroaka an’i Volatiana sy Voahanginirina ary ny ankohonany izay zanakavavin’i tompokovavy Alice sady mpiara-mipetraka tao amin’ny trano. Nambaran’i Volatiana anefa fa niara-niady tamin’i Yolande ny roa tonta. Nivadika ny zava-misy ka noketrehin’ny an-kilany ho azy irery ny tany.
Foana avy hatrany ny fangatahana PA
“Araka ny lalàna dia foana hatreo ny raharaham-pitsarana “procedure” raha manohitra ny tompon-tany”, hoy ny mpanolontsainan’ny Tale Jeneralin’ny Bianco, Tsiry RAZAFIMANDIMBY. Fepetra takina ny fampilazana ny tompon-tany. Tsy arahina anefa izany matetika. Lazaina fa lasa any andafy ny tompony na tsy hita izay misy azy ary atao izay tsy ahafantaran’ny tompon-tany fa misy manao PA ny taniny. Tokony hampahafantarina, na antsoina ny tompon-tany noho ny tsy fahafantarany na inona na inona mihitsy. Rehefa mivoaka mantsy ny Didy vao taitra izy. Tsikaritra avy amin’izany fa ao anatin’ny tsy fahalalan’ny tompon-tany no tena misy ny kolikoly.
Nipoitra tao anatin’ny fotoana nanaovan’i Berthine PA ny tompon-tany sy ilay olona nivarotany ny tany. Ankoatra ny ady madio nifanaovan’ny roa tonta dia namindra ny tanin’ny reniny tamin’ny alalan’ny fandovana ny zanany roa. Tokony ho foana avy hatrany ny fangatahan’i Berthine ny tanin’izy ireo. Mahagaga anefa fa nivoaka ny didy fa hafindra aminy ny tany.
Vita ambony latabatra
“Tsy nisy akory ny fampilazana”. Mialoha ny hamoahan’ny fitsarana ny didy ahafahan’ny sampandraharahan’ny fananan-tany manoratra amin’ny anaran’ny ny mpangataka ny tany dia misy vaomiera midina ifotony manamarina tokoa fa nanajary ny tany ny mpangataka. Mandefa fampilazana eny amin’ny kaominina, fokontany ny lehiben’ny vaomiera iray volana mialoha ny fidinana. Antsoina amin’ny alalan’ny peta-drindrina ihany koa ny mpiray vodirindrina sy ny fokonolona hanatrika ny fitsirihana. “Raha nisy ny fidinana ifotony nataon’izany voamiera izany dia anisan’ny voalohany mahafantatra izany izahay mipetraka ato ambany”, hoy i Voahanginirina. Nanamafy izany ihany koa ny vadin’ny sefo fokontany ao Fiadanana sady mpiray tampo amin’ny zanakin’i Berthine fa tsy nisy filazana mikasika ny fitsirihana. Nisy anefa ny fitanana an-tsoratra nalefa teny amin’ny fitsarana ary nanaiky izany ny tribonaly. Ny 24 janoary 2002 no natao io fitanana an-tsoratra io. Tsy maintsy handefasana taratasy fampiantsoana ny tompon-tany fa mangataka ny tany ireo nanajary. “Miainga eny ambony latabatra ny fikarakarana ny antontan-taratasy ilaina rehetra”. Mba hahazoana ny tany an-tsokosoko dia rafetina ambony latabatra ny fitsirihana tokony hatao.
Rodanana ny trano mba handroahana
“Tetika handroahana anay hiala amin’ny trano mihitsy no tanjona tamin’ny fandrodanana”, hoy ny renim-pianakaviana mpiara-manofa ny trano tamin’ny zanaky Berthine nahazo ny tany tamin’ny alalan’ny “prescription acquisitive”. Ny fialan-dry zareo no ilaina na dia tsy nisy aza fampilazana fa ho rodanana ny trano. Nanamafy izany ny Lehiben’ny fokontany. Ny didim-pitondrana avy amin’ny kaominina ny fomba nandroahana ireo tokantrano mpanofa tao ambany. Voasoratra tao anatin’ny taratasy navoakan’ny CUA fa tandindomin-doza ireto fianakaviana ireto. Nidina teny amin’ny trano nisy azy ireo ny vaomiera avy ao amin’ny sampandraharaha misahana fahasalamana sy ny fahadiovana. Nohamafisin’ny Tale misahana izany, Dokotera Durand Derys Herivonona tamin’ny alalan’ny filazana fahalotoana laharana 009-CUA/M1/SG/DSH/SBMH.17 tamin’ny 17 aprily 2017 fa maloto ny manodidina ny trano ka atahorana ny fahasalaman’ireo fianakaviana. Ankoatra ny filazana fahalotoana dia tsy maintsy harodana ny trano noho ireto antony ireto : simba ny tafon-trano, feno triatra ny rindrina efatra, efa tsy azo ampiasaina intsony ny lava-piringa “fosse septique” sy ny lalan-drano.
Ho an’ny anatin’ny trano kosa dia efa lo ny hazo amin’ny tohatra, gorodona, miendaka ny valindrihana “plafond”, triatra ny rindrina sasantsasany, potika ny varavarambe sy ny varavarankely. Ampahatelon’ny vidin’ny trano anefa ny saran’ny fandrodanana araka ny fantatra. Iza ny tsaratsara kokoa mandrodana sa manatsara ny simba? Nambaran’ny sefo fokontany Fiadanana hatrany fa tsy nahazo taratasy fampilazana mialoha ny fandroahana ny fokontany. “Tsy maintsy mandefa taratasy fampilazana eny amin’ny fokontany ny manan-draharaha mikasa hanao fandroahana telo andro mialoha ny fandroahana .Tsy maintsy homena taratasy fampilazana ihany koa ny voakasiky ny fandroahana”.
“Adala izany ny fitsarana”
Rehefa nangataka fanampim-panazavana tamin’ireo zanak’i Berthine izahay dia fehezanteny iray tokana monja ny valintenin’izy ireo. “Matoa azonay ny tany, tsy adala ny fitsarana”. Raha nanamafy izany fanontaniana izany anefa izahay dia fahatezerana no setrin’izany. Nisy ny feo mandeha fa novarotana 12 miliara Ariary tamin’ny vahiny io tany eny Soanierana io. Nilaza anefa ny zanakavavin’i Berthine, Eliane HELINIRINA tao amin’ny vaovaon’ny Kolo TV ny 07 septambra 2017 fa “Tsy marina izany”.
Azo foanana
Nentina nanamorana ny famindran-tany amin’ny samy fianakaviana ny tena nanaovana ny “prescription acquisitive”. Niova izany taty aoriana satria ireo nipetraka 20 taona farafahakeliny tamin’ny tany vita titra ka nilaozan’ny tompony no afaka mangataka ny tany hifindra amin’ny anarany. Raha manana fifandraisana amin’ny tompon-tany izany ny mpangataka PA dia tsy afaka mahazo izany. Ireo mpibodo na ireo mipetraka amin’ny tany tsy nahazoana alalana tamin’ny tompony no mahazo ny tany raha mahafeno ny fepetra. Terena hanaraka ireo fepetra takina anefa ny fahazoana tany amin’ny alalan’ny PA mba hangalarana tany manan-tompo an-tsokosoko. Mba hisorohana ny ady tany ateraky ny PA dia miverina amin’ny fanjakana ny tany manan-tompo nilaozany 20 taona mihoatra ary ny fanjakana no manapa-kevitra ny olona tokony omena izany. Ao anatin’ny volavolan-dalàna haroso eny amin’ny Antenimierampirenena sy Antenimierandoholona izany. Mbola afaka mangataka fanafoanana ny titra azo avy amin’ny PA ny tompon-tany raha toa ka hita soritra ny kolikoly nahazoana ny tany. Am-polo taonany anefa vao antenaina hiverina amin’ny tompon-tany izany noho ny dingana maro tsy maintsy arahina eny amin’ny fitsarana.
Lynda Andriatsitonta/Nirina Rakotomiarintsoa
Nivoaka tamin’ny gazety boky Trandraka, laharana faha-02 (UNESCO-OJM)