Socio-eco

GSDM: Miantso ny fanjakana hamolavola paikadim-pirenena hanapariahana ny “agroécologie” manerana an’i Madagasikara


Teknikam-pambolena manampy ny tantsaha amin’ny fiatrehana ny fiovan’ny toetrandro ny “agoécologie” na fomba fambolena maharitra. Efa marobe ireo mpisehatra manaparitaka izany saingy tsy mbola ampy izany, araka ny fanazavan’i Razaka Mireille, tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny GSDM, fikambanana matihanina amin’ny “agroécologie, nandritra ny andro voalohan’ny FIER MADA, andiany faha-25, ny 7 aogositra 2024, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka.  Efa ho 20 taona mahery niseharana tamin’ny fomba fambolena maharitra sy fanapariahana izany ny GSDM.  Manao antso avo amin’ny fanjakana ny fikambanana mba tena hanohana sy handray fepetra azo tsapain-tanana hampiroboroboana sy hanapariahana ny “agroécologie” manerana an’i Madagasikara fa “tsy soratsoratana anaty politika” fotsiny ny resaka “agroécologie”. “Andry ho an’ny fampandrosoana ny toekarena ny sehatry ny fambolena. Mila ampifanarahana amin’ny fiovan’ny toetrandro ny sehatry ny fambolena. Adisisika sy angatahinay ny fanohanan’ny fanjakana ny fampiroboroboana ny agroécologie manerana ny Nosy. Efa maro ny mpisehatra samy manaparitaka izany any amin’ny faritra iasany fa  mbola tsy ampy izany. Andao asiana paikadim-pirenena mba ahafahana mampihatra azy. Ohatra, atao baiko midina na lalàna fa mila mampiasa ny teknika ohatran’izao ny tantsaha rehetra manerana an’i Madagasikara”, hoy hatrany ny tomponandraikitry ny seraseran’ny GSDM manaitra ny sain’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny sy ny manam-pahefana. Mandray anjara amin’ny FIER MADA, tsenabe natokana ho an’ny fihariana eny ambanivohitra ny GSDM. Sady manoro ny mpitsidika ireo  teknikam-pambolena maharitra no mampiranty sy mivarotra ireo masomboly ampiasaina amin’ny fanaovana voly rakotra, toy ny mucuna, stylosanthes… sy masomboly nohatsaraina  (vary, katsaka) ny fikambanana. Marihina fa teknika iray ao anatin’ny “agroécologie” ny fampiasana voly rakotra na fambolena zavamaitso mamerina ny tsiron’ny tany na mampalonaka ny tany. Ny alahady 11 aogositra 2024 vao hifarana ny FIER MADA.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *