Socio-eco

GILARDY TOTOZANDRY: Hitondra avo ny feon’ireo ankizy manana toe-tena varira sy manana fahesambanana


Voaantso ho mpiaro ny zon’ny ankizy sy tanora (Youth Advocate) miaraka amin’ny UNICEF Madagascar i Gilardy Totozandry, 20 taona. Efa niaro ny zon’ny ankizy manana toe-tena varira izy teo anivon’ny fiarahamonina. Nanomboka ny taona 2020 ny tenany no niara-dia tamin’ny  UNICEF Madagascar tamin’ny  fanohanana sy fanandratana avo ny feon’ny ankizy manana fahasembanana  sy miaina miaraka amin’ny “albinisme”. Nandray fitenenana voalohany i Giraldy nandritra fihaonambe TEDx ho an’ny ankizy, nokarakarain’ny UNICEF Madagascar, ho fanamarihana ny andro manerantany ho an’ny ankizy, ny taona 2020. Tamin’io fotoana io no nizarany ny lalana nodiaviny  amin’ny maha ankizy miaina ao anatin’ny toe-tena varira azy sy  nanaovany adisisika ho fiarovana ny zon’ireo olona mitovy tranga aminy. Nandray anjara tamin’ny fankalazana  ny faha-75 taonan’ny UNICEF, nandritra ny andro natokana ho an’ny fanentanana momba ny “albinisme” ihany koa  i Giraldy, ny taona 2022 ary tamin’izany no nanararaotany nanaovany adidisika  momba ny ankizy manana toe-tena varira. Vao tsy ela akory, ny volana janoary 2024, nandray fitenenana teo anoloan’ny filan-kevi-pitantanan’ny UNICEF izy.

Taorian’ny ezaka be dia be nataony teny anivon’ny fiarahamonina dia resy lahatra ny UNICEF Madagascar  fa tsy afaka misaraka aminy intsony ka natao an-taratasy ny fiarahamiasan’ny roa tonta. Notontosaina ny talata 23 aprily 2024 teny Ambodivona ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa ho fametrahana an’i Gilardy Totozandry ho Youth Advocate miaraka amin’ny UNICEF Madagascar. “Hitondra avo ny feon’ny ankizy sy ny tanora aho, hitondra ny feon’izy ireo eo anatrehan’izao tontolo izao, eo anivon’ny fiarahamonina  momba ny hafatra tian’izy ireo ampitaina. Vonona aho hiaro ny zon’ny ankizy manana toe-tena varira sy fahasembanana ary hitondra ny feon’izy ireo amin’ny manodidina ahy, eny anivon’ny sekoly sy ny fiarahamonina momba ny fisianay sy ny zo tokony ho sitrahanay satria olombelona ihany koa izahay”, hoy i Gilardy. Niara-nanao sonia taminy  ny Solontena maharitry ny UNICEF eto Madagasikara. Nilaza i Christine Jaulmes,  nandritra  ny fandraisam-pitenenany fa eto Madagasikara, tahaka ny any amin’ny firenen-kafa dia mbola iharan’ny fanilikilihana ny ankizy manana toe-tena varira  na fahasembanana. “Ny ankizy miaina miaraka amin’ny albinisme dia  manana zo, tahaka ny ankizy rehetra, hianatra, hisitraka tolotra ara-pahasalamana, hilalao miaraka amin’ny ankizy hafa. Mbola maro ny lalana ho diavina ary ho tohizana ny ady mba ho voahajan’ny rehetra ny zon’izy ireo”, hoy izy. Nanatrika ny lanonana fametrahana  an’i Gilardy ho Youth Advocate i Etleva Kadilli, Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritra Afrika Atsimo sy Atsinanana. Manantanteraka iraka eto Madagasikara izy nanomboka ny 20 aprily ka hatramin’ny 26 aprily 2024.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *