Socio-eco

GFEM: Manome tolotra manokana ho an’ny vehivavy mpandraharaha ny BOA


Mbola sakana ho an’ny fandraharahana eto amintsika ny fahasarotan’ny fitadiavana famatsiambola. Raha ny vehivavy mpandraharaha no resahana dia misedra olana izy ireo rehefa hindram-bola any banky. Nambaran’ny Filohan’ny GFEM, Razakaboana Fanja fa marobe ireo taratasy ilaina amin’ny findramambola eny amin’ny banky. Na dia voarafitra tsara aza ny mombamomba ny tetikasa dia tranga miverimberina, mahazo ireo vehivavy mpandraharaha mpikambana ao GFEM ny tsy fananana antoka ara-bola. Ho fanamorana ny fahazoan’ireo vehivavy mpandraharaha famatsiambola dia nohavaozina ny fiarahamiasa eo GFEM sy ny banky BOA.

Mandritra ny roa taona ny faharetany fiarahamiasa eo amin’ny roa tonta ka anjara biriky ho ho entin’ny BOA amin’ny fanampiana ireo vehivavy manana tetikasa ny fampianarana azy ireo fomba fitantanam-bola ary ny tena lehibe indrindra dia fanomezana tolotra manokana ho azy ireo amin’ny findramambola. Hanentana azy ireo hanokatra kaonty any amin’ny banky ihany koa ny tomponandraikitr’ity fivondronan’ny vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara, araka ny fanazavan’ny Filohan’ny GFEM nandritra ny fifanaovantsoniam- piarahamiasa, ny 3 jona 2019 lasa teo. Marihina fa manomboka androany 11 jona 2019 ny fihaonamben’ny vehivavy mpandraharaha manerana an’i Madagasikara, karakarain’ny GFEM.

Nirina R.


One comment on “GFEM: Manome tolotra manokana ho an’ny vehivavy mpandraharaha ny BOA

  1. Pingback: GFEM: Manome tolotra manokana ho an’ny vehivavy mpandraharaha ny BOA - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *