Socio-eco

FONDS YAVARHOUSSEN: Paka sary malagasy miisa enina hampahafantatra ny zava-misy eto Madagasikara any Arles – Frantsa


Hampiranty ireo sangan’asany any amin’ny Docks d’Arles – Frantsa ireo paka sary Malagasy miisa enina ny 19 jolay ka hatramin’ny 19 aogositra 2023. Entina hampahafantarana ny asan’ireo paka sary malagasy misehatra amin’ny fakana sary mitantara ny zava-misy iainan’ny mponina (photographie documentaire) ny tetikasa « From  A to A – Antananarivo to Arles ». Anisan’ireo paka sary mandray anjara amin’izany  i Henintsoa Rafalia, Miora Rajaoanary, Viviane Rakotoarivony, iAiko Randrianarivelo, Rijasolo  ary Chrisitan Sanna. Sary 50 isa ny fitambaran’ny sary harantin’izy ireo any amin’ity tanan-dehibe malaza amin’ny fampiroboroboana ny kanto ity. Miresaka momba ny halatr’omby any Atsimo, Sambatra any Mananjary,  Moraingy any Nosy Be, dihy ho an’ny vanim-potoana ankehitriny , ny lamba – fomba fitafy nentin-paharazana, ny haintany   ireo sangan’asa ireo.

Noho ny tsy fahampian’ny  enti-manan’ireo paka sary matihanina amin’ny fampahafantarana ny asan’ireo, ny tsy fisian’ny  toerana hanaovana fampirantiana ivelany ny renivohitra, ny tsy fahafantaran’ny besinimaro ny  « photographie documentaire » no nahatonga an’ i Rijasolo – paka sary sy  Marie Lelièvre – mpisehatra amin’ny fanontana sary namolavola ny tetikasa. Ireo zava-misy ireo ihany koa no mahatonga ny fahataran’ny  fahafantaran’ny olona ireo paka  sary sy ny fahataran’ny fivoaran’izy ireo. Manana tanjona lehibe ny tetikasa : hanohanana ireo paka sary eto Madagasikara izay misehatra amin’ny fampahafantarana ny fireneny. « Fotoana iray hampahafantarana ny asan’ireo paka sary malagasy amin’izao tontolo izao ny fampirantiana atao any Arles. Zava-dehibe ihany koa ity hetsika ity satria hanana fotoana hihaona amin’ireo paka sary iraisam-pirenena, hifampizara sy haka traikefa », hoy i Rijasolo, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanoa gazety, ny 23 jona 2023 teny Ambatonakanga. Hiantoka ny fandaniana amin’ny fandehanan’ireo paka sary any Frantsa ny Fonds Yavarhoussen. Nambaran’i Razafimandimby Vatosoa, tomponandraikitra ao amin’ny  Fonds fa noforonina ity sehatra iray ity noho ny fahatsapana fa andry lehibe ho an’ny fampandrosoana ny kolontsaina sy ny kanto. Nanomboka ny taona 2019, nandray anjara tamin’ny fampiroboroboana, fanohanana kolontsaina sy ny kanto eto Madagasikara ny Fonds. Izany indrindra no hanohanany ny fampirantiana From A to A satria anisany mampahafantatra an’i Madagasikara, amin’ny lafiny kanto, eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *