Socio-eco

FOARA VOATSE: Hitondra fanatsarana ny fiainan’ny mponina any Androy ny Airtel


Manana ny tanjaka ara-toekarena ny faritra Androy saingy saron’ny resaka kere. Ho fampahafantarana  izany sy hisarihana mpamatsy  vola dia mikarakara foara ny faritra Androy. Hotanterahana ny 04 ka hatramin’ny  07 oktobra 2023 ao an-tampon-tanànan’i Ambovombe Androy ny  foara VOATSE .  Mpanohana ofisialy ny hetsika ny Airtel. Ho fanatanterahana ny teny filamatra vaovao “mihoatra lavitra ny eritreretina” ny fanohanana ny foara. Maneho ny finiavana hitondra tosika ho an’ny faritra izay misedra olana amin’ny tsy fahampian’ny orana, mahatonga ny kere miverimberina. “ Manosika anay hanohana ireo dingana mitondra mankany amin’ny fampivoarana ny mpiara-belona ny soatoavina napetrakay:  “finiavana, fanajana ary firaisankina”. Vato fototra hitondra fisandratana ho an’ny faritra Androy ny fandraisanay anjara amin’ny foara VOATSE ary hanatsara fari-piainan’ny mponina”, hoy i Randrianarison Heritiana, Tale Jeneraly mpisolo toerana ao amin’ny Airtel Madagascar.  Nanamafy ihany koa izy fa fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana mitovy  ho fanamafisana ny fampiroboroboana ny toekarena sy fampihenana ny fahantrana.

Ankoatra ny fampahafantarana ny kolontsaina sy ny tantaran’ny faritra Androy dia hameno ny fandaharam-potoana ny varotra fampirantiana  momba ny vokatry fambolena, asa tanana ary fampahafantarana ireo tanjaka amin’ny lafiny fizahantany sy harena an-kibon’ny tany. Tsy adino ny fifaninanana sy fanentanana sy famelabelaran-kevitra hiresahana loha-hevitra miisa dimy ary fiofanana maimaimpoana. “ Mahatsapa ny faritra Androy fa manana ny lanjany ny toekarena eny ifotony. Ho fampahafantarana ny tanjaky ny faritra Androy , hisarihana mpamatsy vola no antony hikarakarana ny foara VOATSE”, hoy i Soja Lahimaro Tsimandilatse, Governoran’ny Faritra Androy. Hahazo vahana ny tanora amin’ity andiany ity satria natokana hiresahana momba ny “tanora sy fampiofanana arak’asa” ny andro voalohany.  Fotoana hampihaonana ny mpandraharaha ara-toekarena sy ny tantsaha ho famarotana ireo vokatra ny foara. Ho resahana mandritra ny adihevitra ny  “fiovam-pihetsika” mba hitondra fampandrosoana maharitra ny faritra sy ny fandraisan’anjara ny vehivavy amin’ny politikan’ny fampandrosoana ny faritra. Hanamora ny fifanakalozana ara-barotra mandritra ny efatra andro ny Airtel Money. Fomba mahomby sy azo antoka sady mety tsara amin’ireo tsy manana kaonty any amin’ny banky ny fampiasana azy ity.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *