Socio-eco

FIKAROHANA MOMBA NY HAIKANTO: Mpianatra malagasy no nahazo ny vatsi-pikarohana Yavarhoussen


Lasan’ny mpianatra malagasy indray ny vatsi-pikarohana Yavarhoussen andiany fahatelo. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny alakamisy 20 jolay 2023, teny amin’ny Hakanto Contemporary ny anaran’ny kandida mendrika indrindra. Razafinorovelo Tsiory Hasinjanahary no nosafidian’ny mpitsara hahazo ny vatsi-pikarohana Yavarhoussen 2023. Ny tantaran’ny hosodoko  taorian’ny fahazoana ny fahaleovantena (1960-1972) sy ny anjara asan’ny Centre Culturel Albert Camus ny tohan-kevitra no nentiny nandresena lahatra ny mpitsara. Vatsi-pikarohana mitentina 1000 euros isam-bolana sy 5000 euros ny tohana azony hanatantarehany ny fikarohana. Herintaona ny faharetan’ny vatsi-pikarohana. Mpianatra miisa valo (08), ny telo (03) avy eto Madagasikara ary ny ambiny avy any Frantsa, Royaume-Uni ary Comores  no nandray anjara tamin’ity taona ity. « Nitombo ny isan’ny kandida tamin’ity andiany fahatelo ity. Midika izany fa mahaliana ny mpianatra, ny mpikaroka ny kolontsaina fa indrindra ny haikanto Malagasy », hoy i Rasoarifetra Bako, mpikaroka eo anivon’ny « Institut de Civilisations, Musée d’Art et d’Archéologie » an’ny Oniversite an’Antananarivo. Nambarany ihany koa fa mbola banga be eo amin’ny tantaran’ny kanto malagasy ny tantaran’ny hosodoko.

Anisan’ireo mpitsara tamin’ny vatsi-pikarohana izy ary nilaza fa alalin’ny lohahevitra  – mitondra inona ho an’ny haikanto eto Madagasikara ny lohahevitra noraisiny, ny fandaharan’asa, ny fomba nanehoana ny tohan-kevitra, ny mombamomba ny kandida no masontsivana nisafidianana  ny kandida mendrika indrindra. Ankoatra azy dia tao anatin’ny mpitsara ramatoa  Marian Nur Goni, « maîtresse de conférences Université PARIS 8  Vincennes – Saint-Denis, co-responsable du master ‘Art contemporain et sciences humaines », Andriamatoa Alexandre Girard-Muscagorry, « conservateur du patrimoine, commissaire d’exposition, Chargé des collections d’Afrique, d’Asie, d’Océanie et des Amériques Cité de la musique, Paris », Ramatoa Juliette Trey, « conservateur en chef du Patrimoine, directrice adjointe du Département des études et de la recherche (DER) »  ao amin’ny « Institut national d’histoire de l’art » na INHA ary   Andriamatoa Hasnaine Yavarhoussen, Filohan’ny Fonds Yavarhoussen.

Ny Fonds Yavarhoussen no namorona ny vatsi-pikarohana tamin’ny 2021. Ho fampahafantarana ny kolontsaina sy ny harembakoka tamin’ireo taonjato roa nifanesy sy izay tsy fantatry ny olona amin’izao fotoana izao no antom-pisiany. « Miara-miasa ny Fonds Yavarhoussen sy ny INHA ho fanohanana ny asa fikarohana  sy ho fampahafantarana izany ho fampiroboroboana ny harembakoka eto Madagasiakara », hoy Razafimandimby Vatosoa, Tomponandraikitra eo anivon’ny  Fonds Yavarhoussen. Ho an’ny andiany voalohany, natolotra ho an’i Tsiriniaina Hajatiana Irimboangy ny vatsi-pikarohana. “Ny lamba, fitafy nentim-paharazana sy ny fitafy  vokarina amin’ny indostria” ny fikarohana nataony. Lasan’i Alice Weil tamin’ny alalan’ny  fikarohana momba ny taotrano Zafimaniry kosa ny vatsi-pikarohana 2022.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *