politique

FIFIDIANANA KAOMINALY: Tsy tonga dia lany filankevitra raha tsy lany ben’ny tanàna


Ny 11 desambra 2024 no daty voatondro hanaovana ny fifidianana kaominaly sy ny monisipaly. Miaraka fidiana ny ben’ny tanàna sy filankevitra amin’io fotoana io ka ny ben’ny tanàna no loha lisitra. Manana ny mampiavaka azy ity fifidianana ity satria raha tsy lany ben’ny tanàna dia tsy  tonga dia ho lany ho mpikambana filankevitra, araka ny fanazavan’i Dama Arsène, Filohan’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI). Tamin’ny fifidianana teo aloha mantsy dia  lasa mpikambana anaty filankevitra  avy hatrany ny kandida ben’ny tanàna raha tsy lany. Nitondra fanazavana momba ny tetiandrom-pifidianana ihany koa ny CENI ny 14 aogositra 2024, teny amin’ny foiben-teorany, teny  Alarobia. Nanamafy ny Filohan’ny CENI fa “ny datin’ny faha-11 desambra 2024 izay natolotry ny CENI  hanatanterahana ny fifidianana kaominaly dia mifanaraka amin’ny zava-misy ara-politika eto Madagasikara ary efa nangatahana ny hevitr’ireo ambaratongam-pitsarana mahefa”. Ny “avis” izay navoakan’ny Filan-kevi-panjakana ny 30 jolay 2024 dia manamafy izay efa navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC)  ny 25 janoary 2024 (l’avis n°01-hcc/av). Taorian’izay, naka didim-panjakana momba ny fifidianana kaominaly ny governemanta., raha ny fampitam-baovao hatrany.  “Raha misy ny rivodoza, tsy ahafahana manao ny fifidianana, amin’izay fotoana izay, dia mitodika amin’ny fitsarana mahefa, Filan-kevi-panjakana izahay, mampahafantatra fa misy antony tsy azo anoharana. Rehefa tena hita fa tsy hisy ny fifidianana dia tsy maintsy hamoaka ny fanapahany ny Filan-kevi-panjakana amin’izay fotoana izay. Tsy maintsy manaraka izay dingana izay izahay CENI”, hoy i Dama Arsène namaly ny fanontanian’ny mpanao  momba ny mety  hisian’ny rivo-doza mandritra ny androm-pifidianana.

Manomboka 5 septambra 2024  ka hatramin’ny 19 septambra 2024 ny fametrahana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana ho an’ny fifidianana ben’ny tanàna sy filankevitra.  Hivoaka ny 12 oktobra 2024 raha tara indrindra ny famoahana ny lisitra sy toerana misy ireo  fandatsaham-bato. Hisokatra ny 19 novambra 2024 ary hifarana ny 9 desambra 2024 ny vanim-potoanan’ny fifidianana. Ho vinavinaina  ho avoaka ny 24 desambra raha tara indrindra ny vokatra vonjimaika manerana ireo faritrany, araka ny tetiandrom-pifidianana navoakan’ny CENI.  Ho fanatsarana ny kalitaon’ny fifidianana dia efa miroso amin’ny fanofanana an-tanan-tohatra ho an’ireo mpikambana amin’ny rantsana mpandray ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana amin’ity herinandro ity. Hisy ihany koa ny sehatra  hizaram-baovao amin’ireo mpiantsehatra rehetra amin’ny fifidianana, hatao ny 28 aogositra 2024 ny eto Antananarivo ary 30 aogositra ny eny anivon’ny faritany. Toy ny natao tamin’ireo fifidianana teo aloha, hatonta any ivelany ny bileta tokana. Ny lisitry ny mpifidy nofaranana tanteraka ny 15 mey 2024 kosa no ampisaina amin’ny fifidianana kaominaly ho avy izao.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *