Socio-eco

FIDIRAN’NY MPIANATRA: Nitondra fanampiana ho an’ny mpianatra, ray aman-drenin’ny mpianatra sy mpampianatra miisa 600 ny fikambanana Porte Bonheur


Teny amin’ny EPP Mahatsinjo Alasora indray ny fikambanana Porte Bonheur no nizara hafaliana sy hasambarana. Nanolotra fanomezana ho an’ny mpianatra sy ray aman-drenin’ny mpianatra ary mpampianatra manodidina ny 600 ny fikambanana, ny 25 septambra 2024. Nomena “gourde” sy “biscuit” ireo mpianatra amin’ny akany fibeazana (prescolaire) ka hatramin’ny taona fahatelo (T3). “Trousse” ahitana penina misy loko efatra karazany, “crayon” ary “gomme miampy “biscuit” ny an’ny mpianatra taona fahaefatra (T4) sy fahadimy (T5). Ray aman-dreny miisa 350 ihany koa no nahazo “panier garni” ahitana “macaroni” sy sira ary menaka. Tsy diso anjara ireo mpampianatra fa notoloran’ny fikambanana “panier garni” mitovy ny an’ny ray aman-dreny fa niampy “sardine” kosa ny tao anatiny.  Fikambanam-behivavy mpanao asa soa ny Porte Bonheur. Eny amin’ny kaominina Alasora no hanatanterahany  izany.  Anisany mahazo tombontsoa amin’ny asa sosialy ataony ireo EPP rehetra eny Alasora. “EPP maro eto anivon’ny kaominina Alasora no efa voatetin’ny fikambanana. Tsy mbola nisitraka ny asa sosialy ny EPP  Mahatsinjo ka izany no hahatongavanay eto. Eo amin’ny EPP roa na telo eo sisa no tsy nandalovanay ka irariana ho voatety amin’ity taona ity izany. Mitondra ny anjara birikinay amin’ny fanamaivanana ny fahasahiranan’ny mpiarabelona no tanjonay”, hoy i Razaka Mireille, Filohan’ny Porte Bonheur.

 Nambarany fa aorian’ny hetsika fampitaovana ny mpianatra dia hiroso amin’ny fanomanana ny asa sosialy “Noely mizara” indray ny fikambanana. “Hijery sekoly hafa indray izahay  ho an’ny ankatoky ny noely, hizara fifaliana sy hasambarana ho an’ny ankizy, mpampianatra, ray aman-dreny ”, hoy izy nilaza ny tohiny ny hetsika ho ataon’ny fikambanana. Nanamafy ireo  ray aman-drenin’ny mpianatra tao amin’ny EPP Mahatsinjo fa tena niakatra ny vidin’ny fitaovam-pianarana  ka anisany manala fahasahiranana sy nitondra hafaliana ho azy ireo ny fanomezana nomen’ny fikambanana. “Nitondra hafaliam-po ny nahazoanay fanomezana ho an’ny ankizy. Misaotra ny fikambanana mitondra fanomezana ho an’ny ankizy sy ray aman-dreny fa manala fahasahiranana ho anay ray aman-dreny”, hoy i Soanirina Marie Emma, manana zanaka roa miaantra ao amin’ny EPP Mahatsinjo. Anisany ny asa ho sahanin’ny fikambanana ihany koa ny fanampiana ny reny, indrindra ny lafiny fahasalaman’ny reny bevohoka.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *