Socio-eco

FETIM-PIRENENA MALAGASY: Ankizy 2.000 nahazo kilalao, sakafo ary boky avy amin’ny Orange Madagascar


Nanokana hetsika iray antsoina hoe “andro natokana ho an’ny firaisan-kina” ny Orange Madagascar sy ny Orange Solidarité Madagascar ho fanamarihana ny iray volan’ny ankizy sy ny fankalazana ny fetim-pirenena malagasy. Ankizy 2.000 mahery no notoloran’ny orinasa sy ny fikambanana harona misy kilalao, arendrina, sakafo ilaina amin’ny fiainana andavanandro (PPN), sakafo be otrikaina  ary boky mitantara angano. Niara-niasa tamin’ny ministeran’ny mponina, ny kaominina Antananarivo Renivohitra ary fikambanana misehatra amin’ny sosialy ny Orange tamin’ny fanatanterahana ny hetsika. Nandritra ny herinandro no nanaovana izany ary tsy nijanona teto Antananarivo ihany ny fizarana fa nisy ihany koa tany amin’ireo faritra 13 eto Madagasikara. Ankoatra ireo ankizy sahirana, anisany niara-paly tamin’ny orinasa sy ny fikambanana ireo zaza marary eny amin’ny hopitalin-jazakely miisa efatra. Nofaranana teny amin’ny lapan’ny Tanana Analakely, ny 23 jona 2023 ny “andro natokana ho an’ny firaisan-kina” ka ireo ankizy avy eny fokontany Ambohidratrimo sy Ankorondrano no nomena ireo vatsy voalaza etsy ambony. Natolotra tamin’io fotoana io ny lokan’ireo mpandresy tamin’ny  WikiChallenge 2023, fifaninanana manoratra lahatsoratra miresaka ny fiainana andavanandron’ny mponina.  Ny EPP Behenjy, tamin’ny alalan’ny lahatsoratra miresaka an’Ikopa, no nandrombaka ny loka iraisam-pirenena. Lelavola mitentina 5.000 euros, hividianana fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatra ny loka azony, toy ny kitapo, kahie, ary solosaina. Ho an’ny fifaninanana nasionaly indray dia ny sekoly ambaratonga fototra sy faharoa Antanety, nanoratra momba ny “tarondron’i Parson” no nandrombaka ny 2.500 euros. “Amin’ny maha orinasa tomponandraikitra ny Orange dia mamaly ny filan’ny fiarahamonina sy ny mponina , indrinra ho an’ny ankizy, amin’ny alalan’ny firaisan-kina ny orinasa”, hoy Arson Benja, Filohan’ny Orange Solidarité  Madagascar. Tsiahivina fa nikarakara atrikasa momba ny “supercodeurs”, natao ho an’ny ankizy raisin’ireo ivon-toerana sahanin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny ministeran’ny mponina, ny fikambanana mampivondrona ireo mpiasa mpilatsaka an-tsitrapo ao amin’ny Orange nandritra ny volana jona. Tsy adino ihany koa ny hetsika fanentanana momba ny zon’ny ankizy, ny fizaham-pahasalamana.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *