Socio-eco

FARITRA MELAKY, BOENY, DIANA : Mihaino ny hetahetan’ny mponina sy ny mpandraharaha ara-toekarena ny Orange Madagascar


Voavaly sahady ny fangatahana.  Nitsidika ny faritra Melaky, Boeny ary Diana ny delegasionan’ny Orange Madagascar, notarihin’i Frédéric Debord, Tale Jeneralin’ny orinasa, ny herinandro lasa teo.  Nihaona  tamin’ireo manam-pahefana ao an-toerana, mpandraharaha ara-toekarena sy ny mponina izy ireo. Ho fanangonana mivantana ny filàn’izy ireo mba ahafahana mitondra vahaolana mifanaraka amin’izany ho an’ny fampiroboroboana ny sehatr’asan’izy ireo sy manome tolotra tsara kalitao ho azy ireo no zava-kendrena.  Lohahevitra noresahana nandritra ny fandalovan’ny Tale Jeneralin’ny Orange tao Mahajanga ohatra ny fanatsarana ny « réseau ». Nohatsaraina izany satria tena nandrasan’ireo mpandraharaha ao amin’ny faritra Boeny. Nanazava ihany koa i Frédéric Debord tamin’ny fivoriana natrehany tao Mahajanga, ny alin’ny 21 febroary 2024 sy tany Ambilobe, ny alin’ny 22 febroary 2024 fa ao anatin’ny vinan’ny orinasa ny fanohanana an’i Madagasikara amin’ny fampiasana ny nomerika. « Eto izahay mihaino sy miara-mijery ny vahaolana mba ho fanamorana ny fiainana andavanandro », hoy izy.

Tosika ho an’ny kolontsaina sy sosialy

Miara-miasa akaiky amin’ny kaominina renivohitr’ i Mahajanga  ny orinasa Orange amin’ny fanaingoana ny tanàna. Tafiditra ao anatin’ny fanampiana ara-tsosialy ataon’ny orinasa amin’ny kaominina izany.  Rindrina mirefy 2500 metatra toradroa no naverina nolokoina, sezam-pokonolona miisa 50 no nohavaozina ary toerana miisa telo ao an-drenivohitra no nohatsaraina.

Manohana  ny kaominina amin’ny lafiny ara-kolontsaina ihany koa ny orinasa noho ny fiarahamiasa amin’ny “Alliance française” ao Mahajanga. Ho fampiroboroboana ny harena ara-javakanto ao Boeny no tanjona. Efa mandeha ihany koa ny tetikasa momba ny fanabeazana iarahana amin’ny oniversite ao an-toerana.

Nisokatra ny masoivoho  vaolohany an’ny Orange ao Maintirano

Notokanana, ny 20 febroary 2024, nandritra ny fandalovan’ny Tale Jeneralin’ny Orange tao amin’ny faritra Melaky ny masoivoho voalohany an’ny Orange ao Maintirano. Amin’ny velarantany mirefy 66 metatra toradoro no misy azy ary ao an-drenivohitra, akaikin’ny tsena sy biraom-panjakana. “Mampiseho ny fanatonana ny mpanjifa sy ny famaliana ny  hetahetany  ity masoivoho vaovao ity. Ahafahan’ny rehetra misitraka ny nomerika ihany koa ny fisiany”, hoy Frédéric Debord. Tohiny ny fitsidiham-paritra efa nataon’ny orinasa tao anatin’ny taona maro  ny fandalovana tao amin’ireto faritra telo ireto.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *