Socio-eco

FANDROANA ANDRIAKA – VATOMASINA VOHIPENO: Hampahafantarina mandritra ny 2 andro eny amin’ny zaridainan’Antaninarenina


Hahazoana tsodrano sy fitahiana. Mikarakara hetsika fampirantiana sy hetsika fitadiavam-bola ny Fikambanana Tsiky Kely d’Emmy sy ny fikambanana Fizanakara ny 14 sy 15 oktobra 2023, eny amin’ny zaridainan’Antaninarenina ho fanomanana ny Fandroana Andriaka 2023. Hampahafantarina mandrita ny roa andro ny fomba atao mandritra ny Fandroana Andriaka, ireo kolontsaina mampiavaka ny foko Antemoro Anakara toy ny fomba fitafy, forazaza, rary, sorabe, papier Antemoro… Ankoatra ny fampirantiana dia hisy ny famelabelaran-kevitra momba ny Sorabe, ny « papier Antemoro ». Ny tena zava-dehibe, hanome tsodrano ho an’ireo mpitsidika ny Randriambe. Nitondra rano masina avy any Mahazomora ihany  koa izy ireo ka afaka mahazo izany izay mila. Raha hazavaina amin’ny fomba tsotra dia rano masina ampiasaina hangatahana ny soa sy ny tsara ny rano masin’i Mahazomora. Tsy misy ny vidim-pidirana eny amin’ny zaridainan’Antaninarenina fa ny alim-pandihizana atao ny 14 oktobra no handoavam-bola.

Fomba Antemoro Anakara avy ao Vatomasina Vohipeno ny Fandroana Andriaka. Fotoana hibebahana, hidiovana, hahazoana tsodrano sy hangataham-pitahiana ny fetin’ny volana Asimbola. Isaky ny volana desambra no hanatanterahana izany fa ny Katibo no mamaritra ny tena daty, araka ny fiodin’ny volana sy masoandro. “Fanararaotana fibebahana, hiatrehana ny taona vaovao ny Fandroana Andriaka”, araka ny fanazavan’i Tsara Tsiry Dominique, mpirakitra ny soradrazana, mandala ny sorabe. Ny “lagnana” no lohahevitra noraisina hanamarihana ny Fandroana Andriaka 2023. Fitaovana fakàna rano taloha ny lagnana. “Tsy nampiasa plastika ny olona taloha fa io fitaovana io no nampiasaina. Noho izany, miaro ny tontolo iainana ny fampiasana lagnana”, hoy i Rasoavololona Nicole, Filohan’ny fikambanana Tsiky Kely d’Emmy, ao anatin’ny komity mpanomana ny Fandroana Andriaka. Nambarany ihany koa fa fomban-drazana tsy afa-misaraka amin’ny fizahantany ny Fandroana Andriaka. Hamoronana asa ho an’ny olona ao an-toerana sy  hampahafantarana ny fomba Antemoro Anakara no tena tanjona amin’ny fikarakarana ny Fandroana Andriaka. Ny 15 ka hatramin’ny 18 desambra 2022 no nanatanterahana izany tamin’ny taona lasa. Mpivahiny 4000 no nidio teny amin’ny ranomasina. 6000 ny fitambaran’ny mpivahiny nandray anjara tamin’ny fomba, nandritra ny efatra andro, tao Ampantrangelagna Vatomasina Vohipeno. Anarivony no nahazo tsodrano ka maro tamin’ireo no tanteraka.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *