Socio-eco

FANDRINDRANA FIAINAM-PIANAKAVIANA: Anisany vahaolana ialana amin’ny fahantrana


Ramatoa 30 taona, manana zanaka dimy (5) mianadahy, milahatra miaraka amin’ny zanany telo, vavikely telo (3) taona sy roalahy, 2 taona sy enim-bolana, eo eo amin’ny kianja filalaovam-baolina iray ao amin’ny fokontany Anosizato Atsinanana fa hanao fandrindram-piterahana. Nanao fanentanana momba ny fanabeazana aizana, teny amin’ny fokontany misy azy ny mpanentana ara-pahasalamana, ny 22 jolay 2024.  Resy lahatra izy fa hanao izany. Nanatona teny an-toerana mihitsy ireo mpiasan’ny fahasalamana tamin’io fotoana io ka nandray avy hatrany ireo vehivavy vonona hanao izany. « Tsy te hiteraka intsony ao aloha fa tena tsy vitako ny mamelona ny zanako. Na ny sakafo hohaninanay aza zara raha mahita. Ny zanako lahimatoa sy vavimatoa aza nijanona tsy nianatra, 10 taona ny lahy ary 8 taona ny vavy. Sasa-lamba no asako. Ny vadiko mandalondalo eo ihany  dia izay no nanapahako hevitra ny hanao fanabeazana aizana. Izao aza tsy nahalala hoe bevohoka raha tsy efa enim-bolana tao an-kibo ny zanako farany », hoy izy. Tsy nanaiky nitonona anarana ny tenany satria tsy niresaka tamin’ny vadiny amin’izao fanapahan-kevitra noraisiny izao. Nisafidy nanao fanabeazana aizana ihany koa i Vasty, tamin’io fotoana io, tovavavy 18 taona, mbola mpitovo. « Mba isorohana amin’ny vohoka tsy iriana no nahatonga ahy hanao fanabeazana aiza », araka ny fanazavany.

fanentanana ireo vehivavy hanao fandrindrana fiainam-pianakaviana

fanentanana ireo vehivavy hanao fandrindrana fiainam-pianakaviana

Nisy ny hetsika fanentanana ireo vehivavy hanao fandrindrana fiainam-pianakaviana nokarakarain’ireo lehiben’ny fokontany niaraka tamin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, tamin’ny alalan’ny tobim-pahasalamana CSBII Mahamasina momba ny fandrindram-piterahana, ho an’ny boriborintany fahaefatra. Fokontany 21 no hanaovana izany ka anjaran’ny fokontany Anosizato Atsinanana ny 22 jolay 2024. Ireo vehivavy teny amin’ny faritra ahitana olona sahiram-pivelomana no tena nanaovana fanentanana. « Tafiditra ao anatin’ireo boriborintany tsy mampandroso firenena ny boriborintany fahaefatra  satria lasa fialamboly ilay miteraka ho an’ireo fianakaviana tena sahirana. Lasa olana goavana ilay tsy fahalalana. Lehilahy tsy mikarama, mety hoe bogosy na matanjaka dia miteraka etsy sy eroa, mety manambady efatra na dimy, miteraka fito na valo,  ataony fialamboly ny fanaovana firaisana ara-nofo.  Lasa mamotika firenena izany satria tsy mamelona an’ireo vady aman-janany izy ireo fa lasa ilay vehivavy no mitady izay fomba hamelomana ireo zanany. Ireo lehilahy tsy mahavelom-bady, miteratera-poana no manimba firenena. Mahatsapa izahay Sefo fokontany fa betsaka ny reny tokan-tena vokatr’izany ary ety amin’ny faritra iva no tena ahitana izany », hoy i Rafanomezantsoa Jean Nirina, Lehiben’ny fokontany Anosizato Atsinanana, nanazava ny zava-misy eny amin’ny fokontany misy azy sy ny antony hanaovana fanentanana momba ny fandrindram-piterahana eny amin’ireo fokontany ahitana olona sahirana. Araka ny antontanisa navoakan’ny MICS ( Multiple Indicator Cluster Survey ) tamin’ny taona 2018, 18 % ny lehilahy sy vehivavy 15 taona ka hatramin’ny 24 taona  dia manana sakaiza maro na manao fiaraisana ara-nofo amin’ny olona maro, ny 12 volana farany, talohan’ny nivoahan’ny fanadihadiana.  Namoaka antontan’isa ihany koa  ny «Action Education» ny taona 2020 fa 32 isan-jaton’ny tovovavy 15 taona ka hatramin’ny 19 taona dia manan-janaka iray farafahakeliny.

Nanomboka ny taona 1978 ka hatramin’izao, manohana ny fanjakana malagasy amin’ny  fampiroboroboana ny fahasalamana ara-pananahana  ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny mponina  (UNFPA), ao anatin’izany  fanomezana tohana ahafahan’ny vehivavy sy lehilahy misitraka tolotra momba ny fandrindram-piterahana satria  manana zo hisafidy  malalaka ny fotoana hanorenany fianakaviana sy ny isan’ny zaza ateraka ny tsirairay. Anisany fomba voalohany isorohana ny vohoka  tsy iriana sy fahasarotam-piterahana ary  fahafatesan’ny reny eo am-piterahana  rahateo ny fanabeazana aizana.  Manome  ny  95 % ny fomba fanabeazana aizana maoderina an’ny sehatra miankina amin’ny fanjakana ny UNFPA.

Fanabeazana ara-pananahana feno

Dr Chilanga Asmani, mpanolontsainam-paritry ny UNFPA ao Afrika Andrefana sy Afovoany momba ny fandaharan’asa sy politika momba ny fahasalamana ara-pananahana sy fandrindram-piterahana

Dr Chilanga Asmani, mpanolontsainam-paritry ny UNFPA ao Afrika Andrefana sy Afovoany momba ny fandaharan’asa sy politika momba ny fahasalamana ara-pananahana sy fandrindram-piterahana

Raha te hiahy ny fahasalamana ara-pananahan’ny  mponina dia tafiditra ao anatiny ny fanabeazana ara-pananahana feno (ECS), ny tolotra rehetra momba ny fandrindram-piterahana, fandraisana an-tanana ny reny mitondra vohoka mialoha sy aorian’ny fiterahana, ny fiterahana amin’ny fomba azo antoka, ny fitsaboana vonjimaika, ny tolotra momba ny fampitsaharana vohoka azo antoka, ao anatiny ny fitsaboana raha misy fahasarotana, ny fitsaboana ireo marary noho fampitsaharana vohoka  natao tamin’ny fomba tsy azo antoka , ny servisy misahana ny antontam-baovao momba ny fisorohana sy fitsaboana ny aretina avy amin’ny firaisana ara-nofo, ny homamiadana momba ny fananahana sy ny herisetra  mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy ary resaka fahamombana, ny antotam-baovao sy tolotra momba ny fiainantsoa sy ny fandrindram-piterahana, araka ny fanazavan’i  Dr Chilanga Asmani, mpanolontsainam-paritry ny UNFPA ao  Afrika Andrefana sy Afovoany momba ny fandaharan’asa  sy politika momba ny fahasalamana ara-pananahana sy fandrindram-piterahana, nandritra ny fivoriana ampitain-davitra (webinaire), nokarakarain’ny Tambazotran’ny orinasan-tserasera eto Afrika ho an’ny fampiroboroboana ny fahasalamana sy ny tontolo iainana (REMAPSEN) niaraka tamin’ny Tahirim-bolan’ny firenena mikambana ho an’ny mponina (UNFPA), ny 22 mey 2024 lasa teo. Aiza ho aiza isika izao amin’ny fankatoavana sy fampiharana ny lalàna momba ny fahasalamana ara-pananahana sy fandrindram-piterahana (SR/PF) eto Afrika ?

Tsy feno ny fepetra ilazana fa « éducation complète à la sexualité »(ECS)

Forum Génération Egalité (FGE)

Forum Génération Egalité (FGE)

Voarara ny mitondra fitaovana mivoy ny fampiasana fomba fanabeazana aizana, ao anatiny ny kapaoty, hanaovana fampianarana  eny anivon’ny sekoly, manomboka any amin’ny akany fibeazana ka hatrany amin’ny kilasy famaranana, araka ny  naoty navoakan’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena  momba ny sahan’asa atao amin’ny lafiny fanabeazana ho an’ny fiainana mirindra (EVH) na ny  fanabeazana ara-pananahana feno (ECS)  atao eny an-tsekoly,  ny 7 novambra 2023 (2023 -862/MEN/SG). Ny fanabeazana ara-pananahana dia tokony mifanaraka  ny lalan-tsaina vohizin’ny  Ministera,  ao anatin’izany « tsy fanaovana » na « abstinence » ho fiantohana ny fanohizan’ny mpianatra ny fianarany. Tsy famongorana ny fitondrana vohoka eny anivon’ny sekoly ihany no anton’izany fa iadiana amin’ny areti-mifindra ara-pananahana toy ny VIH/SIDA, ny fanabeazana ny tsirairay ho tomponandraikitra amin’ny ho aviny tsara kokoa  sy ho an’ny hafa. Nanambara anefa ny mpikambana eo anivon’ny Forum Génération Egalité (FGE), fivondronana iraisam-pirenena ho an’ny fitoviana eo amin’ny  lahy sy  ny vavy, natsangan’ny ONU, miara-miasa amin’ny firaisamonim-pirenena fa ampianarina ao anatin’ny ECS ny fomba « ABCDE » na tsy fanaovana na « abstinence » (A), ny  fanajana ny olontiana na « bonne fidélité » (B),  ny fampiasana kapaoty na condom (C), ny fanaovana fitiliana na dépistage (D) ary ny fanabeazana na éducation (E). « Tsy maintsy mila hita anatin’ny fanabeazana ara-pananahana feno ireo singa ireo vao afaka miteny ho misy ny ECS. Tsy fanabeazana ara-pananahana feno rehefa tsy misy an’ireo antontam-baovao voalaza eo ambony ireo », hoy i Raparaoelina Tendry, mpikambana ao amin’ny FGE. Nanamafy ihany koa i Raveloarinanja Dominique, mpikambana ao main’ny FGE hatrany fa zava-dehibe ny fanaovana an’io ECS io any an-tsekoly satria « ny olombelona dia misy vatana, misy fivelarana hafa. Eo ny faniriana amin’ny maha tanora, ny fiainam-pitiavana ka io indrindra no ilaina ny fanabeazana ara-pananahana feno satria ireo tanora ireo tsy ho voafehintsika  amin’izay fiainana maha olona azy, maha tanora azy.  Ny fanabeazana no fomba iray manaraka azy sy mamehy azy, manome fenitra ho an’ny fiainana amin’ny maha tanora azy, tia handrakandrana. Raha voafehiny ny ECS dia tsy hihoam-pefy amin’ny fiainana manimba ny ho aviny sy manimba ny fianarany izy. Nilaza ihany koa izy fa mihamaro ny tanora voan’ny areti-mifindra ara-pananahana. Miha maro ny tanora no tsy mahavita ny fianarana hatrany amin’ny oniversite, indrindra ny vehivavy noho ny fitondrana vohoka aloha loatra na noho ny aretina ». Noho ny tsy fisian’ny fanabeazana ara-pananahana feno no mahatonga  izany. Tsy mijanona amin’ny fanabeazana ara-pananahana ihany anafa ny resaka fananana fa eo indrindra indrindra ny fahasalamana ara-pananana.

Zo sy fahasalamana ara-pananahana

Ratsimba Andriamiravaka, tomponandraikitry ny ODAS (Organisation pour le dialogue pour l’avortement sécurisé) eto Madagasikara

Ratsimba Andriamiravaka, tomponandraikitry ny ODAS (Organisation pour le dialogue pour l’avortement sécurisé) eto Madagasikara

Nanome tolo-kevitra  momba   ny zo,  ny fahasalamana ara-pananahana, ny fitovian-jo amin’ny maha lahy sy maha vavy, ny fanabeazana, ny  fiovan’ny toetrandro ary ny filaminana ireo tanora nanatrika ny dinika iraisam-pirenena natao tany Cotonou Bénin, ny 4 sy 5 Aprily  2024.  Tolo-kevitra  momba ny zo sy fahasalamana ara-pananahana (DSSR), ohatra, ny  fangatahan’izy ireo amin’ny fanjakana mba handany  ireo lalàna manamora ny fisitrahana ny tolotra  momba ny fahasalamana ara-pananahana sy hamorona fehezan-dalàna ahafahana miady amin’ny  herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy.  Amin’ny lafiny fanabeazana, nanolo-kevitra ireo mpandray anjara tany Cotonou  mba ho maimaim-poana  ny fanabeazana  ho an’ny tanora rehetra, indrindra any amin’ireo toerana lavitr’andriana. Mangataka ihany koa izy ireo  mba ho atao dieny any an-tsekoly  sy ivelany ny sekoly ny   fanabeazana ara-pananahana ; ovaina ny rafi-pampianarana mba ialàna amin’ny tsy fitoviana amin’ny maha lahy sy ny maha vavy, eny anivon’ny sekoly sy ny fiarahamonina ; ampidirina ao anaty fanabeazana ny resaka fahasalaman’ny saina. Nikarakara ity fivoriana iraisam-pirenena  ity ny tahirim-bolan’ny firenena mikambana ho an’ny mponina (UNFPA) ho fanamarihana ny faha-30 taonan’ny fivoriambe iraisam-pirenena  momba ny mponina sy ny fampandrosoana (ICPD). Nanana solontena  nanatrika izany i Madagasikara, i Ratsimba Andriamiravaka sy Ravelomahafaly Andriamihaja Guénolé.

Voaresaka nandritra ny fivoriana tany Bénin ihany koa fa i Pays- Bas no firenena  ahitana taha ambany indrindra momba ny  fampitsaharana vohoka noho ny antony ara-pahasalamana (ITG). « Tsy maintsy  ampianarina dieny  any amin’ny sekoly ambaratonga fototra ny fanabeazana feno momba ny fananahana ara-pahasalamana. Mbola kely ny ankizy dia efa mahafantatra  ny mombamomba ny tenany, ny fahasalamana ara-pananahana, mahay mitandrina , mahay ny tokony atao sy ny tsy tokony atao ka tsy tonga amin’izany vohoka tsy niriana sy fanalan-jaza izany. Azontsika hangalana hevitra izany », hoy i Ratsimba Andriamiravaka, tomponandraikitry ny  ODAS (Organisation  pour le dialogue  pour l’avortement sécurisé) eto Madagasikara, nanazava ny antony mahatonga io taha ambany io. “Mila fiarahamiasa, mila mitambatra  isika raha te hampandroso ny fahasalamana ara-pananahana”, hoy izy.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *