Socio-eco

FANDRINDRAM-PITERAHANA: Zava-dehibe ny fanaovana fanentanana eny amin’ny “faritra iva”


Ramatoa 30 taona, manana zanaka dimy (5) mianadahy, milahatra miaraka amin’ny zanany telo, vavikely telo (3) taona sy roalahy, 2 taona sy enim-bolana, eo eo amin’ny kianja filalaovam-baolina iray ao amin’ny fokontany Anosizato Atsinanana fa hanao fandrindram-piterahana. Nanao fanentanana momba ny fanabeazana aizana, teny amin’ny fokontany misy azy ny mpanentana ara-pahasalamana, ny 22 jolay 2024.  Resy lahatra izy fa hanao izany. Nanatona teny an-toerana mihitsy ireo mpiasan’ny fahasalamana tamin’io fotoana io ka nandray avy hatrany ireo vehivavy vonona hanao izany. “Tsy te hiteraka intsony ao aloha fa tena tsy vitako ny mamelona ny zanako. Na ny sakafo hohaninanay aza zara raha mahita. Ny zanako lahimatoa sy vavimatoa aza nijanona tsy nianatra, 10 taona ny lahy ary 8 taona ny vavy. Sasa-lamba no asako. Ny vadiko mandalondalo eo ihany  dia izay no nanapahako hevitra ny hanao fanabeazana aizana. Izao aza tsy nahalala hoe bevohoka raha tsy efa enim-bolana tao an-kibo ny zanako farany”, hoy izy. Tsy nanaiky nitonona anarana ny tenany satria tsy niresaka tamin’ny vadiny amin’izao fanapahan-kevitra noraisiny izao. Nisafidy nanao fanabeazana aizana ihany koa i Vasty, tamin’io fotoana io, tovavavy 18 taona, mbola mpitovo. “Mba isorohana amin’ny vohoka tsy iriana no nahatonga ahy hanao fanabeazana aiza”, araka ny fanazavany.

Hetsika nokarakarain’ireo lehiben’ny fokontany niaraka tamin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, tamin’ny alalan’ny tobim-pahasalamana CSBII Mahamasina momba ny fandrindram-piterahana, ho an’ny boriborintany fahaefatra izy ity. Fokontany 21 no hanaovana izany ka anjaran’ny fokontany Anosizato Atsinanana ny 22 jolay 2024. Ireo vehivavy teny amin’ny faritra ahitana olona sahiram-pivelomana no tena nanaovana fanentanana. Nambaran’ i Rafanomezantsoa Jean Nirina, Lehiben’ny fokontany fa zava-dehibe ho an’ny boriboritany fahaefatra ny tetikasan’ny Filoham-pirenena momba ny fandrindram-piterahana. “Tafiditra ao anatin’ireo boriborintany tsy mampandroso firenena ny boriborintany fahaefatra  satria lasa fialamboly ilay miterakaho an’ireo fianakaviana tena sahirana. Lasa olana goavana ilay tsy fahalalana. Lehilahy tsy mikarama, mety hoe bogosy na matanjaka dia miteraka etsy sy eroa, mety manambady efatra na dimy, miteraka fito na valo,  ataony fialamboly ny fanaovana firaisana ara-nofo.  Lasa mamotika firenena izany satria tsy mamelona an’ireo vady aman-janany izy ireo fa lasa ilay vehivavy no mitady izay fomba hamelomana ireo zanany. Ireo lehilahy tsy mahavelom-bady, miteratera-poana no manimba firenena. Mahatsapa izahay Sefo fokontany fa betsaka ny reny tokan-tena vokatr’izany ary ety amin’ny faritra iva no tena ahitana izany”, hoy izy nanazava ny zava-misy eny amin’ny fokontany misy azy sy ny antony hanaovana fanentanana momba ny fandrindram-piterahana eny amin’ireo fokontany ahitana olona sahirana. Nilaza i Rafanomezantsoa Jean Nirina fa antsitrapo no nanohanan’ireo Lehiben’ny fokontany ny hetsika noho ny fahatsapana fa goavana  ny eritreritry ny Filoham-pirenena amin’ny antony hanaovana fandrindram-piterahana.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *