Tandindomin-doza ny fananantanim-pokonolona eto Madagasikara noho ny tsy fisian’ny lalàna miaro azy. Loza manambana ho an’ny fokonolona ohatra ny fakan’ny sehatra tsy miankina ny tanin’izy ireo hanaovana fampiasam-bola. Manohana ny firenena malagasy amin’ny fampanjakana ny fiarovana zon’ny fananantanim-pokonolona ny “Coalition Initiative pour les Droits et les Ressources” na « Right and Ressources Initiatives » na RRI, amin’ny maha vovonana misehatra amin’ny fiarovana ny zon’ny fokonolona azy. Nodinihana nandritra ny atrikasa fandrafetana ny drafitr’asan’ny RRI atao eto Madagasikara, ho an’ny taona 2025, ny firosoana amin’ny dingana lavidavitra kokoa amin’ny fiarovana ny tany tantanin’ny fokonolona. “Mpiara-miombona antoka amin’i Madagasikara amin’ny fampandrosoana ny fanaovazana ny fananantany, indrindra ny fiarovana ny zo fananantanim-pokonolona ny RRI. Efa an-taonany maro no efa niara-niasa taminy. Manao atrikasa tahaka izao isan-taona hijerena ny tokony atao, ny metimety kokoa sy ny atao manaraka. Andrasana amin’ity atrikasa ity ny famoahana tondrozotra manambara ny asa lehibe ho atao, mandritra ny taona 2025, amin’ny fanatsarana ny fananantany, indrindra ho fiarovana ny fananantanim-pokonolona”, hoy i Soavinalahatra Harijery, Tompanandraikitra ao amin’ny Sehatra Iombonana ho an’ny Fananantany (SIF), nandritra ny atrikasa niarahana tamin’ny RRI, ny 04 oktobra 2024, teny Radisson Blu Ambodivona. Ankoatra ny famaritana ny laharam-pamehana amin’ny fanohanana ny fanavaozana ny politikan’ny fananantany eto Madagasiakara dia ho ampidirina ao anatin’ny drafitr’asa ihany koa ny fanamorana ny fifanankalozan-kevitra eo amin’ny mpisehatra nasionaly sy ny iraisam-pirenena ka tafiditra ao anatin’izany ny solontenan’ny governemanta sy ny fikambanana eto an-toerana, ny fokonolona ary ny mpiara-miombon’antoka ara-bola. Hanatambarana ny ezaka vita sy hisian’ny paikady iraisana no tanjona amin’izany. Asa ho tanterahina amin’ny taona 2025 ny fijerena ireo sakana amin’ny lafiny lalàna sy lafiny ara-toekarena sy ara-piarahamonina mitranga eny ifotony mba ahafahana mandroso vahaolana azo tsapain-tanana. Nanomboka ny taona 2019 ny SIF no nandray anjara tamin’ny famolavolana ny lalàna momba ny fananantanim-pokonolona. Asa nataon’ny fikambanana tamin’izany ny fakan-kevitra isam-paritra, ny fanamafisana ny fahazai-manaon’ny firaisamonim-pirenena ary ny adisisika momba ny fiarovana ny zo fananantanim-pokonolona sy ny fampiatiana ny tanora sy ny vehivavy ao anatin’ny lalàna. “Heverina ho tafavoaka ato ho ato ny lalàna momba ny fiarovana ny zo fananantanim-pokonolona. Efa an-taonany maro mantsy no namolavolana azy”, araka ny fanazavan’i Soavinalahatra Harijery hatrany. Raha ny fikarohana nataon’ny RRI farany dia tsy mbola ara-panjakana ny 71, 7 % ny tanim-pokonolona eto Madagasikara, izay mirefy 41,2 tapitrisa hektara. Nambaran’i Razafindratsimba Vonjy, tale Jeneralin’ny Tahirim-pirenena momba ny fananantany (Fonds National Foncier) fa ao anatin’ny politika nasionaly vaovao momba ny fananantany ny fitsinjovana ny zo fananantanim-pokonolona . Efa neken’ny filan-kevitry ny governemanta io politika vaovao io ary ampiharina amin’ity taona 2024 ity ka hatramin’ny taona 2025.
Miaro ny tombontsoa iombonana
Anisany miantoka ny fiarovana ny tontolo iainana, indrindra ny fiarovana ny karajavamananaina tsy ho lany tamingana ny fisian’ny tany tantanin’ny fokonolona satria tafiditra ao anatin’ny tanim-pokonolona ohatra ny ala fady, toerana misy ala voanjanahary mitahiry vakoka ara-kolontsaina. Natsangan’ny fokonolona ho ala fady ny toerana iray antsoina hoe: “Varona”, ao amin’ny kaominina Ampangabe, distrikan’i Lalangiana satria mitahiry zavamaniry fatao fanafody. Misy riandrano akaikin’io ala fady io, fanaovan’ny mponina fangataham-pitahiana ka saropiaro amin’ireo ala manodidina izy ireo satria avy amin’ny ala no ipoiran’ny loharano. Ho fananganana paikady mahomby hiarovana ny zo fananantanim-pokonolona manoloana ny lokan’ady ara-tontolo iainana no antony fivoriana niarahana tamin’ny RRI, ny 4 oktobra 2024 lasa teo. Nanatrika izany ireo mpisehatra voakasiky ny fananantany sy fiarovana ny zo fananantanim-pokonolona, toy ny firaisamonim-pirenena (SIF, BIMTT, Aika, TI-MG…), ny solontenan’ny manam-pahefana ( Ministeran’ny fitsinjaram-pahefana sy ny fananjariana ny tany, ny ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana, ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy), ny solontenan’ny fokonolona sy reo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola. “Manohana ireo mpisehatra eto Madagasikara izahay mba hanampiana ny governemanta malagasy amin’ny fanavaozana ny politikan’ny fananantany. Amin’izao fotoana izao, manampy ny fakan-kevitra eny anivon’ny fokonolona izahay mba ahafahan’izy ireo milaza ny hetahetan’izy ireo sy hampandraisana anjara an’izy ireo amin’ny fanatanterahana ny fanaovana ny politikan’ny fanananany ary mba hamaly ny filàn’izy ireo ny fanavaozana atao dia ny fanekena sy fiarovana ny zo fananantanim-pokonolona”, hoy i Kipalu Patrick, Tale misahana ny fandaharan’asan’ny RRI eto Afrika. Arakaraka ny zava-misy sy ny fomba amam-panao isam-paritra ny famaritana ny tanim-pokonolona, araka ny fanadihadiana nataon’ny SIF hatrany. Raha bangoina amin’ny fehezanteny iray dia ny tany iorenana tombontsoa iombonana, ohatra ny kijanan’omby toy ny ao an-tampon’Ihormbe, ny tany mitahiry ny fomba amam-panao (ala fady, tany fady), ny tany fambolen-kazom-pokonolona, ny tany fanaovana fivoriam-pokonolona no antsoina hoe: tanim-pokonolona.
Ra-Nirina