Manohitra tanteraka ny fakana hetra 0,5 % amin’ny fifanankalozana ara-bola amin’ny alalan’ny finday (transaction mobile money), ho an’ny vola maherin’ny 150.000 Ariary ireo orinasa telo misehatra amin’ny fikirakirana vola amin’ny finday eto Madagasikara – Mvola, Orange Money sy Airtel Money, araka ny fanambarana navoakan’izy ireo ny 19 novambra 2024. Nanao fanambarana momba io fanapahan-kevitra io ny foibe fitondrana ankapobeny ny hetra, ny 14 novambra 2024 lasa teo. Ho fampitomboana ny hetra miditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana no anton’izany. Nambaran’ireo orinasam-pifandraisan-davitra miisa telo fa ho vesatra ho an’ireo Malagasy miisa 23 tapitrisa mampiasa ny fifanankalozana ara-bola amin’ny alalan’ny finday io fanapahan-kevitra io ary hamotika ny toekarem-pirenena fa indrindra ny ho avin’ny « inclusion financière ». Manamafy izy ireo fa ny fampiakarana ny saran’ny tolotra amin’ny « mobile money » dia hanasazy ireo tena mpampiasa azy. Lasa mitombo avy roa heny ka hatramin’ny avo dimy heny ny saran’ny fandefasana vola raha ho an’isan-tokantrano ary avo roa heny ka hatramin’ny avo folo heny kosa ny sarany ho an’ny fividianana entana. Hiteraka fiakaran’ny vidim-piainana sy hisy fiantraikany mivantana amin’ny fahefa-mividin’ny tokantrano marefo ny fakana io hetra io. Ankoatra izany, hisy fiantraikany amin’ireo « Cash point » miisa 164 000 ity fanapahan-kevitra ity. Hampihena ny fidiram-bolan’izy ireo ny fihenanan’ny fampiasana ny tolotra « mobile money » ary tsy ho marin-toerana ny toekaren’ny fiankavian’izy ireo (olona an-tapitrisany eo no voakasik’izany).
Fiantrakany mafy ara-toekarena sy ara-tsosialy
Mampiverina any amin’ny fandoavam-bola taratasy (cash) sy sakana amin’ny fampiroboroboana nomerika eo amin’ny toekarena malagasy, izay efa nisy ezaka tao anatin’ny 10 taona ny fakana hetra 0,5 % amin’ny fikirakirana ny mobile money. Vao maika hampirongatra ny sehatra tsy ara-dalàna sy hanasarotra ny fanarahamaso ny fifanankalozana ara-bola izany fa indrindra hampitombo tsy fandriam-pahalemana noho ny fikirakirana vola taratasy. Ankoatr’izay, hampihena ny fidiran’ny vola vahiny izany, hampihemotra ny mpampiasa vola eto an-toerana sy iraisam-pirenena ary manome hafatra miiba ho an’ny mpandraharaha, orinasa madinika sy salantsalany ary mpampiasa vola. Hanimba ihany koa ny ezaka momba « inclusion financière », nimatimatesan’ny Banky Foiben’i Madagasikara sy ny fampiroboroboana ny toekarena nomerika tohanan’ny fanjakana.
Fandrika ho an’ny volam-panjakana
Tsy hampiditra ny hetra araka ny eritreretina io fakana hetra amin’ny fifanankalozana ara-bola amin’ny finday io, araka fanambarana nataon’ny Mvola, Orange Money ary Airtel Money satria sakana ho an’ny famokarana ny fanapahan-kevitra. Tahaka ireo firenena efa nanandrana nanao izany (Tanzanie, Ghana, Caméroun, République Centrafricaine) dia hampihena haingana sy maharitra ny isan’ny mpnjifa (-30%) ny fampiharana izany eto Madagasikara. Vinavinaina hihena latsaky ny 60 % ny fifankalozana ara-bola ao anatin’izany enim-bolana. Noho izany, ny vola miditra azo avy amin’io hetra io dia ho ambanin’ny vola eritreretina, tsy hihoatra ny 50 miliara Ariary isan-taona (lavitry ny 143 miliara Ariary). Mbola fatiantoka ho an’ny fanjakana ihany koa ny fampiharana izany.
Misy ny vahaolana
« Mahatsapa izahay fa laharam-pamehana ny fitadiavana vahaolana ampiakarana ny fidiran-ketra, fa vahaolana diso kosa ny fakana hetra amin’ny fifanankalozana ara-bola amin’ny mobile money. Ny fanohanana ireo mpisehatra amin’ny mobile money mba hanafainganana ny fampiasana izany amin’ny sehatra lavidavitra kokoa no tena lalana marina », araka ny fanambarana nataon’ny Mvola, Orange Money sy Airtel Money hatrany. Noho izany, ny fampandrosoana ankalalahana sy tsy misy sakantsakana ny mobile money dia mety hampiditra mihoatra ny 50 miliara Ariary ao amin’ny kitapom-bolan’ny hetra amin’ny taona 2025 noho ny hetra aloan’ny orinasa sy ny fitomboan’ny mpivarotra miditra amin’ny sehatra ara-dalàna. Fandoavana ny tolo-draharaha ara-panjakana amin’ny alalan’ny fampiasana ny nomerika dia hanafaingana ny fampidiran-ketra. Nilaza ny Mvola, ny Orange Money sy ny Aritel Money fa ny tetikasa fakana io hetra 0,5 % io dia mampiseho ny tsy fisian’ny fifanankalozan-kevitra eo amin’ireo mpisehatra voakasik’izany kanefa ambana ho an’ny Malagasy an-tapitrisany ny fanapahan-kevitra noraisina. Miantso foibe fitondrana ankapobeny ny hetra izy ireo mba hiverina handinika io fanapahan-kevitra io ary hanome vahana ny fifanankalozan-kevitra miaraka amin’ireo mpisehatra voakasik’izany mba hisian’ny fampidiran-ketra mifandanja sy maharitra. Nanamafy izy ireo fa hitohy hiaro ny tombontsoan’ny Malagasy an-tapitrisany, izay nametraka fitokisana amin’ny tolotra omen’izy ireo.
Ra-Nirina