Misedra olana ireo mpitari-posy entin-tanana izay fitaovam-pitaterana mahomby ary mahasarika mpizahan-tany ny fandehanana aminy. Vokatry ny fidiran’ireo fitaovam-pitaterana hafa manaraka ny fanatontoloana toy ny “bajaj” sy ny “cyclo-pousse” eto Madagasikara, nihena ny isan’ireo miasa amin’azy ity. Teraka noho izany ny hetsika goavana “hazakazaka posiposy mampiray tour 2017”. Continuer la lecture
Catégorie Faits-divers
RN7 TANA-FIANAR : Voamboatra ny lalana, tonga ny loza
Ilay hoe « Mampiteny ny moana » moa fomba fiteny ihany, fa tsy dia nisy moana mbola nahateny. Ndeha atao hoe nikoràka fotsiny angaha izy ! Ny tena marina sy fahita dia ny hoe « Mampiteny irery », ary izany tokoa no nanjo ny ankamaroan’ny mpamily izay mamakivaky ny RN7. Indrindra ny tapany mampitohy an’Ambohimahasoa sy Fianarantsoa. Continuer la lecture
Mpandraharaha nisy naka an-keriny : Mihorohoro ny mponina ao Sambava
Mpandraharaha iray any Sambava no nisy naka an-keriny. Tranga tsy vaovao intsony eto Madagasikara izany. Saika isam-bolana dia ahenoana toe-javatra toa izao. Amin’ny ankapobeany dia velon’aina ny ankamaroan’ireo nobaboina. Continuer la lecture
FOKONTANY AMBOHINAORINA: Voafitaka ve ny kaominina Sabotsy Namehana nanome alalana hanorina trano?
Raharaha mbola arahina eny amin’ny fitsarana ny ady tany ao amin’ny fokontany Ambohinaorina, kaominina Sabotsy Namehana. Efa misy ihany koa ny taratasy fanohanana avy amin’ny kaominina mandrara ny tsy hikitihana ilay tany mirefy 28 a. Omaly maraina anefa nisy olona namelatra goailaka, namefy ny ampahan-tany izay nahitana mpitandro filaminana. Niady fototra izy ireo avy eo ary natomboka tamin’ny fotoam-pivavahana izany. Araka ny fanazavana azo, tany manan-tompo io tany io. “Olona folo no tompony io tany io”. Teraka ny ady tany satria olona iray hafa nangataka tany mirefy 3a mahery izay tanim-panjakana mifanakaiky amin’ilay tany voalaza etsy ambony. Ny zava-nitranga anefa lasan’io olona io hatramin’ilay 28 a. Tsara ny mampatsiahy fa efa niafara tamin’ny fandravana trano miisa 14 niorina teo mihitsy izany tamin’ny taona 2006. Nahazo rariny mantsy io olona io.
Anterivava : solo-tenan’ireo olona folo
Tsy nanaiky ireo olona folo ireo ka naka mpisolovava . Rehefa natao ny fanadihadiana, nandefa taratasy ny teo anivon’ny sampandraharahan’ny fanana-tany fa nanao fahadisoana ary niaiky izany. Tokony ilay tany mirefy 3a ihany mantsy no azon’ity olona ity. “Foana hatreo izany ny “titre” milaza fa azy ny tany ka mbola eny am-pelatanan’ny fitsarana ity raharaha ity”. Mampalahelo ny zava-miseho, mbola misy olona manao amboletra manorina trano ihany. Ny mahagaga, hoy ny solontenan’ireo olona folo milaza fa tena tompon-tany, ny nahazoan’ireo nanorina trano fahazoan-dalana tany amin’ny kaominina kanefa ny kaominina izao mihitsy no nanao sonia fanohanana tsy hikitihana ny tany aloha. Nanaitra ny Filoha Lefitry Ben’ny Tanana voalohany ireto fianakaviana ireto mahakasika ny fisian’io taratasy io.
Lany vola aman-karena, betsaka ny tsy manan-kialofana niadiana ny tany ny fianakavian’ireo olona folo ireo. Manaitra ny sain’ny tomponandraikitra voakasika rehetra noho izany izy ireo mba hijery akaiky ny raharaha.
Anterivava : Ben’ny Tanana lefitra faha-3 ( Sabotsy Namehana )
Araka resaka nataonay tamin’ny Lefitry ny Ben’ny Tanana fahatelo eny Sabotsy Namehana, manara-maso akaiky ny toe-draharaha ny kaominina ary ampihaona ny roa tonta. Tsy maintsy hiroso amin’ny fandravana rehefa voamarina fa mbola mandeha eny amin’ny fitsarana tokoa izany.
Lynda A.
Raharaham-pianakaviana : Any am-ponja Ramaroson Alain
Resaka fampiasana hosoka sy fanaovana hosoka noho ny raharahan-tany nifandirany tamin’ny fianakaviany no fototry ny olana. Nifampitaritarika tamin’ny taratasin’ady, nifanao vava tsy ambina, nifampitorotoroka teny amin’ny tribonaly…. Continuer la lecture
LES OBSEQUES DE OELISOA : Un digne hommage de l’Eglise à sa fille
Nous reproduisons intégralement dans nos colonnes les hommages que les Loholona et Diakona, ainsi que J. Nalisoa Ravalitera ont dédicacés à Oelisoa lors des obsèques au temple d’Ambohitantely le vendredi 15 avril 2016.
Golden center : Nampiasa taratasy hosoka, hoy ny CUA
Tonga nihaona tamin’ny Lefitra Voalohan’ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo androany ny tompon’andraikitra iray avy ao amin’ny Golden Center, izay tranombarotra nakatona tetsy Behoririka.
Anisan’ny notakian’ny fiadidian’ ny tanànan’Antananarivo-Renivohitra ny tokony hanaovana fiantohana na « Assurance » mifandraika amin’ny foto-drafitrasa sy ny momba ny fahamaizana. Tsy izany anefa ny taratasin’antoka nomeny fa fiantohana momba ny afo sy ny halatra (Assurance contre incendie et vol). Tsapan’ny Kaominina Antananarivo-Renivohitra anefa, ary mba hialàna amin’ny fanomezan-tsiny ireo tompon’andraikitra, fa sady hosoka ny taratasy fanamariham-piantohana (Attestation d’Assurance) no tsy mamaly izay nangatahina taminy ny tompon’ny Golden Center.
Manazava ny Lefitra Voalohan’ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo, Jean Gabriel HARISON :