Socio-eco

FAHASALAMANA ARA-PANANAHANA : Mitera-doza ho an’ny tanora raha tsy resahana


Esorina ny sakana amin’ny firesahan’ny ray aman-dreny ny fananahana amin’ny zanaka. Adidin’ny ray aman-dreny ny miresaka ny fahasalamana ara-pananahana amin’ny zanany. Ao an-tokatrano no tomponandraikitra voalohany fitaizana sy fampahafantarana ny tanora ny resaka fananahana ary manala ny fady ny firesahana an’izany. Anisany miantoka ny hoavin’ny tanora ny fahalalany ny vatany. Tsy vitan’ny ray aman-dreny irery anefa ny miresaka sy mampahafantatra izany fahasalamana ara-pananahana fa tokony ho hampitaina eny an-tsekoly ihany koa. Anisany misoroka ny vohoka tsy irina, ny fanalan-jaza, ny aretina VIH/SIDA ny fanabeazana ara-pananahana feno. Mampalahelo anefa mbola nahaton’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena anefa izany araka ny naoty ny 2023 – 862/Men/SG ny 7 Novambra 2023. Amin’ny firongatry ny VIH/SIDA izao tokony ho foanana io naoty io mba afahan’ny tanora misitraka ny zo ahazo fanabeazana ara-pananahana feno. Manana adidy ihany koa ny mpanao gazety amin’ny fampahafantarana ny zo sy fahasalamana ara-pahananahana. Nisy noho izany ny fiofanana nokarakarain’ny Forum Génération Egalité (FGE) sy ny sampana DSSR ao amin’ny REMAPSEN Mada natao tany Antsirabe ny 28 Oktobra 2024 ka hatramin’ny 30 Oktobra 2024. Mpanao gazety 22 mpikambana ao amin’ny sampana DSSR no niatrika fiofanana. Namaranana ny fotoana ny fitsidihina ny CSBII Ambalavato.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *