Socio-eco

ECOLE DU MONDE AO MAHAJANGA : Nisantatra ny sekoly nomerika ho an’ny taom-pianarana 2021-2022


Miampy 30 ny sekoly hisitraka ny programa “école numérique” sahanin’ny Orange Solidarité de Madagascar mandritra ity taom-pianarana 2021-2022 ity. Ny sekolin’ny ONG « école du monde », ao Besely Mahajanga no nisantatra izany. Notoloran’ny Orange Solidarité « kit numérique » ahitana « tablettes »,  « serveur Raspberry »,  « laptop »,  « vidéoprojecteur »,  « speaker » ary  « casques » ny sekoly ny 8 desambra 2021. Nomena fiofanana momba ny fampiasana ireto fitaovana ireto ihany koa ireo mpampianatra tamin’io fotoana io ka ny mpiasa mpilatsaka an-tsitrapo ao amin’ny Orange ihany no nampiofana azy ireo.

Nanomboka ny taona 2014 ny fandaharan’asa « école numérique ». Miara-miasa akaiky amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena (MEN) ny fikambanana amin’ny fanatanterahana izany. Fanamorana ny fampitàna ny programam-pampianarana eny amin’ny ambaratonga voalohany  sy ambaratonga faharoa amin’ny alalan’ny fampiasana ny nomerika no tanjon’ny fandaharan’asa. Hanampy ny mpianatra amin’ny fanatsarana ny voka-panadinana ity fomba fampianarana ity. Mampiseho ny fahavononan’ny Orange Madagascar amin’ny fampiroboroboana ny nomerika sy fampihenana ny elanelana noho ny nomerika, fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana ity programa ity, araka ny fampitam-baovao. Tao anatin’ny 8 taona, tablettes 6.000 no nozaraina tamin’ireo sekoly 158 manerana ny faritra 22. Ny MEN no manome fankatoavana ireo sekoly hisitraka ny programan’asa. Efa miara-miasa amin’ny Orange ireo sekoly ireo na eo ambany fiahian’ireo mpiasa mpilatsaka an-tsitrapo an’ny Orange na fikambanana mpiara-miombon’antoka.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *