Catégorie Doka


Ravalomanana Marc : Vonona amin’ny fampihavanam-pirenena


Tokony hisy fifanarahana mihitsy ataon’ireo kandida sy mpanao politika hiatrehana ny fifidianana amin’ny taona ho avy , hoy Ravalomanana Marc raha tsy izany, hoy izy, dia tsy hisy fifidianana eken’ny vahoaka eto Madagasikara. Tsy ho mora ny fiatrehana io fifidianana io raha tsy misy izay ary tokony hazava amin’ny rehetra ihany koa ny fitsipi-dalao. Ny hisian’ny fifidianana tena eken’ny vahoaka, dia ny fifanakalozan-kevitra. Continuer la lecture

Loholona: raikitra ny fifidianana


Amin’ity anio ity no hanantanterahana ny fifidianana loholona manerana  an’i Madagasikara. Loholona miisa 42 no hofidiana manerana ny Nosy,  izany hoe:  7 isaky ny faritany teo aloha. Biraom-pifidiana 1695 manerana ny Nosy no hanatanteran’ireo  mpifidy vaventy miisa  12 664  eny anivon’ny distrika  no hanatanterahana ny latsabato manomboka amin’ny 6 ora maraina anio. Continuer la lecture

CENI: Miasa mafy, mahazo volabe…


 

Tsy mora ny asan’ny CENI na ilay vaomiera mahaleotena mikarakara ny fifidianana. Izany asa mafy izany (angamba) no handraisany karama be?

Filoha :  6 625 000 ariary, miampy fiara voavatsy lasantsy, trano fonenana, telephone sns…

Filoha lefitra : 5 950 000 ariary

Mpampaka-teny : 5 425 000 ariary
Ireo mpanolo-tsaina : 5.000.000 ariary

Fetin’ny Noely sy faran’ny taona: Hanampy betsaka amin’ny fiantsenana ny GBM


Tahaka ny isan- taona, andiany farany ao anatin’ny taona iray lalovany hanatanterahan’ny Madavision ny hetsika Grande braderie de Madagascar no natokana ho an’ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona. Ny 18 hatramin’ny 22 desambra no hisian’io hetsika io etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahan- tena Mahamasina. Trano eva maro no handray anjara, izay ahitàna ireo kojakoja maro samihafa ahafahana miatrika ny fety. Raha fehezina dia hanampy betsaka amin’ny fiantsenan’ny fianakaviana isanisany ity hetsika grande braderie de Madagascar andiany farany amin’ity taona ity.
Mipetraka hatrany ny fihenam- bidy 15% , izay nahazoana fanamarihana fa nanome fihenam- bidy mihoatra lavitra noho io napetraky ny mpikarakara io ny ankamaroan’ireo mpandray anjara farany teo. Hiavaka kosa ny fanentanana amin’ity satria hisy ny fampisehoana iarahana amin’ny DJ Gouty sy ny THT, ny toerana natokana hilalaovan’ny ankizy, ny fifaninanana samihafa azon’ny rehetra andraisana anjara, ary fampisehoana karazan- dihy malaza ho an’ny tanora.

Kaominin’i Toamasina- Renivohitra : Miady an-trano


Mpiasan’ny kaomina 12 tao Toamasina I no naratra mafy vokatry ny fifandonana nisy teo amin’ireo zatovo miara-dia amin’ny ben’ny tanàna omaly maraina. Vokatr’izany fifandonana izany dia maro ireo naratra tsy maintsy namonjy toeram-pitsaboana, nisy olona roa hafa ihany koa voalaza fa tsy hita nanjavonana taorian’ny fifandonana.
Anton’izao fifandonana izao dia noho ny tsy mbola fandoavana ny karaman’ireo mpiasa ka mahatonga ireo mpiasa mitokona, hoy hatrany ny fanazavan’ireo mpiasa. Misy ihany koa anefa ireo mpiasa izay niveriana miasa ao anatin’ny kaominina saingy ireo mpiasa manao ny taratasy momban’ny fahafatesana sy fisoratam-panambadiana no miasa. Efa milamina kosa amin’izao fotoana izao ny toe-draharaha. Ny mampametram-panontaniana ny maro dia nankaiza ny vola? Toa maneno sahona avokoa ny mpiasa rehetra manoloana ny volam-panjakana very an-javona. Sa dia samy mikepoka izay sendra azy?