Socio-eco

DIDIM-PANJAKANA MECIE : Havaozina hifanaraka amin’ny zavamisy ankehitriny


Ny taona 2004 no navaozina farany. Ilaina ny fanavaozana ny didim-panjakana MECIE (Le décret relatif à Mise en Compatibilité des Investissements avec l’Environnement)  hifanaraka amin’ny amin’ny zavamisy ankehitriny, toy ny famatsiam-bola eto Madagasikara, ny tetikasa… « Tsy mijanona amin’ny lafiny ara-tontolo iainana fotsiny intsony fa nampidirina sy hamafisina  ny ara-sosialy », hoy ny ministry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy (MEDD), Max Andonirina Fontaine . Ny tetikasa rehetra na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana tsy maintsy mametraka ny lanjan’ny sosialy. Raha sanatria misy fiantraikany ratsy amin’ny olombelona ireo tetikasa dia tsy maintsy mandray fepetra ny mpitantana ny tetikasa. Misy fiantraikany amin’ny olombelona ny tetikasa ka mila hamafisina ny MECIE. Ny zava-dehibe amin’ny fanavaozana azy ity dia ny fisian’ny fakan-kevitra. Ny faritra rehetra dia nitondra ny vinany mba ho tafiditra amin’ity fanavaozana ny didim-panjakana ity. Ao ihany koa ny sehatra tsy miankina, ny firaisamonim-pirenena, ny ministera sectoriel rehetra mba ho azo ampidirina ao ny hevitra tsirairay avy. Androany ny fankatoavana raikitra, hoy ny ministra. Mbola alefa eo amin’ny filankevitry ny governemanta. Izay vao azo ampiarina.

Marihina fa tamin’ny taona 1992 no nakatoavina ny MECIE. Efa navaozina in-efatra talohan’ny taona 2004.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *