Socio-eco

COP : Tsy firenena mitaraina intsony fa firenena mitondra vahaolana i Madagasikara.


Notanterahana ny 03 Oktobra 2024 tetsy Anosy ny fakan-kevitra fahadimy momba ny fiomanana nasionaly amin’ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fihaonambe iraisam-pirenena momba ny Fiarovana ny zavaboahary, ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro ary ny firosoan-ko tany hay na koa hoe « fifanarahana iraisam-pirenena telon’i Rio ». Nandray anjara tao ireo solotena isaky ny minisitera, ny vondron’ny fiaraha-monimpirenena, ny mpiara miombon’antoka ary ireo manam-pahaizana malagasy nandinika sy nandrafitra ny fironan’i Madagasikara sy ny hevitra entiny miatrika ireo fihaonambe momba ny tontolo iaianana ireo. Ny COP volohany  dia momba ny valanjavaboahary ho tanterahana any Cali, Colombia amin’ity volana oktobra ity. Ny COP momba ny fiovan’ny toetry ny andro, izay lehibe indrindra satria any daholo no manatrika ny filoham-panjakana sy filoham-pirenena rehetra. Ny COP momba ny fahagaizana ny tany izay tanterahana any Riade, Arabie Saoudite amin’ny volana decembre. « Navaozintsika tanteraka ny paikady momba ny fandraisantsika anjara amin’ireo COP ireo satria betsaka ny fanontaniana any amin’ireo vahoaka hoe betsaka loatra ny olona mandeha amin’ireny COP ireny. Nefa inona no tena vokatra azo tsapain-tanana ho an’ny vahoaka malagasy », hoy ny Minisitry ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovain-jafy, Max Andonirina Fontaine. Na dia tsy navaoizina aza io paikady io dia misy fiantraikany sy vokatsoa ho an’i Madagasikara ny fanatrehantsika ny fivoriambe iraisam-pirenena ireo satria any daholo ny mpiaramiombon’antoka, any ny mpamatsy vola ny firenena rehatra. Mipetraka ambony latabatra daholo ny firenena rehatra mba hiresaka ireo fanamby ara-tontolo iainana . Madagasikara dia firenena vahaolana satria anisany firenena 8 farany izay misintona karbone bebe kokoa. Ny ala tsika no tena misintona ny carbone alefan’ireo firenena mandroso. Midika izany fa ny firenena rehetra tokony manampy an’i madagasikara hiaro ireo ala voajanahary ireo, ahoana ny tokony ampiroborobona ny velarantany velarantany ny ala mba afahatsika misintona ny carbone bebe kokoa. Ady sisika io fihaonam-be io. Samy mitaky famatsiam-bola ireo firenena ireo. Izay firenena vonona ihany no mitondra vokatra. « Fotoana ahafahantsika manolotra ny tetikasa efa vonona sady hitadiavana mpiaramombon’antoka sy mpamatsy vola ny COP ireo. Tetikasa afaka manova tanteraka ny  tontolo iainana eto madagasikara sy ny fidiram-bola ho an’ireo tantsaha, mpanjono.

Tsy maintsy tetikasa mitondra vokatsoa ireo tetikasa ireo. Izay no maha ela ny fifampiresahana miaraka amin’ireo mpiara-miombonantoka ireo izay aman-taonany mihitsy. Rehefa tonga any isika dia mitondra tetikasa vaovao indray atolotra amin’ny mpiara-miombon’antoka. Misy ihany koa tetikasa vonona efa noresahina elaela miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka dia any no fanaovana sonia ny fifanarahana, hoy ny ministra. Na dia vahaolana aza i Madagasikara dia anisany mizaka ny vokadratsin’ny fiovan’ny toetry ny andro. Tsy firenena mitaraina intsony fa firenena mitondra vahaolana i Madagasikara. Noho izany dia mitady vahaolana fohy ezaka koa isika.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *