Socio-eco

COOPERATIVA AGRO-BUSINESS MADAGASCAR: Hifanohana ny mpadraharaha malagasy


Mamporisika ny tanora handraharaha. Fanondranana ihany ny vahaolana amin’ny fanarenana ny fitonganan’ny vola malagasy, hoy Ny Rado Rafalimanana, filohan’ny ONG Ny FMO ( Ny Fanahy Maha-Olona). Hitondra ny anjara biriky amin’ny famoronana asa ho an’ny tanora izy ireo amin’ny alalan’ny tetikasa agro-business. Vokatry ny fambolena malagasy no haondrana any Dubai. « Hisy famatsiambola voalohany ho entina eto izay mitentina 100 millions Dollars mba ahafan’ny tanora mihary. Tsy misy ny zana-bola fa averina rehefa mandroso ny fandraharahana atao. Miditra ao amin’ny « cooperativa agro-business madagascar » ireo manana tetikasa. « Ity no anjara birikinay hanarenana ny toe-karena malagasy. Ho mpandraharaha malagasy no hifanohana », hoy izy. Vokatra rehetra ataon’ny malagasy dia atao avokoa. « Misy koperativa any Dubai miara miasa aminay. Manana grande surface 300 isa izy ireo. Nomeny 100m2 isaky ny grande surface ho asiana ny vokatra malagasy. Na inona na inona ny fiharian’ny malagasy dia velarina amin’ny norme antsika. Tsy misy norme baikon’ny avy any ». Amin’ny farany volana novambra no hanomboka ny fanondranana voalohany. Mpandraharaha malagasy daholo ireo ary tsy hanavahana olona ity tetikasa ity. Manerana an’i Madagasikara ny « cooperativa agro-business ». ONG Ny FMO ( Ny Fanahy Maha-Olona) no miandraikitra azy. Tanjona dia hisiany vola vahiny ho azon’ny tanora malagasy. 50.000 ireo nanoratra anarana. Tsy maintsy hisy anefa ny sivana atao. Tsy ho mpitarika avokoa ireo fa hisy hiasa ao amin’ilay orinasa. Nomarihany fa nisitaka tsy nanao politika izy mba afahany manao ity tetikasa ity

Manomboka mampivory isaky ny sehatra ao amin’ny koperativa . Nampivory ny sehatra BTP ny 02 octobre 2024 ny ONG Ny FMO. Ny 10 octobra 2024, hamory ny tanora hanao ilay agri-business sy fametrahana ny vatofototra eny Imeritsiatosika. 15 octobra 2024, hisy delegasiona avy any Dubai ho avy eto Madagasikara. Teknisiana hamolavola ny tetikasa ao amin’ny « cooperativa agro-business madagascar ».

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *