Socio-eco

BUILD IN A BOX : Hanofana ny tanora hitady vahaolana amin’olana hatrehany


Tanora manana vina ho an’ny firenena. Mikarakara hetsika fampianarana ho an’ny tanora 16 taona ka hatramin’ny 19 taona ny Axiom  Unlimited. Mpianatra roa nanovo fianarana avy any amin’ny sekoly African Leadership Academy (ALA) atsy Afrika Atsimo no hizara ny fianarana noratoviny. Miisa 40 no hisitraka ity fiofanana ity amin’ity andiany voalohany ity. « Ny antony hanohanana ny tanora dia hafahan’izy ireo miaina ao anatin’ny fahalalana sy fahafantarana  ny vina tsara ho an’ny firenena. Tsy nisalasa izahay hanohana rehefa nitondran’ireto tanora ity build in a box  ity izay hampivoatra ny tanora. Famahana olana, mitondra toe-tsaina tsara, mitondra fiovana, hafahany mitondra ny fiantraikany miabo eo amin’ny toerana misy azy. Izy tenany no mitondra zavatra, tsy miantehitra amin’ny hafa », hoy i Dedem, Ranaivoarilala ny mpanorina ny Axiom  Unlimited sady mpikarakara. Andiany voalohany ity build in a box ity izay atao ny 08-09-10 Aogositra 2024 eny amin’ny ISCAM Business School Ankadifotsy. « Ny African Leadership Academy no namorona ny Build in a box mba hoentin’ireo mpianatra hizara ny fianarana nataony any amin’ny firenena misy azy », hoy i Kalina Raoelina, nivoaka tao amin’ny ALA . Valo taona no nisian’ny Build in a box sy ny project management institut education fondation aty afrika. Miisa 5.300 ny nandray an-jara ary renivohitra miohatra ny 130 no nisy azy, hoy hatrany izy. Tanjona ny fitadiavana vahaolana amin’izay olana eto amin’ny firenena ( design thiking). Misy tetika novolavolaina nandritra ny taona maro ka izay no ampianarina ireo tanora hoy i Jane Andrianarisoa, mpianatra ao amin’ny ALA. Ampahafantatra ireo tanora ireo ny fahafahany izay misy eto amin’ny firenena amin’ny famolavolana ny vahaolana. Indrindra koa ny fahafahana izay misy any ivelany, hoy izy. Ity ny lien fisoratana anarana hoan’ny tanora manana fanirina hahazo fahalalana sy hianatra fomba atao hitadiavana vahaolana eo anatrehany olana iray : https://www.weaxiom.com/build-in-a-box-madagascar-application-form

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *