Nihena ny doro tanety, tsy nisy intsony ny fanapahana ala tsy ara-dalàna ao amin’ny faritra arovana Bemanevika. Resy lahatra ny mponina fa mitondra vokatsoa eo amin’ny fiainana andavanandro ny atiala. Efa migoaka ny tombontsoa amin’ny fiarovana izany izy ireo amin’izao fotoana izao.
Sangany amin’ny fiarovana ny atiala. Indreo misy « Onjy » andiany maromaro mivezivezy ery amoron’ny farihy Matsaborimena. Ety am-pita, eo amin’ny trano hazo, mijery azy ireo amin’ny masolavitra i Eugène, ny teknisianina mpikaroka avy ao amin’ny The Peregrine Found ( TPF ). Manaramaso sy manisa azy ireo no ataony. Mandray an-tsoratra ny isan’ny Onjy hitany ny teknisianina mpiaramiasa. Voron-drano tsy hita afa-tsy eto Madagasikara ny Onjy. Voasokajy ho biby atahorana ho lany tamingana ireto ganagana fotsimaso ireto. Tany amin’ny faritra Alaotra no nahitana azy farany ary efa nambara fa lany tamingana, 20 taona lasa izay. Akory ny hagagana fa rehefa nanao fikarohana teto Bemanevika ny mpikaroka avy ao amin’ny TPF, ny taona 2006 dia nahita Fuligule de Madagascar Aythya innotata 30 isa teo amin’ny farihy Matsaborimena. Anisany mampiavaka ny faritra arovana (AP) Bemanevika ny fisian’io ganagana fotsy maso io. Manana karazam-borona sy biby hafa, tsy hita afa-tsy eto Madagasikara fa indrindra atahorana ho lany tamingana ihany koa ny AP toy ny vorondolo mena – Tyto soumagei , voromahery (aigle serpentaire) – Eutriorchis astur, gidro misy fito karazana, tanalahy Calumma hafahafa… Tsy vitan’izany fa manan-karena karazan-kazo, zavamaniry ary zava-maniry fatao fanafody ihany koa. Tsy hita afa-tsy eto Bemanevika sy eto Madagasikara ny 83,10% amin’ireo zavamaniry ireo, araka ny fikarohana natao. 40 kilometatra miala ny distrikan’i Bealanana, faritra Sofia no misy an’i Bemanevika. Ratsy ny lalana mankaty. Fiara-tsy mataho-dalana na môtô na traktera no ampiasaina vao tonga aty rehefa maintany. Fotaka mandrevo no mameno ny lalana rehefa fotoam-pahavaratra ka dian-tongotra vao tonga ao amin’ny AP Bemanevika.
Ny ONG The Peregrine Fund Madagascar no mitantana ny AP, nanomboka ny taona 2015. Mirefy 35.605 hektara ny faritra arovana. Ao anatin’ny faritra arovana sokajy fahadimy antsoina hoe : Endri-tanana arovana mirindra (Paysage Harmonieux Protégée) no misy azy. Noho izany, efa voazara mazava tsara ny faritra misy ny atiala (7.880 ha), ny toeram-ponenana na antsoina hoe: ZOC (1 770 ha), ny toerana hangalana hazo ampiasaina amin’ny fiainana andavanandro na ZUD (18 252 ha) ary ny toeram-pambolena (7 703 ha). Mponina 20.000 no mivelona manodidina ny atiala izay mitsinjara amin’ny fokontany fito. Tsindry mitambesatra amin’ny AP ny doro tanety. Nihena anefa ny tahan’ny doro tanety, ambany dia ambany na tsy nisy intsony ny fanapahana ala tsy ara-dalàna tao anatin’ny telo taona nifanesy noho ny paikady nampiasain’ireo mpisehatra amin’ny fiarovana ny AP: ny ONG TPF, mpitantana ny faritra arovana, ny Vondron’Olona Ifotony (VOI) miaraka amin’ny ekipan’ny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy (DREDD) Sofia.
Fomba fiasan’ny teknisianina
Mizara fitaovana toy ny masolavitra, GPS, fakan-tsary i Rabevoninahitra Clariat, teknisianina mpikaroka ao amin’ny TPF. Handeha hanaramaso ireo voron-drano ao amin’ny farihy Matsaborimena izy sy ireo teknisianina mpiara-miasa aminy. Tonga eo amin’ny trano hazo fanarahamaso ireo Onjy izy dimy mirahalahy. Mijery amin’ny alalan’ny masolavitrany i Eugène ka mahatazana Onjy lahy miisa 9 sy Onjy vavy miisa 4, mivezivezy ery amoron’ny farihy. Voafaritra ao anatin’ny drafi-panajariana sy fitantanana ny faritra arovana Bemanevika ny fanarahamaso ireo biby atahorana ho lany tamingana. Ireo biby tena iharan’ny tsindry toy ny voron-drano, ny vorondolo mena, voromahery, gidro no tena arahimaso. Indray mandeha isam-bolana ireo teknisianin’ny TPF no mitety ireo toeram-ponenana misy ireo biby. 123 ny faritra arovana eto Madagasikara fa i Bemanevika irery ihany no manana rohivoahary efatra (04) : ny ala, ny farihy, ny heniheny ary ny banja malalaka. Samy ahitana biby atahorana ho lany tamingana ireo rohivoahary ireo. Mampiavaka azy ihany koa ny fisian’ireo farihy miisa efatra : Matsaborimena, Matsaborimaitso, Maramarantsalegy sy Andriakanala. Eto Matsaborimena no tena ahitana ireo ganagana fotsimaso be indrindra sy toeram-panatodizany.
« Ny isan’ny Onjy hita tany amboalohany tany [2006] dia manodidina 25 ka hatramin’ny 29. Latsaky 30 ny isan’ny Onjy tamin’izany andro izany »
Ramamonjisoa Juliot
tomponandraikitry ny fikarohana – TPF
Tafiakatra 60 isa ireo Onjy ny taona 2021, araka ny tarehimarika nomen’i Rabevoninahitra Clariat, nandritra ny fanadihadiana natao teto Bemanevika, teo anelanelan’ny 04 ka hatramin’ny 13 oktobra 2023. «Ny taona 2022, teo amin’ny 63, 65 farany fahabetsany no hitanay fa tamin’ity 2023 ity vao tena nahagaga anay fa 73 ny isan’ny ny ganagana fotsimaso hitanay tamin’ireo farihy efatra», hoy izy. Ho fampitomboana ny taranak’ireo Onjy dia nisy ny fisamborana Onjy vitsivitsy nentina tany Antsohihy. Nompiana ireo voron-drano ireo ary navotsotra tao amin’ny farihy Sofia, kaominina Marotolana, distrikan’Antsohihy izy ireo taty aoriana. Fandaharan’asa iarahan’ny TPF, ny Durell ary ny fanjakana ny fiompiana azy ireo. Tsy mbola nisy «fuligule de Madagascar» nompiana sy nalefa kosa teto Bemanevika. Mba hanakaikaizana kokoa ireo Onjy dia mandeha lakana mihitsy ny teknisianin’ny TPF rehefa hanao fanarahamaso.
Ho fanamorana ny fahitana ireo karazam-borona hafa toy ny vorondolo mena dia mampiasa fitaovana hafa toy ny «émetteur» sy «récepteur» ny teknisianina. Nametrahana «émetteur» ireo vorona. Rehefa hitady ny toerana misy azy ny teknisianina dia mampiasa an’ilay «récepteur», tahaka ny antenne apetaka amin’ny televiziona ireny. Mandeha any anaty ala ny teknisianina ka rehefa maneno be io fitaovana dia fantatra hoe aiza ny toerana misy ilay vorondolo mena. «Eto izao henontsika fa maneno be ity fitaovana ity, miha ambony be ny fanenony. Rehefa maheno an’izay isika dia mety eo amin’ny 50 metatra miala eto no misy azy amin’izao», hoy i Monesse, teknisianina mpikaroka ao amin’ny TPF, teo am-panarahan-dia ny vorondolo mena. Anisany vorona sarotra tadiavina ny vorondolo mena. Tany Masoala no nahitana azy tamin’izany fotoana. Mbola mitohy hatramin’izao ny asa fikarohana momba ireo zavaboahary tsy manam-paharoa eto Bemanevika. Nanao famindram-pitantanana tamin’ny VOI ny mpitantana ny faritra arovana ho fampandraisana andraikitra ny mponina amin’ny fiarovana ireo harena voanjanahary.
Mihatra aman’aina fa tsy milavo lefona
Efa alan’ny olona ireo Vondron’Olona Ifotony (VOI) amin’ny asa ataony. Misy polisin’ala ao anatin’ny VOI. Vehivavy polisin’ala ao Amberivery i Dorephine. Manao fisafoana ny atiala, mitsirika ny zavamisy no asany. « Mizaha ny zavamisy amin’ny fotoanan’ny teviala, ny zavamisy isan-karazany toy ny manimba voly, mandritra rano, manohisosy hohahona no asa ataonay. Tena tsy tian’olona izahay, manao an’io kanefa olona maromaro tato ato no efa miaraka aminay eto amin’ny fokontany Amberivery », hoy izy. Mitondra fitaovana toy ny antsy be na vy izy ireo ho fiarovan-tena. Miaraka maromaro, miaraka amin’ny ekipan’ny TPF rehefa misy tranga mampiahiahy. Toerana ahitana ireo zavaboahary arovana ny atiala. Fokontany Amberivery, Sandrakota, Marofamara ary Ambinanindrano no ahitana azy eto Bemanevika. Samy misy VOI miandraikitra ireo toerana ireo: FIMAKA (Fikambanana Miaro ny Ala-Ketsan’Amberivery), FITIMA Antananarivo Haut ( Fikambanana Tontolo Iainana MAharitra) AMTI ( Ambinanindrano Miaro Tontolo Iainana), FIMAM ( Fikambanan Miaro Aty Ala Marofamara). Isam-bolana ireo VOI no manao ny fisafoana. Raha mahatratra na mahita olona manao fandikan-dalàna izy ireo dia ampanantsoina eny amin’ny biraon’ny VOI.
«Hanaovana fanadihadiana izy ary hampandoavina dina. Raha tsy vita eo an-toerana ny raharaha dia ampiakarina any amin’ny lehiben’ny ala ary izy avy eo no mitondra ny raharaha eny amin’ny fitsarana», hoy i Dorephine. Arakaraka ny fandikan-dalàna sy velarantany may ny dina aloa. Manomboka amin’ny 50.000 Ariary ka hatramin’ny 400.000 Ariary isaky ny hektara ny dina raha tratra manao tetikala na doro tanety. « Tena sarotiny be izahay amin’ny resaka ala. Indrindra ilay olona tsy manana permis, tena sarotiny izahay fa avy dia mampihatra ny dina raha tsy manana permis ilay olona »,araka ny fanazavan’i Randriamanarina Behajaina, Filohan’ny VOI FITIMA Antananarivo-Haut. Nambarany fa nahitam-bokany ny ezaka natao satria efa nisy tratra nanapaka hazo.
« Nisy olona roa tratra nanapaka ala. Efa ho telo taona eo izao zareo mbola misazy any Antsohihy »
Randriamanarina Behajaina
Filohan’ny VOI FITIMA Antananarivo-Haut
Na dia eo aza izany, afaka maka hazo ampiasaina hanaovana trano na vala ny mponina. Efa voafaritra kosa anefa ny toerana hakana izany. Zo nentim-paharazana (ZUD) no iantsoana azy. Manao fangatahana any amin’ny Filohan’ny VOI ny mponina raha maniry hanapaka hazo. « Raha mahita olona mitondra kakazo aty, taratasy nivoaka avy aminay, mahazo alalana amin’izay izany izy », hoy i Ranaivozafy Olivier, Filohan’ny VOI FIMAKA. 15.000 Ariary ny vola aloha raha mpikambana ao amin’ny VOI no mangataka fahazoan-dàlana hanapaka hazo. Avo efatra heny kosa rehefa tsy mpikambana, araka ny hevitra tapaka tamin’ny fivoriam-pokonolona. Ankoatra izany, samy manana paikadiny ireo VOI amin’ny fandresena lahatra ny mponina hiaro ny atiala. Ao no mamory ny fokonolona ary manazava amin’izy ireo ny antony tsy hanapahana hazo tsy ara-dalàna na hanaovana doro tanety. Rehefa maintany, manentana azy ireo hitandrina amin’ny doro tanety. Mitety ireo fokontany tsy ao anatin’ny faritra arovana mihitsy ny Filohan’ny VOI FIMAKA.
« Na dia tsy voakasiky ny faritra arovana ny fokontany iray, aleo ambara amin-dry zareo ny faharatsian’ny doro tanety, ambara amin-dry zareo ny fahatsaran’ny tontolo iainana »
Filohan’ny VOI FIMAKA
Nahomby ny paikady nampiasan’ireo VOI. Resy lahatra ny mponina fa zava-dehibe ny fiarovana ny atiala, miaramientana ny fokonolona rehefa misy doro tanety, miara-mirona rehefa hamboly hazo. « Raha mamory olona izahay andeha hisafo ny ala, mazoto ny olona na tsy anatin’ny fikambanana aza. Handeha hamboly hazo, mazoto ny olona na tsy anaty fikambanana aza », hoy i hatrany Ranaivozafy Olivier. Nanamafy ny Talem-paritry ny tontolo iainana sy fandrosoana lovainjafy (DREDD) Sofia, Dr Manantsoa Clermond fa « nody ventiny ihany ny rano natsakaina ». Nambarany fa manodidina ny 305 ha ny velarantany may vokatry ny doro tanety ny taona 2021. « Ny tanety no voakasik’izany fa tsy ny faritra arovana ». Nihena 180 ha izany tamin’ny taon-dasa. Tena nihena be tamin’ity taona 2023 ity, nidina ho 15 ha. Nanamafy izy fa « azo lazaina fa tena ambany dia ambany, mba tsy hilazana hoe tsy misy mihitsy ny fanapahana ala tsy ara-dalàna satria misy faritra natokana hisitrahana ny zo nentim-paharazana ».
« Azo lazaina fa sangany i Bemanevika, modely amin’ny fanajana ny antontan-taratasy na procédure amin’ny resaka fanapahana ala »
DREDD Antsohihy
Nomarihan’ireo Filohan’ny VOI fa antony mbola mahatonga ny doro tanety eto Bemanevika ireo « mpaka tantely », « lasa mandehandeha ho azy ny fanaovana doro tanety ao amin’ ireo fokontany tsy voakasiky ny faritra arovana », « ny fanaovana tavy ka tsy voafehy ny afo dia miitatra » , « ireo mpiompy omby mandoro tanety mba hitsirian’ny ahitra hohanin’ny ombiny ». Nanao aro afo ny TPF ho fisorohana ny fiitaran’ny afo. 35 km ny aro afo vita. Niara-niasalahy tamin’ny fanamboarana izany ny fokonolona.
Mifamelona ny zavaboahary sy ny mponina
Mahatsapa i Dorephine, polisin’ala sady tantsaha mpamboly fa mafy ny fiarovana ny tontolo iainana saingy mbola manosika azy hanohy ny asa ny tombontsoa amin’ny fiarovana ny atiala. Miantoka ny rano manondraka ny tanimbary manerana ny distrikan’i Bealanana ny atialan’i Bemanevika. « Ahitana tombony betsaka ny fiarovana ny atiala satria ahavitanay asa isan-karazany. Rehefa maintany, afaka mamokatra foana eto amin’ny fokontany Amberivery noho ny habetsahan’ny rano », hoy i Dorephine. Nambarany fa « tena manjary ny fambolena ». « Tsy mila asiana zezika fa izay avoly tonga dia manjary. Rano dia efa mampanjary azy », hoy hatrany izy teny an-tanimboliny sady mikarakara ny voly tsaramaso. Nanamafy i Ranaivozafy Olivier , Filohan’ny VOI FIMAKA fa lasa betsaka ny rano eto Bemanevika noho ny fahabetsahan’ny ala. Tsy mijaly rano intsony na dia amin’ny maintany aza. « Teto taloha tsy nisy raha noho ny rano tsy ampy. Mafy be ny fitrandrahana ilay ala tamin’izany. Amin’izao, efa sakananay ny fanapahana hazo mandehandeha ho azy. Lasa betsaka ny rano eto aminay. Tsara ny vokatra ary afaka mamboly rehefa maintany . Porofon’izany, rehefa mandeha mianatsimotsimo iny izahay, efa mahita tsaramaso maniry », hoy izy mitantara ny vokatsoa amin’ny fiarovana ny atiala.
« Olona marefo, sahirana ao an-tokatrano no tena ampianay. Raha misy asa atao izy ahazoany vola, tsy hiakatra mankany anaty ala, hihaza biby, tsy hanapaka hazo izy fa mikarakara ny fiompiana sy ny fambolena »
Rabevoninahitra Clariat, Teknisianina mpikaroka ao amin’ny TPF
Manampy amin’ny lafiny ara-tsosialy ihany koa ny TPF ho fanatsarana ny velontenan’ny mponina sy fisorohana ny fandripahana ny ala. Mamatsy masomboly ny tantsaha, manamboatra foto-drafitr’asa ilaina amin’ny sehatry ny fambolena, mandray anjara amin’ny fampiroboroboana ny fanabeazana sy fanomezana herinaratra ny mponina eto Bemanevika ny ONG. « Ireto masomboly ireto dia vangainay tany amin’ny olona fa ireto voanjo ireto avy amin’ny TPF. Avolinay voanjo iny, avidinay rehefa vokatra. Rehefa lafo indray dia vangainay tsaramaso avoly maintany, hoy i Dorephine. Isaky ny volana novambra ireo tantsaha no mahazo masomboly. « Ity lakandrano hitanao ity izao dia namboarin’ny Peregrine izay manondraka ny tanimbarinay eto , eo amin’ny 150 ha. Sady afaka mamokatra vary in-droa isan-taona izahay », hoy i Razakason Edmond, Olobe sady tantsaha ao Anolakely Amberivery. Raha amin’ny lafiny fanabeazana, manome fampitaovana ny sekoly toy ny dabilio , fitaovam-pianarana ny TPF. Mandray anjara amin’ny fandoavana ny karaman’ny mpampianatra FRAM ihany koa. Anisany nahazo fanampiana tamin’ny TPF ohatra ny CEG Amberivery. Nanampy tamin’ny fanamboarana efitranon-tsekoly sy nanome dabilio ary boky ny mpitantana ny faritra arovana. Nahita mpiara-miombon’antoka ihany koa ny ONG ka nanamboatra tohandrano, mamokatra herinaratra mamatsy herinaratra an’i Amberivery sy Anolakely. Miara-miasa amin’ny fitantanana ny foto-drafitrasa ireo VOI.
Toerana manan-tantara sy manan-kasina
Mbola vitsy ny mpizahantany mitsidika ny faritra arovana Bemanevika. Noho ny haratsian’ny lalana no anton’izany. Manampy amin’ny fiarovana ny zavaboahary anefa ny fisian’ireo mpizahantany. « Tonga aty izahay hijery manokana ireo vorona. Aty no ahitana vorona betsaka. Ahitana ireo karazam-borona tsy hita any amin’ny toeran-kafa aty. Tonga aty ihany koa izahay mitondra ny anjara birikinay, amin’ny alalan’ny fandoavana saram-pitsidihana ho fanamafisana ny fiarovana ny zavaboahary ary mbola ahita ala hatrany amin’ny ho avy », hoy i Goblet Christian, mpizahantany avy any Belgique, nitsidika an’i Bemanevika. Manodidina ny 20 isan-taona eo ny vondrona mpizahantany tonga mtsidika ny faritra arovana. Hijery ireo vorona no tena mahaliana azy ireo mankaty. Manomboka ny volana septambra ka hatramin’ny desambra eo no mandalo aty izy ireo. Amin’io fotoana io no azo handehanan’ny fiara. Feno fotaka mandrevo ny lalana rehefa avy be ny orana.
Ankoatra izany, toerana manan-tantara sy manan-kasina i Bemanevika. Toerana fanaovan’ny fokonolona Ambinanindrano fangataham-pitahiana amin’ny Zanahary ny farihy Maramarantsalegy. Isan-taona, ny volana jolay sy septambra no hanaovan’izy ireo ny joro. « Masina ity farihy ity satria fanaovana joro. Mahita tranotrano kely isika eto anoloan’ny farihy. Io izany ny toerana fanaovana joro », hoy i Rabevoninahitra Clariat. Anisany fitaovana iray miaro ny atiala eto Bemanevika io fomba io. Mialoha ny fangataham-pitahiana dia mamono omby eo amin’ny farihy ny mpanao joro. Nanazava i Rabemihaja Bory, mpanao joro fa manana ny tantarany ihany koa no ny nahatonga ny anaran’ity farihy ity. Nambarany fa diso ny fiantsoana azy hoe Maramarantsalegy. « Maramarantsarengy no izy. Sarengy izany dia vorona miahy sady zavapady ny mamono azy. Maria – Circus ny anaran’io vorona hitantsika mahitsihitsy io. Fady vonoina , fady hohanina io vorona io. Manana karazana radara izy io. Ohatra, anorana ny andro dia miova ny feony. Diso iny Maramarantsalegy iantsoana azy iny fa maramarana sarengy. Volo no dikan’ny Maramarana, sarengy midika hoe Maria ». Faritra arovana miavaka tokoa i Bemanevika raha ny zavaboahary ao aminy, sy ny ezaka ataon’ireo mpisehatra toy ny mpitantanan ny faritra arovana, ireo tekinisianina mpikaroka, ny VOI ary ny fahazotoan’ny mponina miaro ny atiala no jerena. Ahoana kosa no hitrandrahana ireo zavamaniry, indrindra ireo zavamaniry fatao fanafody ho lasa fidiram-bolan’ny mponina manodidina, ho an’ny faritra Sofia ary ho an’i Madagasikara iray manontolo?
Ra-Nirina
HORONANTSARY: 26 mn
Fanadihadiana notontosaina tamin’ny alalan’ny « Bourse de Reportage » – Mpanao gazety ho an’ny faritra arovana -Fondation pour les Aires protégées et la biodiveristé de Madagascar (FAPBM)