Socio-eco

ATSANTSA SY MAKOBA: Miantoka ny firindran’ny rohivoahary an-dranomasina, misy fiantraikany ratsy ny fihazana azy tafahoatra


Efa nisy teto Madagasikara efa ho 100 taona mahery ny jono atsantsa ary efa nisy hatramin’izay ny fanondranana  ny henany  sy ny vombony. Nahitana fihenana be anefa ny vokatra taorian’ny taona 2013 noho ny  jono tsy ara-dalàna, ny fiovan’ny toetrandro… Tamin’ny taona 1995 ka hatramin’ny 2003, ny habetsahana naondrana dia avy amin’ny 1300 taonina ka hatramin’ny 20.000 taonina isan-taona. Nitombo be izany ny taona 2004 ka hatramin’ny taona 2013, teo amin’ny 30.000 ka hatramin’ny 40.000 taonina. Nihena avo sasaka izany taorian’izay, latsaky ny 15.000 taonina, araka ny  fanazavan’i Rasamoelina MoÏse, Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy. Nanangana drafi-pirenena ho an’ny fikajiana sy fitantanana lovainjafy ny atsantsa sy ny makoba eto Madagasikara (PNCGDRR) ny ministeran’ny jono sy ny harena an-dranomasina, ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, ny  Wildlife Conservation Society (WCS) ary ireo mpisehatra voakasik’izany ny taona 2019,  heritaona taorian’ny  famolavolana  tondrozotram-pirenena ho fikajiana sy fitantanana ny atsantsa sy makoba. Ho fitantanana mahomby ny jono atsantsa sy makoba sy iadiana ny loza mananontanona ireo karazam-biby ireo no tanjon’ny PNCGDRR.

 Nampahafantarina  ny 02 septambra 2024, teny Antaninarenina ny fanombohana  ofisialy  ny fanatanterahana ity drafitra nasionaly ity. Ao anatin’ny paikady hikajiana sy hitantanana maharitra ireo biby ireo ny fanombanana ny loza manambana azy ireo, ny fampahafantarana ny anjara asan’ izy ireo amin’ny rohivoahary an-dranomasina sy lanjany ara-toekarena, ny fanangonana antontan-kevitra momba azy ireo (ny toeram-ponenany, toe-piainany, ny isan’izy ireo…), ny fikarohana ara-tsiantifika  ireo karazany atahorana ho lany tamingana sy ny famelomana  ireo karazany mihavery. “Zava-dehibe ny fananana ity drafitra nasionaly ity mba ahafahana mitantana maharitra ireo  atsantsa sy makoba sy mampihatra enjakenjana kokoa ny lalàna, indrindra ny jono tsy ara-dalàna izay anisany miteraka fahasimbana goavana amin’ny ny fitantanana maharitra ireo karazam-biby ireo”, hoy i Rasamoelina Moïse, Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy. Nanambara ihany koa i Rasolofomanana Lovy, Tale Jeneralin’ny  WCS eto Madagasikara fa manana iraka manokana amin’ny fitandroana  ny zavamaniry sy biby manerantany, indrindra ireo miaina amin’ny tontolo dia ny WCS ka handray anjara amin’ny fanangonana antontan-kevitra sy torohay momba ny atsantsa sy makoba ny fikambanana. “Ilaina be ny mahafantatra izany  satria miantoka ny fitantanana maharitra azy ireo sy antoka lehibe ho an’ny tontolo iainana sy toekarena”,hoy izy. Mitantana faritra arovana an-dranomasina dimy  eto Madagasiakara ny fikambanana.  Mitentina 694.000 dolara na 2.427.500.000 Ariary ny tetibola ho ampisaina amin’ny fanatanterahana ny PNCGDRR.

 Misy karazany 211  ny atsantsa  sy makoba manerantany. Karazana atsantsa 80 sy karazana makoba 44 no mandalo eto fari-dranomasin’i Madagasikara.  Karazana atsantsa 37 no sokajiana ho “andalam-paharinganana” ary 22 no sokajiana ho “ tahirin-kevitra tsy ampy”, araka ny lisitra mena avy amin’ny  fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny fiarovana ny tontolo iainana (UICN). Manana anjara toerana lehibe  amin’ny fitazonana ny fifandanjan’ny tontolo an-dranomasina izy ireo. Amin’ny maha mpihaza ambony indrindra azy dia mitazona ny rojo sakafo sy ny tahiry trondro, manampy  amin’ny fanodinana otrikaina, mampihena ny aretina, ary mifehy ireo biby manafika. Ankoatra izay, mitana anjara toerana lehibe amin’ny lafiny ara-toekarena ihany koa ireto karazam-biby ireto.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *