Voaresaka matetika teny amin’ny tamba-jotra sosialy ny ataon’ny mpiasan’ny fadintseranana eny Ivato. « Tsy manaiky ny fanalam-baraka sy fanosora-potaka atao amin’ny mpiasan’ny fadintseranana izahay aty amin’ny fitantanana ankapoben’ny fadintseranana amin’ireo famoahana sary sy anarana tsy nahitana porofo akory », hoy ny tale misahana ny fadintseranana manerana ny nosy, Haja Rakotoarimalala.
Nohamafisiny fa iny ramatoa « controleur » voaendrikendrika tao amin’ny facebook iny dia « agent méritant » ny taona 2018. Nahavita nahita « devises » tsy ara-dalàna, nahatratra rongony « heroine »…Ankoatra izay ny fisian’ny fandrahonana mahazo ny mpiasan’ny fadintseranana ataon’ny tamba-jotra sosialy. Manginy fotsiny ny teny maharary ataon’ny olona ao amin’ny tamba-jotra sosialy facebook.
Noho izany dia hitondra ny raharaha eny amin’ny manam-pahefana ny tomponandraikitry ny fadintseranana satria mahatsiaro tena ho voahoso-potaka. Mihaino ireo izay mivezivezy eo amin’ny seranana kosa anefa tomponandraikitry ny faditseranana. Misy ihany koa ny sehatra azon’ny mpanjifa hitarainana amin’ny alalan’ny tranokalan’ny fadintseranana.
Tao aorian’ny fivoahan’ny lalàna vaovao tamin’ny volana desambra 2018 lasa teo momba ny vola azon’ny mpandeha entina dia mila taratasy ny vola 7.500 Euro sy ny mitovy lanja aminy. Tsy hisy kosa noho izany ny taratasy fanamarinana raha latsaka io ny vola entina na miditra kanefa zon’ny mpiasan’ny faditseranana ny manontany raha misy ny mampiahiahy azy ireo.
Marihana fa tao aorian’ny fandalovan’ny ministra tomponandraikitra ka niresaka mivantana tamin’ireo mpiasan’ny fadintseranana dia ho ampitoviana amin’ny any ivelany ny kalitao. « Hampiarina ny lalàna fa misy kosa ny fanajàna apetraka ». Ho afainganina ihany koa ny fivezivezen’ny mpandeha ka tsy ho ampandalovina eo amin’ny « scanner » avokoa ny entana rehatra kanefa kosa misy ny fepetra raisina (analyse de risque) hiarahana miasa amin’ireo kaompania.
Nirina R.