Socio-eco

ARETINA PESTA: Mampitandrina an’ireo mpanely tsaho ny Filoham-pirenena.


Nitondra ny anjara birikiny amin’ny fanampiana ny firenena Malagasy noho ny fisian’ny pesta ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Nanolotra fitaovana ahafahana miaro amin’ny pesta toy ny « gants, masques…, famonoana parasy sy voalavo ary fanafody ho an’olona voan’ny pesta miisa 7000 ny “Organisation Mondiale de la Santé (OMS) sy ireo mpiara- miombona antoka amin’i Madagasikara.

Azo tsaboina.

Nanatrika ny fizarana ireto tolo-tanana, iadiana amin’ny fihanaky ny pesta ireto ny Filoham-pirenena Malagasy, Hery RAJAONARIMAMPIANINA, ny 10 oktobra 2017. Nambarany fa aretina azo tsaboina tsara ny pesta fa mila raisina an-tanana haingana ireo voany.Vao maika mampatahotra ny vahoaka ny fanelezana tsaho momba ity trangan’aretina ity. Mampitandrina ireo minia manao izany ny tenany.
Manatevin-daharana amin’ny fandraisana an-tanana ny marary ireo manam-pahaizana isan-tsokajiny avy ao amin’ny OMS. Hanampy amin’ny fisorohana sy ny fiparitahan’ny pesta amin’ny faritra hafa sy ireo firenena manodidina amin’ny alalan’ny fizaham-pahasalamana eny amin’ny seranam-piaramanidina, toby fiantsonan’ny zotra nasionaly sy rejionaly izy ireo, araka ny fanazavan’ny solotenany , miasa eto amintsika, Dr Charlotte Faty Ndiaye.
Nirina R.