Fantatra tamin’ny alatsinainy 02 septambra 2024, teny amin’ny Orange Digital Center Madagascar, eny amin’ny Gare Soarano ny anaran’ireo ankizy mpandresy tamin’ny « Challenge Supercodeurs Ankiz’Innov Vakansy 2024 ». Nibata ny amboara i Iriantsoa Saïd Ramilison, mpianatra avy any Antsirabe. Vatsim-pianarana sy fitaovam-pianarana ary amboara no natolotry ny Filohan’ny Orange Solidarité,Benja Arson azy. Nitana ny laharana faharoa i Sarobidy Fandresena avy any Mahajanga ary laharana fahatelo i Jean Rudji Fenozara avy any Sambava. Samy nahazo vatsim-pianarana sy fitaovam-pianarana ihany koa izy mianadahy ireo. Fifaninanana nokarakarain’ny fikambanana Orange Solidarité niaraka tamin’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny ankizy (UNICEF) ho an’ireo sekoly nomerika eto Madagasikara ny Challenge Supercodeurs. Mpianatra 525 avy amin’ny sekoly nomerika miisa 22, no nandray anjara tamin’ny andiany faharoa. Nahazo fiofanana momba ny fampiasana ny “codage informatique” izy ireo ny 24 jolay ka hatramin’ny 8 aogositra 2024. Tany Sambava, Nosy Be, Antsiranana, Fianarantsoa, Toliara, Manakara, Mahajanga, Toamasina, Antsirabe ary teto Antananarivo no natao ny fiofanana. “Fianarana ny codage informatique amin’ny alalan’ny kilalao no nataon’ireo ankizy. Nampianarina logiciel mifanaraka amin’izany izy ireo. Manokatra sahady ny sain’ny ankizy amin’ny teknolojia vaovao ny fiofanana tahaka izao”, hoy i Andrinirina Feno, Tale misahana ny teknolojia vaovao eo anivon’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena (MEN). Ny logiciel “Scratch” no nampianarina azy ireo. Nanamafy ihany koa ny Filohan’ny Orange Solidarité fa manampy ny ankizy hisantatra ny tontolon’ny nomerika amin’ny alalan’ny fialamboly ny fiofanana nomena azy ireo”. Miompana amin’ny zon’ny ankizy ny lohahevitra tamin’ity andiany ity. Fantatra fa mbola hitohy amin’ny taom-pianarana vaovao ny andiany fahatelo amin’ny « Challenge Supercodeurs Ankiz’Innov Vakansy. Marihina fa fandaharan’asan’ny Orange Solidarité ny “sekoly nomerika”. Efa mahatratra 200 mahery ny sekolim-panjakana misitraka io fandaharan’asa io. Anisany manome fampitaovana ilaina amin’ny fikirakirana ny nomerika sy fiofanana momba izany ny fikambanana.
Ra-Nirina