Socio-eco

ANDRO IRAY TSY MISY FANDOTOANA : Nadio ny rivotra nanaovana ny hetsika


Rehefa volana oktobra, novambra, desambra dia maloto ny rivotra eto Antananarivo noho ny fandorana biriky, ny doro-tanety ary indrindra ny setroka avoakan’ny fiara, ny môto. Natao ny 06 oktobra 2024 teny Imahamasina ny « andro iray tsy misy fandotoana » nokarakarain’ny Ministeran’ny tontolo iainanana sy fampandrosoana Lovainjafy. « Azo atao tsara ny miaina amin’ny rivotra madio rehefa tsy misy fiara na môto mandeha amin’ny solika eto Antananarivo renivohitra », hoy i Max Andonirina Fontaine. Fiara elektrika, môto elektrika, bisikileta sy izay fitaovana misy kodiarana tsy ampiasana solika no afaka nandeha teny amin’ny lalana nanaovana ny hetsika. Nisy ny fampisehoana ireo voninkazo isan-karazany sy hazo misintona ireo loto eny amin’ny rivotra. Nandritra ny diabe natao ka nanapahany lalana dia tsapa fa nadio ny rivotra rehefa norefesin’ny Météo tamin’ny fitaovana manaraka ny teknolojia. Nandalo teo amin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka ny hetsika. « Misy fiantraikany amin’ny fahasalaman’ny olombelona ny fahalotoan’ny rivotra iainana io. Mahatonga ny aretina fahaseporana ho an’ny zaza sy olona marefo », hoy ny Dokotera, RAHARIMAMONJY Laliarisoa, Tale misahana ny fampiroborobona ny fahasalamana. Mahazo ny antotanisa isan-kerinandro avy amin’ny fisian’ny fitaovana eo amin’ny tranon’ny ministera izay mandrefy ny kalitaon’ny rivotra eo amin’ny arabe ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, hoy izy. Misy ny fandraisana fepetra manoloana izany ho an’ny fahasalaman’ny vahoaka miainga amin’ny antontanisa azo. Nomarihan’ny ministra Max Andonirina Fontaine fa 22% ny maty noho ny fahalotoan’ny tontolo iainana raha ny navoakan’ny OMS.

Nojerena tamin’ity hetsika ity ihany koa ny mety hiaraha-miasa amin’ny kaominina Antananarivo hanadiovana ny rivotra ao amin’ny tonelina roa.

Nisy ny fifanaovan-tsonia natao tamin’ity « andro iray tsy misy fandotoana » ity. Fampiharana ny fenitry ny kalitaon’ny rivotra, ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina, ary ny fanentanana momba ny fomba fanao tsara amin’ny tontolo iainana no anisan’ny tanjon’ny fifarahamiasa. Samy manana ny andraikiny ny roa tonta.

Ministeran’ny MEDD sy  ny Minisitra Delege misahana ny Zandarimaria. Ny MEDD no mamolavola ny rafitra ara-dalàna, manome fahaizana ara-teknika, manao  fanentanana, ary manara-maso ny famoahana etona. Ny MDG kosa dia mandray anjara amin’ny  fandrafetana sy  fanaraha-maso ny famoahana etona, manentanana ny mpampiasa lalana, ary miaraha-miasa amin’ny MEDD amin’ny fianarana traikefa .

Fanaovantsonia eo amin’ny MEDD sy ny  société Vmoto Madagasikara. Ny MEDD dia manentana ny mponina sy ny fitantanam-panjakana momba ny fampiasana fiara elektrika mifanaraka amin’ny tontolo iainana.  Ny Vmoto Madagascar kosa dia manolotra moto roa mandeha amin’ny herinaratra ary manome fiofanana mikasika ny fikojakojana, fanampiana ara-teknika mba hampiroboroboana ny fitaterana  maharitra eo amin’ny sehatra ara-panjakana.

Eo amin’ny MEDD sy ny Kajy University. Ny MEDD manohana ny Kajy University amin’ny fampielezan-kevitra , manolotra fiofanana ho an’ny mpianatra, ary mizara angon-drakitra mba hanatsarana ny fampiofanana sy ny fikarohana momba ny tontolo iainana. Kajy University dia manamafy ny fanabeazana momba ny tontolo iainana, mandrisika ny fikarohana momba ny olana nasionaly (fandotoana, fiovaovan’ny toetr’andro, fitantanana ny fako), ary manome fiofanana matihanina afaka mamaha ny olana ara-tontolo iainana. Ny tanjona dia ny fiarahamiasa eo amin’ny sehatry ny tontolo iainana, ny fampandrosoana maharitra, ary ny fanabeazana mba hananganana ny fahaiza-manao eo an-toerana sy hampiroboroboana ny vahaolana maharitra mba hampihenana ny fandotoana sy ny entona manimba ny tontolo iainana.

Eo amin’ny MEDD sy ny Agence de Transports Terrestres (ATT). Ny MEDD dia manome fahaiza-manao ara-teknika, manao hetsika fanentanana ary manamora ny fidirana amin’ny loharanon-karena iraisam-pirenena. Ny ATT, kosa etsy ankilany, dia mampiroborobo ny angovo tsy mandoto eo amin’ny sehatry ny fitaterana, manentana ny matihanina amin’ny fitaterana, ary mandray anjara amin’ny fitantanana ny kalitaon’ny rivotra.

Eo amin’ny MEDD sy ny Centre National de Recherches Industrielle et Technologique (CNRE). Ny MEDD, amin’ny alalan’ny DPDIDE, no tompon’andraikitra amin’ny fametrahana ny paikady fitantanana ny fandotoana ao amin’ny firenena, ary mampiroborobo ny fikarohana eo amin’ny sehatry ny fandotoana. Ny CNRIT, amin’ny maha-fikambanana mpikaroka azy, dia manome fahaiza-manao ara-tsiansa momba ny fandotoana sy ny fitantanana ny fako, mampiroborobo ny fiaraha-miasa amin’ny fikarohana, ary mizara angon-drakitra amin’ny MEDD hanohanana ny hetsika ara-tontolo iainana. Miara-miasa ny roa tonta amin’ny fampiroboroboana ny vokatry ny fikarohana siantifika manohana ny indostria maharitra sy ny fitantanana mahomby ny tontolo iainana.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *