Socio-eco

AMBATOASANA SOAVINANDRIANA: Nahazo fotodrafitr’asa vaovao momba ny fahasalamana, fanabeazana, rano fisotro madio


Voasafidy ho isan’ireo kaominina  hisitraka ny fandaharan’asa « Village Orange » i Ambatoasana Afovoany ao amin’ny distrikan’i Soavinandriana, faritra Itasy. Nahazo  fotodrafitr’asa vaovao momba ny fahasalamana, fanabeazana, rano fisotro madio ny kaominina. Mponina miisa 9.000 no hahazo tombontsoa amin’izany. Niampy iray ny trano ampiasain’ny toeram-pitsaboana CSBI. Ahitana efitrano miisa dimy ny trano ary nanamboarana toeram-pidiovana sy fidiovana eo ivelany. Nanome fitaovana ho ampiasaina ao ihany koa ny malala-tanana miara-miasa amin’ny fikambanana Imanga. Nanamboarana efitrano miisa roa ihany koa ny CEG Ambatoasana sady nomena dabilio. Ankoatra izany,  vovondrano telo no namboarina tao amin’ny kaominina.  Fiarahamiasa tamin’ny fikambanana Imanga, ny kaominina Ambatoasana no nahavitana ireo fotodrafitr’asa. Niray hina ihany koa ny mponina tamin’ny asa fanamboarana. Village Orange » faha-28 ny ao Ambatoasana. Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny 8 septambra 2023 izany. Nanatrika ny lanonana ny Governoran’ny faritra Itasy – Jeneraly  Andriamanana Maherizo , ny Ben’ny tanànan’ny Ambatoasana Afovoany –  Raharimalala Ranjaline, ny Filohan’ny  Orange Solidarité Madagascar -Benja Arson sy Tale Jeneraly maromaro avy amin’ny Ministeran’ny fahasalamana, fanabeazam-pirenena ary manam-pahefana avy ao an-toerana. Tsara ny mampatsiahy fa fandaharan’asan’ny Orange Solidarité Madagascar, tohanan’ny Fondation hitondrana fampandrosoana  ara-tsosialy sy toekarena, indrindra amin’ireo toerana sarondalana ny « Village Orange ».

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *