Investigation

ADY TANY AO AMIN’NY LABANDY AO MAMPIKONY SY PORT BERGÉ : Miaina anaty fijaliana na ireo mponina mitsoaka any anaty ala na ireo mijanona an-tànana


Mizara roa ny fokonolona ao amin’ny fokontany folo (10)  ao Mampikony sy Port Bergé faritra Sofia noho ny ady tany izay mitondra ny anarana hoe  « Lot de colonisation Port Bergé, lot 41 »  mirefy 3000 hektara. Ny ankilany miaraka amin’ny Cotona Real Estate milaza ho tompon’ny tany  ary ny andaniny miady ny tany satria efa nanajary an-taonany maro. Lasa mitsoaka any anaty ala ny vatan-dehilahy nanajary ny lemak’ i «Labandy»  noho ny fanenjehana azy ireo. Niharan’ny fandrahonana, vono, fandrobana fananana ireo mijanona ao an-tanana. Nopotehin’ ny traktera ampolony nalefan’ny milaza tompon’ny tany ny  voly vary.

Toy ny any amin’ny tany miady. Zaza amam-behivavy sy beantitra sisa no mijanona ao an-tànana  ary lasa any anaty ala kosa ireo lehilahy matanjaka vokatry ny ady tany misy eo amin’ny fokonolona nanajary ny tany sy ny orinasa Cotona Real Estate milaza fa tompon’ny «Labandy»  ao Mampikony sy Port Bergé.  Anarana napetaky ny mpanjanaka tamin’ireo lemaka mamokatra any Mampikony – Port Bergé ity “Labandy” ity . Tany mirefy 3000 ha no voakasikin’ny ady tany. Nisoratra tamin’ny mpanjanaka tamin’ny vanim-potoana ny fanjanahantany  ireo Labandy ary nampitondraina ny anarana hoe « Lot de colonisation Port Bergé, lot 41 ». Lasan’ny orinasa Cotona izany ankehitriny. Raha vakiana tokoa  ny “certificat de situation juridique” dia efa misoratra amin’ny COTONA ny tany ary niova anarana sy laharana toy ny 990-DT, ny 13 DT ary ny 12-DT.  Ao anatin’ny vondrona  Cotona ny Cotona Real State ary misahana ny fananan’ ny vondrona ny andrikiny. Manana  petra-bola 45% ao amin’ity Cotona Real Estate ity ny fanjakana malagasy raha ny nambarany tomponandraikitry ny vondrona Cotona. Ny Sarelacos kosa no vita fifanarahana aminy vondrona Socota hamboly ny tany fa manofa ny tany. Izy ireo indray no manao fifanarahana amin’ny mpamboly te hamboly. Ny taona 2012 no nanomboka ny olana ara-tany teo amin’ny Coton Real Estate sy ireo nivelona tamin’ny io tany mamokatra io na ireo mangataka ny tany. Milaza ny fokonolona mampiasa ny tany fa tsy mazava no nahazoan’ity orinasa mivondrona ao amin’ny vondron’orinasa Socota ity ny tany. Fokontany miisa 10 toa an’i Ampampamena, Tsimijaly, Ampandroangisa, Tsararivotra, Andranomadio, Sarodrano, Antsiraka, Antsaronala, Ankijanamanga ary Antanakova. Ankehitriny dia mizara roa ireo fokonolona ao amin’io Labandy io. Eo ireo fokonolona mangataka ny tany izay namboleny ary ireo fokonolona nahazo alàlana  avy amin’ny Cotona hamboly amin’ny tany. Lasa mpifahavalo ny roa tonta noho ity ady tany ity.

Nitsoaka any anaty ala ny fokonolona

Lasa nitsoaka any anaty ala ireo vatan-dehilahy rehefa nisy ny fisamborana nataon’ny zandary ka ny zaza amam-behivavy sy ny antitra sisa teo an-tànana . Nanomboka ny 17 janoary 2022 io fisamborana io. Raha ny tantara dia tonga tao Antsiraka, kaominina Ampasimatera ireo traktera avy amin’ny orinasa Cotona Real Estate. Araka ny fitantaran’ny fokonolona nanajary ny tany dia nisy  traktera enina (6) tonga tao an-toerena ny 7 desambra 2021 nitrongy sy namotika ny voly novolen’ny fokonolona mpiady tany.  Herinandro taorian’io ihany koa,  ny 14 Desambra 2021 dia nisy ny  fandrobana fananan’olona narahina famonoana olona tao Ampandroangisa ka nahatonga ny fitsoahan’ireo fokonolona mpambolin’ny Socota, hoy  I Victor, tomponandraikitra teknika ao amin’ny Sarelacos. Nisy ny dingana nataon’ny orinasa ka nanokatra fanadiahadiana ny Zandary ka niroso tamin’ny fisamborana ireo heverina fa  nandoro ny traktera roa (2) tamin’ireo traktera enina (6) sy nanao ny fandrobana tao Ampandroangisa. «Niverina an-tànana indray kosa ireo mponina miaradia amin’ny orinasa Socota ka  anjaran’ny fokonolona  mpiady  tany indray no nitsaoka», hoy hatrany i Victor.

Velonjoro Bertin monina ao Antsiraka

Velonjoro Bertin monina ao Antsiraka

Nitantara ny fomba natao azy i Velonjoro Bertin monina ao Antsiraka .  « Latsaka orana ny taona 2021 namboly izahay. Tonga teto traktera namotika volinay, namaly izahay fa halanay zareo namotika volinay…volinay trongotrongisina. Nanohitra zahay. Fokonolon’ny Socota mitondra zandary amin’ny 12 alina misambotra, nosimbaina varavarana, nakany anay mivady teo ampandriana nivoaka an-tokontany. Netina tao amin’ny magazain’i Socota. Nampijaliana tao, tipaka mandeha, tena malahelo zahay ».

Benedict no teraka tsy tonga volana ( 7 volana).

Benedict no teraka tsy tonga volana ( 7 volana).

Vehivavy iray atao hoe Benedict no teraka tsy tonga volana ( 7 volana). « Olon’ny Socota no niaraka amin’ny zandary nanondro olona. Iny zanak’ilay rangahy iny hoy izy ireo. Izaho no tratran’izy ireo teo. Aiza babanao, izy tsy hitako, hoy izaho. Tsy marina izany hoy ny mpiasan’ny  Socota. Tsy aiko  tany misy azy hoy izaho. Tsy fandriana iraiky izahay. Rehefa tsy hita ny papanao dia hentinay ianao niany. Izay tavela teo manadroadro. Zandriko niafina an-tanety tany hitan-jareo…lasa zareo nanenjika tany. Nisy namely tehamaina, nitsongo sofiny, notaritaritiny teto an-trano ny zandriko. Tsy zakako izay, lasa izaho nitsoaka. Nitsaka ny ranon’i Bemarivo izaho. Niakatra tanety nilefa ny fokonolona. Rehefa tafiakatra tanety tany izaho, nadeha rano madio dia nandeha lio. Nidraman-jareo trano eo amin’ny sisin’ny tampon-tanety . Teraka tao ny zanako roa ireto. Ny maraina zahay nandeha Ankitriky,nadeha lakana, rano niakatra be. Nandeha dokotera, dispensaire. Tsy salama ireo zaza tamin’ny nanaovana ny fanadihadiana ny volana Martsa 2022 lasa teo.

Sivily misambotra sivily

GPHC, Ratsimbazafy Modeste

GPHC, Ratsimbazafy Modeste, Commandant de Brigade(CB) ao Mampikony

 « Tsy azony olon-tsotra atao ny misambotra olona » hoy ny Gendarme Principal  Hors Classe, Ratsimbazafy Modeste,  Commandant de Brigade(CB) ao Mampikony. Fisamborana amin’izao dia resaka fandorana traktera, fandrobana sy fiorampefy. Mifanohitra amin’izany kosa anefa ny zavatra mitranga ao Antsiraka raha ny fitarainan’ny Fokonolona.  Olona miaraka amin’ny Socota no maka ny olona haterina any amin’ny Zandary raha ny fitantaran’ny fokonolona.  « Tamin’ny voalohany nisy zandary anondroany anay fa taty aoriana tsy misy zandary intsony.  Mitondra meso , fitaovana maranitra zareo manenjika. Miisa dimy zareo manafika ato an-trano. Amin’ny 3 sasany maraina zareo tafiditra an-trano. Nentin-jareo izahay, nofatorana izahay telo tamin’ny tady iray. Nampijaliana nitety iny lalana mandrampahatonga tany Mampikony.  Nafahany fitsarana izahay zao dia afaka maketo an-tànana », hoy Firiel mponina ao Antsiraka. Marihana fa 30 km miala ny Mampikony no misy an’i Antsiraka.

Flegone monina ao Ampampamena

Flegone monina ao Ampampamena

Efa avy vosambotra i Flegone monina ao Ampampamena ary navotsitry ny fitsarana. Mitantara ny zava-misy izy.  «Tsy miaramila manambotra fa sivily. Olona miaraka amin’ny fibara, zava-maranitra no enti-dreo manambotra olona.  Misava trano, trano efa mihidy lakilé de savain-dreo.  Misy zavatra very amin’zany, ny vadiny no tokony samborin-dreo, entin-dreo anefa ny vaiavy …manoloana an’izany, milefa , mitsaka rano. Eny antanim-bary no misambotra olona ny fokonolon’ny Socota. Mipetraka an-tànana foana ny zandary, izay voasambotra avy any no entin-dreo amin’ny zandary. Kapokapoan’ny zandary ny izy avy eo ».  Misy amin’ny endriny hafa ihany koa ny zava-misy ao Antsiraka.

Liza monina ao Antsiraka

Liza monina ao Antsiraka

Ny Alakamisy  17 mars 2022, nisy olona niditra an-keriny tao an-tranon’i Liza.  « Notapenany ny vavako ka rehefa nivaha ny tanany dia lasa izy nivoaka, andro alina dia tsy fantatra ilay olona fa mpiasany Socota ny fahafatarako azy no nanao izany satria tsy misy lehilahy hafa eto an-tànana ». Tsy nitory zahay satria prezidà pokontany tsy misy satria nitsoaka any anaty ala, hoy izy. Mitantara ny fiainany ao Antsiraka i Jérôme Dominique.   « Enjehiny tahaka ny manenjika lambodia ny atao amin’ny fokonolona, manambola, masin-teny amin’ny fanjakana ny Socota. Henjehina amin’ny fibarana, meso, amin’ny kobay. Na vehivavy na lehilahy. Milefa ny fokonolona satria sarotra ny  mifamono amin’olona dia aleo milefa anaty ala. Maka olona amin’ny fokontany efatra manodidina Antsiraka ireo fokonolona miaraka amin’ny Socota hanampy azy ireo amin’ny fanenjehana  fokonolona miady tany eto Antsiraka ».  Nilaza kosa anefa i Victor tomponandraikitra teknika ao amin’ny Sarelacos fa tsy  misambotra ny fokonolona miady tany ny  fokonolona Socota… « tsy anjaranay ny mifehy ny fiarahamonina », hoy izy.

Fampijaliana ara-batana sy ara-tsaina

Geraume Dominique mponina ao Antsiraka

Jerôme Dominique mponina ao Antsiraka

Mitebiteby ny fokonolona mpiady tany amin’ny io Labandy io.  Tsy mandry alina tsy mandry andro fa mitaintaina isan’andro. Mitantara ny nanjo azy ity lahy antitra antsoina hoe Jérôme Dominique. Ny 03 Martsa 2022 ,  « saika vonoin-jareo izahay mivady, 4 dahy zareo tamin’izay. Miandry anay eo ambaravaranay, miaraka amin’ny sabôa, aminy tsindrona, hombohombohina izahay,  tapahiny ny mahalehilahy sy mahavehivavy no dikan’izany. Taminy 10 ora alina ka hatramin’ny 1 ora maraina no nitrangan’izany. Tsy nivoaka izahay dia lasa zareo ». « Halanjareo mifandray amin’ny vadiko, saika alain-jareo koa ny telefonako », hoy Jeanette vadin’ny lefitry ny  sefo fokontany ao Antsiraka. Maniraka anay hiala eto no tena tanonjan’izy ireo hoy izy. « Hamono anay no tena ataon-jareo raha tsy miala eto izahay. Araraotin-jareo satria vehivavy daholo ny eto, vakin-jareo ny trano, alainy ny fanananay, vadivadian-jareo zanak’olona mandry an-trano. Tsy misy lehilahy hiaro ».

Elodie - mponina ao Antsiraka

Elodie – mponina ao Antsiraka

Herinandro nahaterahana tamin’ny andro nandalovanay mpanao gazety tao Antsiraka i Elodie, teraka irery . Ny vadiny dia anisan’ireo olona nitsoaka any anaty ala. « Novakian-jareo ny trano, lasa avokoa ny entana, batterie ny jiro tan-trano, ny akoho ely tao, fiompiana madinika tao lasa jiaby. Teraka irery tato tsy nisy namana. Nalemy irery tato teraka, tsy misy zavatra azo nohanina. Lehilahy ireny nilefa, tsy misy hanina an-drahoana. Ny raha andrahoana tsy misy. Mitomany foana isan’andro, refa alina ambory, sao dodomin-jareo iny. Olona malemy teraka herin’andro efa tsy ihinana. Mihinana matsana, amin’ny maray koa vao mivaly satria tsy misy ny mpamelona. Motro andrahoana azy tsy misy. Vary matoy alain-jareo. Izay malahelo sisa manome, toy e…roa  volana sy roa herinadro no nitsoahiny ». Nisy fotona nihava vary indray andro i Masinà, vavy antitra.  « Nisy olon’ny  Socota niteny hoe varinao moa io? variko io hoy izy. Nampijliany izaho, Niantso vonjy, maty izaho eeee.  Ela nisy olo nahita, e lehilahy e, anti-bavy vonoinao e…raha nianjera izaho maty. Sadaba gezabe no nentiny Zay mampalahelo anay, nivonoiny, vary ana  nongotan-jareo, tsy mbola matoy. Vary maintso, tsy nisy tavela. Ireo mpamboly lojy ireo, hamono anay eto ».

Fiainana any anaty ala

Réné - Mponina ao Antsiraka

Réné – Mponina ao Antsiraka

Raha toy izay ny fiainan’ireo mijanona eny an-tànana dia mbola fijaliana hafa koa ny an’ireo nitsoaka sy miaina any anaty ala. Miaina miaraka amin’ny moka sy biby isan-karazany manginy fotsiny ny orana tsy maintsy niainana. Niakatra an-tànana naka vatsy i Réné no sendra anay. « Maty ny jaly, tsindry ataon-drizalahy Socota eto an-toerana izahay. Tsy mazaka tànana. Mba tsy ahafaty olona izahay dia manaiky izahay milefa. Anivondrano misy anay any. Miara matory amin’ny biby izahay any. Olombelona izahay, tsy mitovy saina amin’ny biby. Mangady vahatra mety hohanina, marahaly ny anarany. Karazany tsy fiainan’olombelona ny fiainanay, fiainam-biby satria tsy mihinana hanina masaka anaty vilany aiky izahay. Lamba maloto, tsy afaka misaraka aminay ireto satria mandry amin’ny fotaka. Tsy ary mahita vady aman-janaka zahay amin’izany. Tsy mihinan-kanina ny vady aman-janaka .Tsy mahavelon-jareo za fa tsy naman-jareo eto an-tànana . Tsy vitan’izay fa korontanina andro aman’alina. Lasa izy, rehefa  avy nitafatafa taminay mpanao gazety.

Lezara - Mponina ao Antsiraka

Lezara – Mponina ao Antsiraka

Nanambara koa i Lezara fa tsy homan-kanina fa izay hita no harapaka . « Batata maina hoanina manta. Laniny moka, samy miparitaka ao anaty ala mizaha raha ho anina. Rehefa tonga anaty ala samy mandeha lalana ombany. Mahogo, tsakotsako, mangady malita, marahaly, agadiana aminy fotaka ireo, voankazo anaty ala. Tsy mihinambary. Tsy lehilahy ihany no any fa misy vehivavy ihany koa. Raha tsy mandeha any izahay dia enjehiny amin’ny kobay, fibarana, raha maranitra ». Lezara dia monina ao Antsiraka. Toy izao kosa ny fitantaran’ i Ramanana Jean De Dieu monina ao Ampampamena ny fiainany anaty ala sy ny fitsoahana any anaty ala. « Izahay tsy matory an-trano fa any anaty ala matory. Matahotra ny hosamborina. Tsy mandry alina tsy mandry matsagna, zanaka anay tsy mihinan-kanina. Izahay izao mahia kely ho faty. Moka tsy moka ny any. Tsy misy zavatra ho anina, olona mandalo no hangatahina zavatra hohanina.  Horohoron-jareo fa an-jareo ny fanjakana. Alaina an-keriny ny  zavatra anay. Izahay tsy nangalatra, tsy naninona ».

Ramanana Jean De Dieu - Mponina ao Ampampamena

Ramanana Jean De Dieu – Mponina ao Ampampamena

Raha niresaka taminay tamin’ny alalany antso an-tariby ny sefo fokontan’ Antsiraka izay nitsoaka any anaty ala dia nilaza fa tsy vita ny asam-pokontany toy ny fanisana ny vahoaka (rescensement).  Eo ihany koa ny fikarakarana lisi-pifidiana tsy vita. Eo amin’ny fiatrehana ny fiainana any anaty ala dia fijaliana no iainana. « Laniny moka, lenan’ny orana, sahirana ara-tsafako. Ovy ala, zavatra anaty ala, ny lamba maloto ».  Miisa 20 eo izy ireo no miaraka any. « Nitsoaka tany anaty ala zahay nandritra ny herinandro, efatra  andro tsy nihinankanina. Horohoro isan’andro. Tsy misy hanina hohanina, mangovitra dia tsy manatona misy olona. Anaty ala foana no miafina. Manga no hohaninao rehefa te hihinanana, maleda . Rehefa tsy nanambotra  vehivavy dia niverina an-tànana izahay. Nefa zahay mbola enjehina isan’andro. Efa saika nosamborina koa fa lazaina fa nitaty resaka amin’ny dahalo nilefa nandositra, ireo fokonolona nilefa ireo no lazaina fa dahalo » hoy i Didine monina ao Tsimijaly. « Ianao no mpitondra resaka mandeha amin’azy any, tsy maintsy samborina anao , hoy ny Zandary mantsy azy. Na mba mivarobarotra dia tsy eken-dreo dia mipetrapotsiny». 400 farafahakeliny ny lehilahy nitsoaka. Tsy nisy niverina ireo lehilahy ireo hatramin’izao.

Tsy ireo namboly no mijinja

Sahiran-tsaina, valala voatango tsy misy tanana an-drangotra sy tongotra hitsipaka ireo fokonolona miady tany amin’ireo toerana nanaovanay ny fanadihadiana.  Tsy afaka maka ny vary namboleny araka ny nolazain’izy ireo fa enjehina sy samborina mihitsy vao manao izany. Olana doro traktera tany an-tsiraka hoy ny sasany koa ny vokatra vary aty amin’ny Labandy iray manontolo no simbaina sy tsy avela alainay ny vokatra vokarinay hoy ireto fokonolona mangataka tany ireto. Ankilany kosa anefa dia misy olona karamain’ny Socota mijinja ireo vokatra. Mandray 230.000 ariary ny atsasaka hektara.

Velonjoro

Velonjoro – Nokaramain’ny Socota hijinja vary

 « Nokaramainy Socota hanapaka vary izahay. Tsy izahay no tompon’ny vary. Izaho tsy olona avy eto Ampampamena  fa any Ampasimeky no mamboly vary. Tsy miady tany eto koa anefa izaho. Socota no manakarama anay. Antsasaky hekitara, 230.000  Ariary ny karamanay  dimy lahy. Tsara ny vola ka rehefa nokaramaina izahay dia nanao », hoy Velonjoro . Niresaka tamin’ny mpamboly sy manofa tany amin’ny Socota izahay. Teo ampinjijana ny vokatry ny izy ireo. « Tsy fantatra ny ady tany fa izahay mpanofa ao amin’ny Socota. Izahay tsy tompon’ady fa zareo sy Socota no miady. Nikarakara izahay rehefa niteny Socota fa afaka miditra izahay hoy Pierrot.  Efa  tamin’ny taona 2014 izahay no namboly teto. Tany Socota tadiaviny alaina fotsiny dia tsy nanaiky Socota. Tamin’ny fiandohan’ ity taona ity, osakan-jareo izahay hamboly….isaky ny hiditra izahay sakana-jareo. Dia aleo nihataka aloha », hoy hatrany i Pierrot. Mifanohitra amin’izay kosa anefa ny mahazo ny fokonolona mangataka tany sady namboly ny vary.

Tantara Honorine - Mponina ao Ampampamena

Tantara Honorine – Mponina ao Ampampamena

«Zandary mijotso aty, manambotra fokonolona. Tsy misambotra ireo mangalatra volinay fa manabotra anay fokonolona namboly ny vary, hoy Tantara Honorine . Matahotra zahay midina ety, lehilahy tsy misy ety. Tranoko vakin-jareo, za tsy tao fa tany Behalanana nadeha nivarotra, nijerevany ny anadahiko kanefa tsy trano anadahiko akory».  « Namboly eto izahay nokarakarainay, nosakanany Socota, naniry le vary. Avy amin’izay ny olon’ny Socota nanakana anay hiasa amin’ilay varinay », hoy Eleonore.  Ity  tany ity tsy tanin’ilay olona nampanofa anao ilay tany,ity  tany ity tanin’ny Socota. Ajanony ireo olona mihava varinao ireo. Lasa teraka anaty bozaka zao izy io. «Tany ity tamin’i Razanaka Clement  dia niteny taminy za fa te hamboly dia nomeny. Ilay depense ko niletika ato nefa le vary tsy azoko. tsy omen-jareo Socota le vary fa hoe tany an-dreo…le vary anefa tsy an-dreo. 1.800.000 millions Ariary ny vola laniko tamin’io 2ha mahery io. Nisy ny didim-pitsarana nivoaka tamin’ny 7 aprily 2021, laharana 187 navoakan’ny fitsarana tao Mahajanga fa afaka manohy mamboly  ny fokonolona mangataka ny tany.

Mampanofa tany Socota

Victor, tomponandraikitra teknika - Sarelacos

Victor, tomponandraikitra teknika – Sarelacos

Manofa tany ireo mpambolin’ny Socota ary mahatsiaro fa mitsinjo azy ireo ny orinasa. Manao fifanarahana isaky ny fotoam-pambolena izy ireo amin’izany. 50.000 Ariary no an’ny fotoam-pambolena vary ary 150.000 ariary ny lojy.  Avaozina isaky izay amboly izany fifanarahana izany. « Maromaro kokoa ny fokonolona miaraka amin’ny Socota manao fifanarahana (contrat)  mamboly noho ny fokonolona miady tany. Migoka tombotsoa maro. 600.000 Ariary ny hofan-tanny amin’ny hafa fa  150.000 izany amin’ny fambolena lojy, voly vary asara kosa 50.000 Ariary. Mamatsy masimboly, fanafody ny Socota. Vahoaka eo an-toerana no manofa ny tany », hoy i Victor, tomponandraikitra teknika ao amin’ny Sarelacos. 3.000Ha mahery ny lemaka ao amin’io Labandy io a 1.200Ha fotsiny hatreto no voatrandraka noho ity ady tany ity. « Manao demande. Vita vary, fararano mamboly lojy, mando hofany indray koa, azo atao trosa aza, matoy vary iny vao manefa. Any ivelany, 60.000 ariary…izaho tsy hanana an’izany sady tonga dia aloa» hoy i Razafimahatratra Jocelyn. « Mahavelombolo anay ny fisian’ny orinasa eto satria mamelona anay. 50.000 Ariary ny 1Ha azahoana  50 gony. Rehefa miakatra ny vokatra dia omena ilay vola. Rehefa tonga ny fararano, omeny masomboly, omeny fanafody, omeny  tany. Esorina ny avance dia vola no raisina ».

Voahenjika ny mpaboly ny Socota

Ramarolahy Roger, sefo fokontany Tsimijaly

Ramarolahy Roger, sefo fokontany Tsimijaly

Mahatsiaro tratry ny tsindry hazo lena ihany koa ireto mpambolin’ny Socota ireto noho ity ady tany ity. « Nandoro traktera any Antsiraka ireto mpiady tany ireo, dia nandrava  ambioka lojy aman-taoniny. Nandeha nandrava ananan’olona, anaty tranon’olona, ny vary, ny vilany tany Antsiraka. Avy eo nakany Ampandroangisa nadrava entana koa. Norobaina ny entan’olona, lasa ny sarety, vary…ty ady tany ty foana  izany »,  hoy i Ramarolahy Roger, sefo fokontany Tsimijaly. «Nisy nanana anaka voadaka, nisy koa votifitra filesy nalefa tany Mahajanga notsaboina. Ny fitoriana rehetra efa any amin’ny procureur  an’i Mampikony daholo. Ny mampalahelo anay eto dia ity  fandrobana fananan’olona, mitarika ady, mamono, izaho sefo fokontany, efa impiry voatoraka vato ny tranoko. Olona marobe tonga mitoraka vato. Ny tantara fantatro, teraka tamin’ny vers 1968 izaho, teto ny babako nivelona sy niasa , fa efa nahafantatra fa hoe Cotona ny tompony tany niasa tamin’ity tany ity.

Razafimahatratra Jocelin - Mponina ao Tsimijaly

Razafimahatratra Jocelin – Mponina ao Tsimijaly

Niteny ny governoran’ny Faritry Sofia tamin’ny 30 oktobre 2021 fa esorinareo ny vokatrareo satria farany hiasanareo io daty io. Mbola miditra foana zareo, zahay mpanofa zany tsy afaka nakeo fa enjehina amin’ny fibarana. Ohatra izahay mamboly dia fafazan-jareo tapa-daba  dia  hoe azy io…tamin’ny taona lasa noravain-jareo ny varinay, hoy ity sefo fokontany ity. « Rehefa mandeha any ambahiboha any izahay, manaraka anay avy ato aorina ry zareo, manenjika amin’ny fibarana, miaraka amin’ny topy vato, izao fa voatora-bato tany ambahiboa tany. Mamboly zahay dia asiany vary kely de lazainy fa azy ny varinay. Farany ambany telo gony alain-jareo. Misy atsasaka hektara alain-jareo jiaby », hoy i Razafimahatratra Jocelin.

Lylison René de Rolland - governoran’ny faritra Sofia

Lylison René de Rolland – governoran’ny faritra Sofia

Milaza ny ao amin’ny Socota fa misy mpanao politika ambadik’ireo mpiady tany ireo. Rehefa nanontaniana ity toe-javatra ity ny governoran’ny faritra Sofia, Lylison René de Rolland a nilaza fa efa niezaka nandamina ary efa noraisin’ny any ambony ny famahana azy ity. Tsy manan-kabara amin’izao zavatra mitranga izao ihany koa ny lehiben’ny  distrika ao Mampikony fa vao telo volana no nandraisana ny fitantanana ka mbola hanadihady. Tsy nanan-kambara aminay mpanao gazety ihany koa ny filohan’ny Tribonaly ambaratonga voalohany (TPI) ao Mampikony.

Raha ny fantatra dia efa navotsotry ny fitsarana ao Mampikony avokoa ireo 40 nogadraina tamin’ity volana Aprily 2022 ity. Fantatra ihany koa fa tsy nisy vary intsony eny an-tanim-bary ankehitriny. «Nandrasana tsy hisy intsony izany vary izany vao navoaka ireto olona ireto» hoy Razanaka Clement, solontenam-pokonolona.  Mba tsy hiverimberenan’ny olana tahaka izao intsony dia miandrandra fandraisana andraikitrin’ ny fanjakana foibe ny fokonolona mpangataka tany manoloana ity ady tany ity. Misy amin’ireo fokonolona aza mangataka ny ahatongavan’ny Prezidàn’ny Repoblika, Andry Rajoelina any an-toerana mba hamaha izao olana izao. Fantatra fa fifanarahana havaozina isaky ny fotoam-pambolena ny ataony roa tonta fa tsy fotoana lava. Azo heverina ve fa horaisin’ny orinasa Socota hiasa ny taniny eo foana ireo manofa tany amin’izy ireo rehefa milamina ny fahazaoany ny tany? Sa horohana koa rehefa vita ny ilana azy.

Ra-Nirina


One comment on “ADY TANY AO AMIN’NY LABANDY AO MAMPIKONY SY PORT BERGÉ : Miaina anaty fijaliana na ireo mponina mitsoaka any anaty ala na ireo mijanona an-tànana

  1. Lebeaux Alfred

    Misy enquête lehibe nataon’ny mpianatra economia eny Ankatso, miaraka t@ Banque mondiale t@ 1983-1984. Jereo dia araho ny tantara, hazava amin’ny reetra fa ireo mpamboly rehetra ireo no tena mihary ireo toerana famokarana coton ireo, Fa izao izany dia ho rohahana!!!!
    PS : T@ izany izy ireo mpamboly arachides ny ankabeazany dia nasaina nivadika namboly coton, dia lasa tsy ampy ny menaka?? Ity fitatanampirenena ity mila diniina mba hiro ny vahoaka

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *