politique

Resaka îles eparses: Raikitra ny diabe (Ambohijatovo-Analakely-Ambatomena)


Nampahafantarin’ireo mpikambana ao anatin’ny Hetsika Madagasikara miaro ireo nosy Malagasy tamin’ity androany ity fa hanatanteraka diabe izy ireo ho fanoherana ny fibodoana ataon’ny teratany Frantsay ireo Nosy Malagasy eto amintsika.

Dingana maro no efa notanterahana fa toa tsy miraharaha ny mpitondra na dia efa zaraina isaky ny ambaratongam-pahefana aza ny taratasy fitakiana ny hamerenana ireo Nosy ireo amin’ny Malagasy. Ny famondronana ireo Malagasy tia tanindrazana tsy ankanavaka no kendrena amin’zao diabe izao. Hiainga eny amin’ny tsangambaton’ny 47 Ambohijatovo izany, hiazo ny kianjan’ny 13 May ary hijanona eny anoloan’ny Masoivoho Frantsay eny Ambatomena raha ny fanambarana nataon-dRajaonah Andrianjaka, filohan’ny fikambanana Otrikafo mivondrona ao anatin’ity fikambanana ity. Tsy ekena, hoy izy ireo, ny fibodoana ny Nosy Malagasy, ny fibodoana tany ataon’ny vahiny, ny fanagadrana mpanjono amin’ireo ranomasina Malagasy ireo, ny fandohavan’ny sambo vola rehefa mandalo ireo Nosy ireo.

Manaitra ny mpanatanteraka ny fikambanana mba hiray saina amin’ny Malagasy ny amin’ny fitakiana ireo Nosy ireo hiverina ho an’ny Malagasy.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *