Actus

Ben’ny tanàna : Manavy sy mitaintaina ny ankamaroany


Hatramin’ity anio alakamisy ity  izao no voalaza fa fe-potoana farany hamoahan’ny Filankevi-panjakana ny didy tsy azo ivalozana mikasika ireo fitoriana nipetraka ho fanoherana ny voka-pifidia- nana ho ben’ny tanàna tamin’ny fari-pifidianana maro manerana ny Nosy.

Hatramin’izao dia vokapifidianana miisa 13 no noravana ka nampiova tanteraka ny vokatra ka « nampiongana » ireo ben’ny tanàna izay efa niasa roa volana mahery izao. Na dia eo aza ny fandamindaminan-dre- saka avy amin’ireo kaomisera ambony ao amin’ny Filankevi-panjakana izay nilaza fa zara raha misy 3%-n’ireo fitoriana nipe- traka ho fanafoanana ny voka-pifidianana no nahazo valiny mahafapo dia misy amin’izao fotoana izao ireo ben’ny tanàna vaovao voafidy no mbola mitebiteby fatratra mandrapaha-dilan’ny anio.

Manahy mafy izy ireo fa sao mantsy dia « mbola ho avy ny anjarany satria ao anaty lisitra mainty » izy ireo. Raha ny lafiny tekinika moa no rai- sina dia manazava ny ao amin’ny filankevi-panjakana fa noho ny fisian’ny tsy fanarahan-dalàna no mety nampitsimbadika ny vokapifidianana ka nanafoanana izany. Ny mpitazana kosa anefa dia mihevitra fa antony politika madio manganohano ho fanodinana ny safidim-bahoaka no tena zava-marina.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *