Socio-eco

RN6 MAMPITOHY AN’I MAROMANIRY SY MAMPIKONY: Hiteraka fiakaran’ny vidim-piainana


Kamiao miisa 60 no mihitsoka eo Maromaniry, 40 kilometatra mialohan’ny hidirana an’i  Mampikony, faritra Sofia ny 20 martsa 2022. Fotaka mandrevo no handehanan’ny fiara izay sahy mandeha. Vokany, taxi-brousse iray sy kamiao iray no mihitsoka ao anaty fotaka ka lasa niteraka fitohanana. Efa ho iray volana no simba ity lalam- pirenena fahaenina (RN6) ity noho ny rotsakorana nifanesy. Misy ihany ny lalana azo hihodonana (déviation) saingy mbola mandalo fotaka ihany koa. Raha ny hita teny an-toerana dia efa misy ireo mpikarama manosika, ireo fiara mandalo ity déviation ity kanefa tsy afaka. 10.000 Ariary ny saran’izany. Hampitombo ny fandanian’ny mpampiasa lalana ity fahasimban’ny lalana eo Maromaniry, fokontany Antsatramanera, kaominina Bekoratsaka, distrikan’ Mampikony ity raha mitohy satria hitombo ny vola aloan’ny mpandeha taxi brousse raha misy “transbrodement”. Miteraka fatiantoka ho an’ny mpitatitra ihany koa izany satria very fotoana sy mitombo ny fandaniana ka mety hiteraka hatrany amin’ny fiakaran’ny vidim-bokatra na vidin’entana.

Ra-Nirina.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *