Actus

TOMPON’NY “CARRIÈRE” TAO ANJOZOROBE: “Tsy nisy maty izany tany”.


Niniana natao ve ny filazan’ny fianakavian’i Mandignisoa fa maty izy? Ny ankilany mantsy toa milaza fa fomba entin’i Yrmand ahafahan’ny mitrandraka ao Ankaraoka izany.
Mihamangotraka ny raharaha nahafatesana tovolahy 29 taona tao amin’ny toeram-pitrandrahana ao Ankaraoka Anjozorobe. Nilaza ny havan’ity maty ity fa mbola tadiavin’izy ireo hatramin’izao ny vata-mangatsikan’ny havany izay maty notifirin’ny miaramila tamin’ny 22 febroary. Nanambara kosa anefa ny tompon’ilay “carrière” fa tsy nisy ny maty tamin’io fotoana io.

Raha tsiahivina ny tantara, rahalahin’ilay manofa ny toeram-pitrandrahana ihany ity maty voatifitra ity. Tonga teny Ankaraoka ny vaditanin’ny tompon-tany niaraka tamin’ireo mpitandro filaminana ny 22 febroary. Nitondra didim-pitsarana handroaka ireo mpitrandraka ao no anton-dian’izy ireo. “Nanome 15 minitra anay izy ireo hialanay eto. Kanjo vao niala kelikely teo ry zareo dia nisy poa-basy. Samy namonjy ny ainay izahay ka tao anatin’izany no nahalavo an’i Mandignisoa”, hoy Tognisoa, mpitrandraka nahita maso izany. Nanao fanambarana kosa anefa ny ankilany, tompon-tany,” fa nandroaka am-bava fotsiny ny vaditany fa nisy mafy loha ka izany no nahatonga an’ireo mpitandro filaminana nanao tifi-danitra. Tsy nisy kosa anefa ny voatifitra”, hoy Roland Robert, mpiara-miombon’antoka amin’i Alphonse RANDRIANARIMIADANA, tompon’ny “carrière”. Mbola nanamafy ireto farany fa tsy nanaja ny fehim-potoana navoakan’ny didim-pitsarana ny mpanofa, Yrmand sy ny ekipany fa mbola nisisika nitrandraka tao ihany. “Ny 04 desambra no efa nakaton’ny fanjakana ny toeram-pitrandrahana ”, hoy hatrany Roland Robert.

AUDIO : Roland Robert

Mifanohitra amin’izany anefa ny fanazavan’ny andaniny. Ny 09 Martsa ho avy izao no farany itrandrahan’izy ireo.
Mbola ny tantara. Misy fikambanana na mpanao politika mihitsy aza miaro ny ankilany na ny andaniny.
Lynda A.

Nakatona tokoa ve? sa fangatahana fanakatonana?

ROLAND Robert 1

VIDEO


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *