Socio-eco

ORANGE MADAGASCAR : Orinasa tomponandraikitra amin’ny lafiny sosialy


Singa iray ao anatin’ny fandraisana andraikitry ny sehatra tsy miankina ho an’ny tombontsoan’ny fiarahamonina na Responsabilité Sociétale des Entreprises (RSE) ny politikan’ny fividianana entana  manaja ny fenitry ny fampandrosoana maharitra (achats responsables).  Nampahafantatra ny politikany momba ny « achats responsables » tamin’ny mpiara-miasa aminy  ny Orange Madagascar nandritra ny « Supplier Day », ny 12 jona 2024, tao amin’ny ivon-toerana vaovao an’ny Orange Digital Center – Gare Soarano. Entina hifandraisana bebe kokoa amin’ireo mpamatsy entana miara-miasa amin’ny orinasa mba  hampiroboroboana ny dingana iraisana momba ny RSE ihany koa ity hetsika andiany voalohany ity.  Mpamatsy entana mihoatra ny 200 no tonga namaly ny antso. Voafaritra ao anatin’io politikan’ny Orange momba fividianana  entana io  ny fitsipi-pitondrantenan’ny mpamatsy entana amin’ny lafiny fifanaraham-piarahamiasa, toy ny fanajana ny fitsipika ara-dalàna, ny hetra, fandraisana andraikitra ara-tsosialy sy ny ara-tontolo iainana ary ny fenitra takian’ny Orange.  “Ireo mpamatsy entana sy mpiara-miasa ireo no lakilen’ny fahombiazan’ny orinasa, ary nametraka politika fividianana entana  mitaky fandraisana andraikitra izahay.  Ampidirina ao anatin’ny fifanaraham-piarahamiasa amin’ny mpamatsy entana ny fitsipi-pitondrantena izay mamaritra ny fitondran-tena sy tandro-hasina, sosialy sy ny fanjana ny tontolo iainana. Mijery akaiky ny fenitry ny RSE ataon’ny mpiara-miasa aminay ihany koa izahay ary manao fanarahamaso momba izany mihitsy. Ny fahatokisana, fototry ny fampandrosoana maharitra, dia mitaky fahamarinana amin’ny lafiny rehetra sy modely amin’ny lafiny asa,  fanajana ny tandro-hasina , fanajana ny zon’olombelona ary fiarovana ny tontolo iainana amin’ny rojo-pihariana rehetra”, hoy Frédéric  Debord, Tale Jeneralin’ny Orange Madagascar. Mahatoky ny orinasa fa ny fiarahamiasa akaiky amin’ny mpamatsy entana dia zavadehibe amin’ny fanatanterahana ny fanamby momba ny RSE, teknolojia sy ara-bola, miaraka amin’ny fanomezana vahaolana mivaingana toy ny fanatsarana ny lafiny angovo,  ny “économie circulaire”.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *