politique

MPANOHANA NY KANDIDA RAZANAMAHASOA CHRISTINE : Mitaky ny hanafoanana ny vato azon’ny kandida IRMAR


Be dia be  loatra ny fandikan-dalàna nandritra ny fifidianana solombavambahoaka, araka ny fanambaran’i Ratolojanahary Maharavo na i Doudou, mpanohana an’i Razanamahasoa Christine, kandida tao amin’ny disitrikan’Ambatofinandrahana. Ohatra amin’izany ny fampiasana ny fahefam-panjakana sy fitaovam-panjakana nandritra ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra. “Nahoana no tao anatin’ny andron’ny fampielezan-kevitra no nanao fitsidiham-paritra ny Filoham-pirenena? Araka ny lalàm-pifidianana anefa dia tsy azo ampiasaina ny fahefam-panjakana mandritra ny fampielezan-kevitra. Ny Filoham-pirenena  no tompon’ny « prérogative de puissance publique » voalohany. Sady Rain’ny Malagasy rehetra izy ka tsy tokony hizara zavatra ary tsy tokony hiangatra mandritra ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra. Fa maninona tapitra ny fampielezan-kevitra dia tsy nanao fitsidiham-paritra intsony izy? Tsy tokony hanao kabary hampandany kandida ny Filoham-pirenena nefa nataony izany tany Ambatofinandrahana. Nilaza izy fa tsy ho vita ny lalana raha kandida mpanohitra no  eo. Araka ny andininy fahadimy ao amin’ny lalam-pifidianana dia tsy azo afangaro ny raharahan’ny antoko sy mpanatanteraka. Ny zava-misy anefa dia sarin’ny Filoham-pirenena no napetaka tamin’ny akanjo na afisy nanaovan’ny kandida IRMAR fampielezan-kevitra”, hoy i Doudou. Nilaza ihany koa izy fa endrika tsy fanarahan-dalàna fanatrehana na fanaovan’ny olom-panjakana, toy ny governoran’ny faritra, lehiben’ny distrika fampielezan-kevitra.  Nambarany fa nametraka fitoriana momba ireo fandikan-dalàna ireo, eny amin’ny Fitsarana Avo momba ny lalam-panorenana ny kandida Razanamahasoa Christine ary mangataka ny fanafoanana ny vato azon’ny kandida IRMAR.  Miantso  ny mpitondra fanjakana ihany koa  izy hanana fijery mahitsy. “Ianareo ao amin’ny HCC: ataovy mahitsy ny asanareo, ataovy an-kalalahana.  Ianareo  mpitandro filaminana: ny fahadisoan’ny lehibe ve dia  ny vahoaka indray no poretina?”.  Nanamafy i Doudou fa miha tafahoatra loatra ny fandikan-dalàna eto amintsika ary ny fanjakana ambony ihany no mamerimberina azy matetika.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *