Socio-eco

FOKONOLONA : Manampy ny fanjakana amin’ny fiarovana ny harena voanjanahary kanefa iharan’ny tsindry


Tsy azo dinganina ny fokonolona. Matoa milamina ny fiarahamonina, voaaro ny harena voanjanahary mampiavaka an’i Madagasikara dia noho ny fandraisan’anjaran’ny fokonolona, hoy ny fanazavana nentin’i Raparison Eric, sy Profesora Jonah Ratsimbazafy mpikambana ao amin’ny Fanonga Fokonolona, nandritra ny atrikasa fifanankalozan-kevitra sy fikaonandoha momba ny faritra ifampivelomana, ny 19 septambra 2024, teny Ankerana. Iharan’ny tsindry anefa ny fokonolona amin’ny fiarovana ny harena voanjanahary, indrindra ny fametrahana ny faritra ifampivelomana. Voalaza nandritra ny atrikasa ny tranga ao Beparasy, nahafatesana filohan’ny Vondron’Olona Ifotony (VOI) miisa telo noho ny fahatratrarana fitrandrahana hazo ataon’ireo mpitrandraka tsy ara-dalàna. Noresahana tamin’ny fivoriana niarahan’ny Natural Justice, Tafomihaavo, Fanonga Fonokonolona tamin’ireo solontenan’ny fokonolona manerana faritra 19 ihany koa ny  fahombiazana, ny olana iainan’ny  fokonolona anaty ny faritra ifampivelomana, ny soa fanararaotra heverina fa tsara. Niara-nijery sy namaritra  atao hoe : faritra ifampivelomana izy ireo na dia efa niainana hatramin’izay aza izany. « Noresahana tao anatin’ny atrikasa fa fifampitondrana ataon’ny fokonolona ny faritra ifampivelomana. Misy dina apetraka ifampitondrana na fepetra ahafahana mitantana ny faritra ifampivelomana. Ahitana soa iombonana ao anatin’ny faritra ifampivelomana ary mifampiankina amin’ny sehatr’asam-pivelomana, ara-tsosialy, ary indrindra ara-kolontsaina. Ao anatin’io soa iombonana io ny ala , ny farihy, ny fotodrafitr’asa iombonana, toy ny lalana. Misy ny fahombiazana, ny tsindry ka nikaroka hevitra hanatsarana izany izahay”, hoy i Rakotoson  Henri, Filoha Lefitry ny tambazotran’ny fokonolona mitantana ny harena voanjanahary eto Madagasikara (TAFO MIHAAVO) sady mpikambana ao anatin’ny Fokonolona Filamatra.

Manaitra ny fitondram-panjakana ihany koa  i Raparison Eric, mpandrindra nasionalin’ny Sehatra iombonana ho an’ny fananantany ( SIF) fa diso ny fiheverana fa hanangana “fanjakana kely” anaty fanajakana ny fokonolona raha mamaritra ny faritra ifampivelomana. “Karazana fandaminana, ahafahan’ny fokonolona mandray  anjara  amin’ny fitantanana ny harena eny ifotony, manampy ny fanjakana amin’ny haitondra  ny faritra ifampivelomana.  Tokony ho hajaina izany.  Zava-misy anefa misy ny  tsindry  mahazo fokonolona amin’ny fandraisana anjara amin’ny fametrahana faritra ifampivelomana”, hoy izy. Nambarany fa raha mamaritra ny faritra ifampivelomana ny fokonolona dia voantsinjara tsara ohatra ny toerana hanaovana ny jono na firaofan’ny omby, “ tahaka ny fanajariana ny tany ihany fa mandray anjara bebe kokoa ny fokonolona, hihainoana ny feon’izy ireo”. Nampatsiahy ny tenany fa ao anatin’ny lalam-panorenana dia fokonolona no fototry ny fiarahamonina. Noho izany, “fanantanterahana ny lalam-panorenana ny fananganana ny faritra ifampivelomana”, hoy izy. Nilaza ihany koa i Profesora Ratsimbazafy Jonah, Filohan’ny Vondrona mpanadihady sy mpikaroka momba ny gidro (GERP) fa tsy azo ialana sy tsy azo dinganina ny fokonolona. “Raha misy zavatra kasaina atao dia miainga amin’ny fokonolona. Rehefa tsy hanao ireo dia tsy hotanteraka izany. Raha milamina sy maharitra ny toerana iray,  ohatra voaaro ny harena mampiavaka ny Madagasikara dia misy fandrasaina anjara amin’ny fokonolona izany. Amin’ny rafi-pisainana malagasy dia zava-doza  izany voahiliky ny fiarahamonina izany. Ndao ampiana ireo  fokonolona ireo”, hoy izy. Nanome ohatra ny maha zava-dehibe ny fokonolona izy ka nitantara tranga tao amin’ny faritra arovana Maromizaha. Tsy nisy mihitsy ny tsindry nihatra tamin’io faritra arovana tantanin’ny GERP io tao anatin’ny fito (07) taona, noho ny fandraisan’anjaran’ny fokonolona.

 Lynda A.


One comment on “FOKONOLONA : Manampy ny fanjakana amin’ny fiarovana ny harena voanjanahary kanefa iharan’ny tsindry

  1. Andriamahenina

    Ny zava-misy sy ny tsindry mahazo ny ifotony dia toa manambara fa tsy manana na manao fanahiniana manary ny maha-Malagasy ny fomba fitondrana. Mifamelona ny Fokonolona sy ny natiora hatramin’izay. Rehefa ny bizina no mibaiko ny paikady fa tsy ny « fitiavana » ny Malagasy izay mivelona @ natiora ny maro an’isa, dia ny Fokonolona no potehin’ny mpanao politika mifandimby. Ny sinoa, afrikana, karana….sy malagasy mpitrandraka sy mpanao bizina ny harempirenena dia mazàna arovan’ny Tafika sy ny Fitsarana hany ka manao fihetsika manjakazaka. Ny mpanao politika mafanesy dia toy ny manao hoe tour-nay indray izao. Ny fametrahana ny faritra ifampivelomana dia manampy ny fitondrana hanatsarana ny paikady fandaminana eny ifotony, ara-kolotsaina, ekonomika sy sosialy @ hiaravona ny mpiarabelona sy ny maha-Malagasy ary fitsinjovana ny taranaka sy ny taninjafy tsy ho potehin’ny bizina sy ny fomba fisainana miaraka aminy. Amin’ny maha nosy dia tokony hisitraka ny fizahantany avokoa ny faritra rehetra. Saingy tsy avela ilamina, ary tsy voaaro mitovy ny faritra rehetra. Ny Fokonolona no fototry ny filaminana sady rafitra ivoarana izay tsy manary ny kolotsaina mahamalagasy no mitsinjo ihany koa ny taranaka mbola ho avy. Mila mailo ny rehetra satria mampiasa hery sy vola ny mpamadika tanindrazana ary milalao mahery vaika ny zokiolona sy ny tanora.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *