Socio-eco

FITRANDRAHANA ELADRANO SY NY TONTOLONY : Mitrandraka hatramin’ny zaza sy ny ankizy


Fahaefatra mpanodrana eladrano na « Mica » maneran-tany i Madagasikara. Mampiasa zaza sy ankizy betsaka ny fitrandrahana azy eto amintsika. Maro ity harena an-kibon’ny tany ity eto Madagasikara fa any  Atsimo no tena misy azy. Mahavoan’ny aretina Raboka na « tuberculose » ny fitrandraha azy rehefa tsy misy fitaovana fiarovana.

Tsy voahaja ny zon’ny ankizy any amin’ny toerana misy ny fitrandrahana « Mica ». Miisa 11.000 ireo zaza sy ankizy no miasa sy mitrandraka ny eladrano eto Madagasikara. Miisa 5.000 ny mpitrandraka ary 2.000 kosa ny tokantrano miaraka amin’ny zanany tsy ampy taona any amin’ny faritra Anosy, kaominina Ranopiso, Tranomaro, Maromby, Beharaha ary Fort-Dauphin. Miaraka amin’ny ray aman-dreniny izy ireo manao ny fitrandrahana. Noho izany tsy mianatra any an-tsekoly ireo zaza sy ankizy ireo. Ny fahitan’ny ONG PACT ny zava-mitranga any amin’ireo toerana ireo no nahatonga ny tetikasa Madagascar Shines. Tanjon’ity tetikasa ity ny hampihena ny zaza sy ankizy hiala amin’ny fitrandrahana eladrano ka hiditra an-tsekoly. Efa misy vokany ny nisian’ny tetikasa na dia mbola lavitra hezaka aza. Miisa 1000 ireo zaza sy ankizy no efa tafaverina an-tsekoly. Iarahan’ny ONG PACT amin’ny ONG ALT (Andry Lalana Tohana) sy AEPI (Association des Exportateurs des Pierres Industrielles) ny fanatanterahana ny tetikasa. Nanomboka ny taona 2022 ny tetikasa ary telo taona sy tapany ny faharetany.  Eo ihany koa ny tetikasa ACTE (Agir Contre le Travail des Enfants) tanterahan’ny ONG Terre des Hommes  Netherlands sy Save the Children. Iarahan’izy ireo miasa amin’ny PFSCE (PlateForme de la Société Civile pour l’Enfance), ONG FAFAFI (FAnentanana, Fambolena, Fiompiana) ary ny Association Tompy. Toerana iasan’ny tetikasa, Faritra Anôsy, distrikan’i Fort- Dauphin, kaominina Ranopiso. Telo taona ny tetik’asa, nanomboka ny taona 2023 mifarana ny taona 2026. Miisa 750 ireo zaza sy ankizy 5 taona ka hatramin’ny 17 taona  sy ray aman-dreny 800 nitrandraka « mica » no nahazo tombotsoa.

Raha ny fanazavana azo dia 90% ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany dia mahavoa ny aretina raboka na « tuberculose » ao anatin’izany ny fitrandrahana eladrano.

Fahantrana mitarazoka

Ambony loatra ny tahan’ny fahantrana eto Madagascar. Tokana ny antony mahatonga ny fianakaviana iray miara-misalahy mitrandraka ny « mica » any amin’ireo toerana ireo dia noho ny fahantrana. 100 ariary ka hatramin’ny 250 ariary ny iray kilao amin’ny Eladrano ka eo amin’ny 6 kilao eo ny azon’ny olona iray isan’andro. Rehefa dinihina dia tsy mahazo vary iray kilao ny olona iray. Noho izany dia tsy maintsy manao ny fitrandrahana miaraka amin’ny ray aman-dreniny ny zanany tsy ampy taona. Tsy mahatafiditra ireo zaza sy ankizy any an-tsekoly  ny vola miditra amin’izy ireo. Paikady napetraky ny tetikasa noho izany hampiditra ireo ankizy any am-pianarana amin’ny alalan’ny fanomezana fitaovam-pianarana ohatra…sy hanampy ny fidiram-bolan’ny ray aman-dreniny. Marihana fa 3.000 ariary ka hatramin’ny 4.000 ariary ny kilao no hivarotany mpanodrana ny eladrano.

Tsy mahazo miasa ny zaza sy ny ankizy

Anisan’ny zo tsy voahaja amin’ny toerana misy ny fitrandrahana ny « mica » ny zo hianatra sy ny zo hilalao. Anisany fijaliana ho azy ireny ny fanaovana io fitrandrahana io. Maro ireo lalana sy hitsivolana miaro ny zon’ny ankizy nataon’ny fanjakana sy fifanarahanairaisam-pirenena. Voaran’ny lalana noho izany fampiasana azy ireo. Anisan’izany ny Lalana  N°2007-023 tamin’ny 20 août 2007  momba ny zo sy fiarovana ireo zaza sy ankizy amin’ny fampijaliana. Eo ihany koa ny hitsivolana N°2018-009 tamin’ny 11 Janoary 2018 nasim-panitsiana hitsivolana N°2007-563 tamin’ny 03 jolay 2007 momba ny fampiasana zaza. Misy ihany koa ny hitsivolana nananganana ny CNLTE (Comité National de Lutte contre le Travail des Enfants).

Ny Eladrano na « mica »

Betsaka ny am-piasana ny eladrano. Anisan’izany fitairizana herin’aratra amin’ny fiara, finday…  « Isolant thermique, circuit electronique… ». Akora anamboarana hosotra atao amin’ny tarehy « cosmétique » ihany koa ny « mica »…

Nampiofana mpanao gazety miisa 14 ny ONG PACT sy ny ONG Terre des Hommes  Netherlands tany Antsirabe ny 04 jona ka hatramin’ny 6 jona 2024. Ho fampahafantarana sy fampiofana ny manodidina fitrandrahana eladrano sy ny fampiasana ny zaza sy ny ankizy amin’ny fitrandrahana ity harena an-kibon’ny tany iray ity eto Madagasikara.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *