Socio-eco

FANABEAZANA ARA-PANANAHANA FENO: Tsy feno ny fepetra ilazana fa “éducation complète à la sexualité (ECS) no atao raha toa ka misy banga ny fomba ABCDE


Voarara ny mitondra fitaovana mivoy ny fampiasana fomba fanabeazana aizana, ao anatin’ny kapaoty, hanaovana fampianarana  eny anivon’ny sekoly, manomboka any amin’ny akany fibeazana ka hatrany amin’ny kilasy famaranana, araka ny  naoty navoakan’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena  momba ny sahan’asa atao amin’ny lafiny fanabeazana ho an’ny fiainana mirindra (EVH) na ny  fanabeazana ara-pananahana feno (ECS)  atao eny an-tsekoly,  ny 7 novambra 2023 (2023 -862/MEN/SG). Ny fanabeazana ara-pananahana dia tokony mifanaraka  ny lalan-tsaina vohizin’ny  Ministera,  ao anatin’izany “tsy fanaovana” na “abstinence” ho fiantohana ny fanohizan’ny mpianatra ny fianarany. Tsy famongorana ny fitondrana vohoka eny anivon’ny sekoly ihany no anton’izany fa iadiana amin’ny areti-mifindra ara-pananahana toy ny VIH/SIDA, ny fanabeazana ny tsirairay ho tomponandraikitra amin’ny ho aviny tsara kokoa  sy ho an’ny hafa. Nanambara anefa ny mpikambana eo anivon’ny Forum Génération Egalité (FGE), fivondronana iraisam-pirenena ho an’ny fitoviana eo amin’ny  lahy sy  ny vavy, natsangan’ny ONU, miara-miasa amin’ny firaisamonim-pirenena fa ampianarina ao anatin’ny ECS ny fomba “ABCDE” na tsy fanaovana na “abstinence” (A), ny  fanajana ny olontiana na “bonne fidélité” (B),  ny fampiasana kapaoty na condom (C), ny fanaovana fitiliana na dépistage (D) ary ny fanabeazana na éducation (E). “Tsy maintsy mila hita anatin’ny fanabeazana ara-pananahana feno ireo singa ireo vao afaka miteny ho misy ny ECS. Tsy fanabeazana ara-pananahana feno rehefa tsy misy an’ireo antontam-baovao voalaza eo ambony ireo”, hoy i Raparaoelina Tendry, mpikambana ao amin’ny FGE. Nanamafy ihany koa i Raveloarinanja Dominique, mpikambana ao main’ny FGE hatrany fa zava-dehibe ny fanaovana an’io ECS io any an-tsekoly satria “ny olombelona dia misy vatana, misy fivelarana hafa. Eo ny faniriana amin’ny maha tanora, ny fiainam-pitiavana ka io indrindra no ilaina ny fanabeazana ara-pananahana feno satria ireo tanora ireo tsy ho voafehintsika  amin’izay fiainana maha olona azy, maha tanora azy.  Ny fanabeazana no fomba iray manaraka azy sy mamehy azy, manome fenitra ho an’ny fiainana amin’ny maha tanora azy, tia handrakandrana. Raha voafehiny ny ECS dia tsy hihoam-pefy amin’ny fiainana manimba ny ho aviny sy manimba ny fianarany izy. Nilaza ihany koa izy fa mihamaro ny tanora voan’ny areti-mifindra ara-pananahanaMiha maro ny tanora no tsy mahavita ny fianarana hatrany amin’ny oniversite, indrindra ny vehivavy noho ny fitondrana vohoka aloha loatra na noho ny aretina”. Noho ny tsy fisian’ny fanabeazana ara-pananahana feno no mahatonga  izany.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *